Jôba
Toko faha-6
4 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipikan'ny ilay Tsitoha, ka miely amin'ny tenako ny poiziny. Ary alahatr'Andriamanitra hamely ahy izay rehetra mety ho fampitahorana.5 Maneno ve ny borikidia, raha eo anoloan'ny ahi-maitso? Ary mimama ve ny omby, raha mihinam-bilona?
6 Azo hanina tsy misy sira ve ny sakafo matsatso? Ahitan-tsirony ve ny tapotsin'atody manta?
7 Tsy mahatelina ireo ny tendako, satria sakafo maharikoriko ahy.
8 Enga anie ka ho to ny faniriako ary hotanterahin'Andriamanitra ny fanantenako!
9 Ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy; hoesoriny anie ilay tanam-piarovany mba hahatapitra ny aiko.
10 Hibita-kafaliana aho na dia omba-ngirifiry mazana aza ary hahita fiononana ahay amin'ny hoe: tsy mba nandika ny didin'Andriamanitra masina.
11 Fa tsy manan-kery azoko antenaina aho; inona intsony no mbola iaretako, raha tsy misy tanjona iafarako!
12 Moa vato ve aho ka hahatanty ny zava-drehetra? Moa mafy toy ny halimo ve ny tenako?
13 Foana ilay fanampiana mba nandrandrain'ny tenako, fa nesorina tamiko izay mety ho famonjena ahy.
14 Tokony hiantran-tsakaiza ny olona efa ketraka, fandrao tsy hifikitra intsony amin'Andriamanitra Tsitoha izy.
15 Nanodoka ahy toy ny ranotrambo ny rahalahiko, dia tahaka ny mason-dranon-driaka malaky ritra.
16 Itosahan'ny rano matromatroka ny riaka, rehefa miempo ny ranomandry sy oram-panala any era;
17 fa nony tonga ny hafanambe, dia ritra ireny ranon-driaka ireny; ary nony midanika ny masoandro, dia manjavona ho azy am-pitoerana izy.
18 Izany no mampivily lalana ny andia-mpifindra lasy, ka irosoany any an-taniefitra sy mahavery azy.
19 Na andia-mpifindra lasy avy any Temana andia-mpandranto avy any Saba dia samy mitazana ny riaka ary samy manantena azy.
20 Diso fanantenana ireo satria samy nanampo, kanjo nangaihay nony tonga teo.
21 Efa toy izany ianareo izao ho an'ity sakaizanareo; hitanareo ny fahavoazako ka dia natahotra ianareo.
22 Efa nangata-panomezana taminareo ve aho na niangavy hahafoizanareo ampaham-pananana,
23 mba hamonjena ahy amin'ny tanan'ny fahavalo sy hanafaka ahy amin'ny vahohon'ny mpampahory?
24 Ampianaro aho fa vonona ny hangina ary ampahafantaro ahy ny nahadisoako.
25 Ny teny marina tsy mba mandratra; fa mba inona izay fanomezan-tsiny ataonareo?
26 Hanome tsiny ahy noho ny teniko ve ianareo? Kanefa natao ho entin-drivotra ireny tenin'olona mamoy fo ireny.
27 Ny kamboty aza moa ataonareo antoka loka; ary sahinareo amidy hatramin'ny sakaizanareo.
28 Ankehitriny mba meteza hijery ahy kely hahitanareo fa tsy mandainga aho akory.
29 Diniho indray ange ka aza mitsara tsy marina e! Eny, diniho indray fa hiharihary ny fahamarinako.
30 Misy fitaka ve izay nolazaiko? Sa izaho no tsy mahay manavaka ny ratsy?
Toko faha-7
1 Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan'ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron'ny mpikarama no mahamazana ny androny.2 Toy ny mpanompo mba maniry alokaloka izy na tahaka ny mpikarama miandry ny karamany.
3 Toy izany koa no nanjo ahy: am-bolana maro nahitam-pahoriana ary alina nifandimby nizakam-pijaliana.
4 Raha vao mandry aho, dia manao anakampo hoe: "Rahoviana aho no hifoha? "Fa tsy mety tapitra ny alina, ary mivadibadika aho mandra-maraina.
5 Olitra sy hatina mifangaro vovoka no mandrakotra ny tenako manontolo; miempaka sady mandeha nana ny hoditro.
6 Mandalo sy lany tsy misy fanantenana ny androko, eny, mandalo faingana noho ny famahanan-tenona.
7 Mba tsarovy, Andriamanitra o, fa tsio-drivotra miserana ny aiko; tsy hahita fahasambarana intsony ny masoko.
8 Ny masonao izay nijery ahy dia tsy hahita ahy intsony; rehefa hizaha ahy ianao, dia tsy ho eo intsony aho.
9 Ny rahona, rehefa misava, dia levona: toy izany koa izay midina any an-toeran'ny maty dia tsy mba hiakatra avy any intsony.
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
11 Koa tsy hamehy vava hangina intsony aho, fa misefosefo mafy ka tsy maintsy hiteny ary tezitra anaty ka voatery hitaraina.
12 Moa ve Ranomasimbe aho sa Dragon-dranomasina no dia ataonao tsara ambina, Andriamanitra o?
13 Raha ilay mandry eo am-parafara iny aho ka mba manantena hahita fitoniana sy fampiononana,
14 dia tonga Ianao mampitahotra ahy amin'ny nofiratsy, ary mampihorohoro ahy amin'ny fahitana.
15 Ka dia aleoko kendainao ho faty toy izay mitofezaka misarin-karana.
16 Tsy tantiko intsony, fa tsy ho velona ela aho. Zava-poana ihany ny androm-piainako! Koa avelao hilamina amin'izao aho.
17 Inona moa ny olona no dia omenao lanja lehibe ka andrianin'ny fonao aoka izany ?
18 Tonga mitsidika azy isa-maraina Ianao sady mizaha toetra azy tsy an-kiato.
19 Rahoviana no hitsahatra ny fijerenao ahy mba hamelanao ahy vetivety hitelin-drora?
20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpiambina ny olombelona o? Nahoana no dia nataonao lasibatra aho? Efa tonga enta-mavesatra ho Anao ve aho?
21 Nahoana no tsy avelanao ny fahadisoako ary tsy esorinao ny heloka vitako? Fa indro efa ho faty aho ka handry eo amin'ny vovoka; ary hitady ahy fatratra Ianao saingy efa tsy izy intsony aho amin'izay.
Toko faha-8
1 Dia nandray fitenenana i Bildada avy any Soha ka nanao tamin'i Joba hoe:2 Hafiriana no mbola hitenenanao toy izany? Ary mandra-pahoviana ny teny aloaky ny vavanao no hisafotofoto tahaka ny rivo-mahery?