Estera
Toko faha-4
16 Ndeha vorio ary ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin'ny amperora aho, na dia tsy ara-dalana aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!17 Dia lasa i Mordokay nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.
Toko faha-5
1 Rehefa tapitra ny andro fahatelo nifadian-kanina, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjakavavy azy i Estera ka niseho teo amin'ny kianja anatin'ny lapa, teo anoloan'ny efitranon'ny amperora. Tamin'izay ny amperora dia tao an-dapa sady nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany, tandrifin'ny varavarana fidirana.2 Nony hitan'ny amperora nitsangana teo an-kianja i Estera mpanjakavavy, dia nahazo fitia teo imasony ka notondroiny tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany; dia nanatona kosa i Estera ka nanendry ny loha-tehina,
3 ary nanontanian'ny amperora hoe: Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
4 Dia novalian'i Estera hoe: Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin'i Hamana anio ho tonga amin'ny fanasana izay efa nomaniko ho anao.
5 Koa nampanantsoin'ny amperora faingana i Hamana mba hanaiky ny fiangavian'i Estera. Dia nankao amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera ny amperora mbamin'i Hamana.
6 Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperora tamin'i Estera: Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
7 Dia namaly i Estera ka nanao hoe: Ny angatahiko sy tadiaviko ve?
8 Izao no izy, ry andriamanjaka: raha mba mahazo fitia eo imasonao aho, ka sitrakao ny hanome izay angatahiko sy hanatanteraka izay tadiaviko, dia aoka ianao miaraka amin'i Hamana ho tonga amin'ny fanasana izay homaniko ho anao rahampitso; amin'izay aho no hamaly ny fanontanianao.
9 Tamin'io andro io i Hamana dia nivoaka ny tranon'i Estera tamin-kafaliana sy haravoam-po. Saingy, teo am-bavahadin'ny lapa, rehefa hitan'i Hamana fa tsy mba nitsangana na niraika teo anatrehany akory i Mordokay, dia feno fahatezerana taminy izy.
10 Kanefa nanindry fo ihany i Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka olona izy haka ireo sakaizany sy i Zeresa vadiny.
11 Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny hareny miavosa sy ny zanany maro mbamin'ny voninahitra rehetra nomen'ny amperora azy ka nanandratany azy ho ambonin'ireo andriambaventy sy mpandraharaha.
12 Dia hoy koa i Hamana hoe: I Estera mpanjakavavy aza dia tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny amperora ho amin'ny fanasana izay efa nomaniny androany; ary mbola nasainy hiaraka amin'ny amperora koa aho rahampitso.
13 Kanefa tsy mahafa-po ahy mihitsy izany rehetra izany, raha ny tenako no mbola mahita an'i Mordokay, ilay Jiosy, miasa eo am-bavahadin'ny lapa.
14 Dia hoy i Zeresa vadin'i Hamana sy ireo sakaizany rehetra taminy: Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin'ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordokay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin'ny amperora ho any amin'ny fanasana. Ary sitrak'i Hamana izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.
Toko faha-6
1 Tsy nahita tory ny amperora tamin'iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan'ireo amperora; ary novakina teo anatrehan'ny amperora izany.2 Ka hita voasoratra tao fa i Mordokay no nanambara ny amin'i Bigtana sy i Taresa, roa lahy anisan'ny tandapan'ny amperora, dia ireo mpiambina teo am-baravaran'ny efitranony kanefa nitady hamono an'i Kserksesa.
3 Ary hoy ny amperora hoe: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordokay noho izany? Fa novalian'ireo mpanompo mpikarakara ny amperora hoe: Tsy mbola nisy nomena azy.
4 Ary hoy indray ny amperora hoe: Iza no ao an-kianja ao? I Hamana kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin'ny amperora ny hanantonana an'i Mordokay amin'ilay hazo efa nomanina ho azy.
5 Ka hoy ny mpanompon'ny amperora hoe: Indro fa i Hamana no mitsangana ao an-kianja ao. Ary hoy ny amperora hoe: Asaovy miditra izy.
6 Dia niditra i Hamana ka nanontanian'ny amperora hoe: Inona no tokony hataoko amin'izay lehilahy iriko homem-boninahitray Nihevitra anakampo i Hamana fa tsy misy irin'ny amperora homem-boninahitra afa-tsy ny tenany,
7 ka dia namaly azy hoe: Ny amin'izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,
8 dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.
