Jôba

Toko faha-4

2 Tsy misy sahy miteny aminao, satria sorena mafy ianao ; nefa tsy azo atao ny hangina ela intsony.

3 Indro efa nanabe olona maro ianao ary nampahery ireo niraviravy tanana.

4 Ny teninao no nampitraka ireo efa saiky lavo; efa nampatanjaka lohalika mangozohozo ianao.

5 Ankehitriny, tojo izany ianao ka kivy, mby an-koditrao ka mahaketraka anao!

6 Satria nanaja an'Andriamanitra ianao sy nanana fitondrantena mendrika, ka moa tsy hatoky sy hanantena va?

7 Tsarovy izao: efa nahita tsy manan-tsiny na olo-marina maty nahantra ve ianao?

8 Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.

9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy; ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;

10 na mierona toa liona izy na minaonaona toa tigra, dia tapatapahiny nify ireo toa biby masiaka ireo.

11 Lany remby ny bibidia ka maty; ary ny zanaky ny liom-bavy kosa miparitaka.

12 Nisy teny izay tonga tamiko mangingina; ary bitsika malefaka no reko taminy.

13 Noho ny eritreritra misafotofoto vokatry ny nofy amin'ny alina raha sondrian-tory ny olona ,

14 dia nangovitry ny tahotra aho ka nipararetra ny taolako rehetra.

15 Ary nisy rivotra nisafo ny tavako ka nampihoron-koditra ny tenako.

16 Nisy endrik'olona mitsangana nefa tsy fantatro, fa manjavozavo izy no teo anoloan'ny masoko. Dia nangina aloha, vao nisy niteny hoe:

17 "Ho marina sy ho madio ve ny olona eo anatrehan'Andriamanitra Mpahary azy?

18 Indreo ny mpanompony aza tsy atokiany, ary ny anjeliny mbola ahitany tsininy;

19 koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany ka mety voaporitra tahaka ny fositra!

20 Indray andro monja no hahamontsana sy hahalevona azy mandrakizay; ka tsy hisy hahatandrintandrina akory.

21 Tsy efa tapaka va ny kofehin-dainy? Ho faty tsy manam-pahendrena izy."

Toko faha-5

1 Miantsoa ange raha misy hamaly anao e! Ary iza amin'ny anjely masina no hitodihanao?

2 Fa ho voakikin'ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin'ny fahatezerany ny ketrina.

3 Marina tokoa fa efa nahita adalana mbinina aho, nefa avy hatrany no nanozonako ny tranony hoe:

4 "Ho lavi-pamonjena anie ny zanany, ka hohelohina tsisy mpiaro amin'ny fitsarana!

5 Fa ny noana anie no hihinana izay nojinjainy, ka haka izany na dia voafefy tsilo aza; ary ny sahirana anie no ho tompon'ny hareny!"

6 Fa tsy avy amin'ny tany akory no ivoahan'ny tsy fahamarinanana itsimohan'ny fahoriana.

7 Kanefa nateraka ho ory ny olombelona, ary ny pitik'afo kosa natao hanidina miakatra.

8 Raha izaho ianao dia Andriamanitra no hanontaniako; ary Andriamanitra no hilazako ny momba ahy.

9 Lehibe tsy takatry ny saina ny zavatra ataony, dia zava-mahagaga tsy hay visavisaina.

10 Izy no mampilatsaka ny orana am bonin'ny tany ary mampandeha ny renirano hanondraka ny saha.

11 Manandratra ny ambany ho amin'ny avo Izy; ary ny malahelo dia ampiany hitraka.

12 Izy no mampandamoka ny tetiky ny fetsy ratsy, ka ho tsinontsinona izay asan'ny tanany.

13 Ny hafetsen'ny hendry ihany no amandrihany azy , ary ataony maty momoka ny tolo-tsainy.

14 Tojo ny haizina amin'ny andro antoandro izy; ka dia amin'ny mitataovovonana, no iraparapany toy ny amin'ny alina.

15 Nefa vonjen'Andriamanitra ny ketraka mba tsy hianjadian'ny sabatra , ary ny mahantra mba tsy ho azon'ny mahery;

16 mamelom-panantenana ny osa izany, ary mampikombom-bava ny ratsy fanahy.

17 Fa sambatra ny olona izay anarin'Andriamanitra! Koa aza hamaivanina, ry Joba, ny famaizan'ilay Tsitoha.

18 Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery; ary ny tanany dia mety mandratra, raha manasitrana.

19 Hamonjy anao amin'ny fahoriana matetika Izy; ka amin'ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.

20 Tsy hamela anao ho faty Izy, raha avy ny mosary; harovany tsy ho voan'ny sabatra ianao, raha avy ny ady.

21 Ho voaaro amin'ny endrikendrika ianao, ka tsy hatahotra raha tonga ny antambo.

22 Hihomehezanao fotsiny ny mosary aman'antambo, ary tsy hatahoranao izay bibidia.

23 Ho vita fanekem-pihavanana mirindra ianao amin'ny vato eny an-tsaha sy amin'ny bibidia,

24 hiadam-pinaritra ao amin'ny fonenanao, ary hahita ny ondrinao tsy misy very rehefa tonga hisafo azy any an-kijana.

25 Ho hitanao hihamaro koa ny zanakao; ary ny taranakao dia hihabetsaka tahaka ny ahitra eny an-tsaha.

26 Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin'ny fotoam-pararano.

27 Izany no izy rehefa nodinihinay, ry Joba, koa ankatoavy sy ekeo hahasoa anao.

Toko faha-6

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Raha mba azo nolanjaina ny fahasosorako ka natao teo ambony mizana miaraka amin'ny fahoriako,

3 dia ho navesatra noho ny fasi-dranomasina; Izany no nahatonga ahy hiteniteny foana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3434