Jôba

Toko faha-8

3 Moa hampandefitra ny rariny ve Andriamanitra? Moa hamadika ny fahamarinana ve ilay Tsitoha?

4 Mety ho nanota tamin'Andriamanitra ny zanakao, dia nampanodiaviny azy ny heloka vitany.

5 Raha ianao kosa no mitady an'Andriamanitra ka manao fitalahoana amin'ilay Tsitoha,

6 ary raha tsy manan-tsiny sy mahitsy ianao, dia Izy no hijoro hiahy anao ka hamerina indray ny fiadanana amin'ilay fonenam-pahamarinanao.

7 Ary ho bitika ihany izay nosantarinao taloha raha mitaha amin'ny ho avinao mamirapiratra.

8 Fa mba anontanio ange ny ntaolo e! Ka ianaro izay traikefan'ireo razany.

9 Tsy misy zava-pantatsika izay vao omaly, satria aloka mihelina vetivety ihany ny androm-piainantsika eto an-tany.

10 Ry zareo no hanoro sy hampianatra anao, ary dia hamoaka ny oha-pitenenana izay vokatry ny fieritreretany toy ny hoe:

11 "Tsy maniry ivelan'ny heniheny ny zozoro, ary tsy mitombo tsy misy rano ny volotara.

12 Vao mamelana fotsiny izy, ary mbola tsy voatapaka; saingy rehefa tsy mahazo rano intsony izy, dia malazo alohan'ny ahitra hafa rehetra."

13 Izay rehetra manadino an'Andriamanitra dia toy izany no anjara miandry azy; ho levona ny fanantenan'ny tsy mpivavaka.

14 Fa ho maito ny fahatokian-tenany; ary ho marefo tahaka ny tranon-kala ny fianteherany.

15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo mihilangilana izany; mamikitra mafy hitazonana azy izy, nefa mirodana tsy voatana izany.

16 Ny tsy mpivavaka dia tahaka ny hazo izay feno tsiron-tany sady hazavain'ny masoandro ka ny rantsany misandrahaka eo ambonin'ny tanimboly misy azy.

17 Mifanolanolana eny amin'ny korontam-bato ny fakany ka tanteraka hatrany an-tsefatsefa-bato any.

18 Rehefa ongotana amin'ny toerany anefa izy, dia handa ho tsy mbola nahita azy akory io.

19 Jereo fa izany no fifaliana miandry ny tsy mpivavaka; ary hisy zava-maniry hafa indray hitrebona avy amin'io tany io.

20 Jereo kosa fa Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny ary tsy manome tanana ny mpanao ratsy.

21 Mbola ho fenoiny hehy ny vavanao ary ho rakora-pifaliana ny molotrao, ry Joba.

22 Fa ho afa-baraka ireo mpankahala anao; ary hanjavona ny fonenan'ny olon-dratsy.

Toko faha-9

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Fantatro tokoa fa izany no izy: aiza no hahamarina ny olona eo anatrehan'Andriamanitra ?

3 Raha olona no te hiady hevitra aminy, dia tsy hahavaly na dia fanontaniana iray amin'ny arivo aza.

4 Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?

5 Andriamanitra no mamindra ny tendrombohitra, nefa tsy ampoizin'ireo akory Ilay manova toerana azy amim-pahatezerana.

6 Mampihorohoro ny tany Izy ka mihozongozona ny andriny.

7 Mandidy ny masoandro tsy hiposaka Izy ary manidy ny kintana amin'ny fitombo-kase.

8 Mamelatra ny lanitra samirery Andriamanitra ary mandeha eny amin'ny onjan-dranomasina.

9 Izy no nanao ny vondron-kintana isan-karazany: dia ny Orsa sy Telonohorefy ary Ikotokelimiadilaona mbamin'ny andian-kintana any atsimo.

10 Tsy takatry ny saina ireo zava-dehibe ataony ary tsy hita isa ny zava-mahagaga vitany.

11 Mandalo ahy Andriamanitra nefa tsy hitako, ary mihelina indray saingy tsy fantatro.

12 Raha misy zavatra voatazony, zovy no hampamotsotra azy an'izany? Zovy no hiteny aminy hoe: "Inona ity ataonao?"

13 Tsy voatana Andriamanitra rehefa tezitra. Milefitra eo anatrehany i Rahaba sy ny tariny.

14 Mainka fa Izaho indray ve no hamaly Azy ka hahafantina izay teny hatao aminy?

15 Fa na marina aza ny ahy, dia tsy hamaly akory aho fa hitalaho kosa ny famindrampon'ny mpitsara ahy.

16 Raha niantso ihany aho, ka namaly ahy aza izy, dia tsy ho nino aho fa nekeny ny fitalahoako.

17 Mamely ahy amin'ny tafiotra Izy ka mampitombo ny feriko tsy amin'antony.

18 Tsy avelany mba haka aina akory aho fa vokisany fahoriana mangidy kosa.

19 Raha hery no hampiasaina, mahery rahateo Izy; raha fitsarana indray, dia hoy Izy hoe: "Zovy no sahy hitory Ahy ?"

20 Na marina aza ny ahy, dia hodisoin'ny vavako ihany; ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia ho lazainy meloka ihany.

21 Eny, tsy manan-tsiny aho, nefa tsy mampaninona ahy izay fiainana, mankaloiloy ahy ny fisiako.

22 Iray ihany izany, ka hoy aho hoe: na ny tsy manan-tsiny na ny meloka dia samy aringan'Andriamanitra.

23 Raha tonga tampoka ny loza ka mahafaty ny tsy manan-tsiny, dia ihomehezan'Andriamanitra fotsiny ny fahoriana manjo azy ireo.

24 Raha mby eo an-tanan'ny olon-dratsy ny tany iray, dia tapenan'Andriamanitra ny mason'ny mpitsara. Fa raha tsy Izy no manao izany, dia mba ho iza kosa ary?

25 Nandeha faingana noho ny mpihazakazaka ny androko, ka nandositra tsy nahita hasambarana akory,

26 nisosa malaky toy ny lakan-jozoro, tahaka ny voromahery miantoraka amin'ny hazany.

27 Hoy aho anakampo hoe: aoka ho hadinoiko ny fahoriako, hatsahatro ny alaheloko ka ho miramirana aho.

28 Kanefa mbola mangovitra ihany aho noho ny fijaliana rehetra hanjo ahy, ary fantatro fa Andriamanitra dia tsy hanala tsiny ahy velively.

29 Satria aminy dia meloka hatrany aho, koa inona no hisahiranako hanamarin-tena?

30 Na dia handro amin'ny savony aza aho ka hanasa ny tanako amin'ny ranon-davenona,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9005