9 Hatolotra ny anankiray amin'ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin'ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan'ny tanana sady hiantso eo alohany hoe: Toy izao no ataon'ny amperora amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!
10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Alaonao faingana ary ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin'i Mordokay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin'ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.
11 Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamana, ka nampiakanjo an'i Mordokay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin'ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan'ny tanana sady niantso teo alohany hoe: Toy izao no ataon'ny amperora amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!
12 Ary niverina nankeo am-bavahadin'ny lapa i Mordokay; fa i Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13 Dia nitantaran'i Hamana ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: Raha taranaky ny Jiosy i Mordokay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
14 Mbola niresaka amin'i Hamana eo ry zareo no tonga ireo tandapa nirahin'ny amperora ka nitondra faingana an'i Hamana ho any amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera.
Toko faha-7
1 Dia lasa ny amperora sy i Hamana nankany amin'i Estera mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana faharoa.2 Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperora tamin'i Estera: Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.
3 Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe: Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko.
4 Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tahiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.
5 Dia nanontany an'i Estera mpanjakavavy ny amperora Kserksesa nanao hoe: Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?
6 Ka novalian'i Estera hoe: Io Hamana ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny amperora sy ny mpanjakavavy i Hamana.
7 Ary tezitra mafy ny amperora, dia niala teo amin'ny fanasana ho eny amin'ny zaridainan'ny lapa. I Hamana kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan'ny amperora azy ka nijanona nangataka tamin'i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy;
8 ary niankohoka teo am-parafaran'i Estera mihitsy aza i Hamana. Tamin'izay indrindra ny amperora no niverina avy teo an-jaridaina ho ao an'efitrano fanasana ka vaky vava hoe: Dia sahin'ilehio koa ve ny misavika ny mpanjakavavy, eto anatrehako, ato an-dapakoy Vantany vao niloa-bava ireo teny ireo ny amperora, dia nisy mpanompony nanarona ny tavan'i Hamana.
9 Fa i Harbona, anisan'ireo tandapa, dia nilaza tamin'ny amperora hoe: Ry andriamanjaka, i Hamana dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an'i Mordokay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana io hazo io, ka 25 metatra ny haavony. Dia hoy ny amperora hoe: Ahantony amin'io i Hamana!
10 Ary nahantona tamin'ilay hazo efa nomaniny hanantonana an'i Mordokay i Hamana. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran'ny amperora.
Toko faha-8
1 Androtr'io ihany dia nomen'ny amperora Kserksesa ho an'i Estera mpanjakavavy ireo fananan'i Hamana fahavalon'ny Jiosy. I Mordokay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin'ny amperora.2 Ary nesorin'i Kserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordokay. Ankoatra izany i Mordokay dia notendren'i Estera hitantana ireo fananan'i Hamana.
3 Dia niteny teo anatrehan'ny amperora indray i Estera sady niankohoka teo an-tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hanafoana ny loza notetehin'i Hamana taranak'i Agaga hamelezana ny Jiosy.
4 Ary notondroin'ny amperora tamin'ny tehim-bolamena i Estera, ka nitsangana sy nijoro teo anatrehany
5 ary nanao hoe: Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr'i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga. Nosoratan'i Hamana manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao.
6 Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?
7 Dia hoy ny amperora Kserksesa tamin'i Estera mpanjakavavy sy tamin'i Mordokay ilay Jiosy: Indro efa nahantona tamin'ny hazo i Hamana satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao.
8 Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin'ny anarako sy voatomboka tamin'ny peratro; kanefa manorata taratasy amin'ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratro izany.
9 Tamin'io andro io, andro faha-23 tamin'ny volana fahatelo na volana Sivana, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperora. Araka izay rehetra nandidian'i Mordokay no nanoratany taratasy ho an'ny Jiosy sy ny solotenan'ny amperora mbamin'ny governora sy mpitondra any amin'ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiopia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.
10 Nosoniavina tamin'ny anaran'ny amperora ireo taratasy ireo sy notombohina tamin'ny peratra tombokaseny ary dia nampitondraina iraka, mitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin'ny fiompian-tsoavalin'ny amperora.