NehemiĆ 

Toko faha-2

16 Tsy nahalala izay nalehako na izay nataoko ireo mpanapaka; fa, talohan'izao, dia tsy mbola nisy nilazako izany ireo Jiosy, na mpisorona na loholona na mpanapaka na olon-kafa mpiandraikitra ny asa.

17 Ary hoy aho taminy; Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan'i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!

18 Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan' Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain'ny amperora tamiko; ka hoy ireo hoe: Ndao ary isika hanorina ny tanana! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.

19 Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Horonita sy i Tobia ilay Hamonita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe: Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin'ny amperora angaha ianareo?

20 Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanana indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory aty Jerosalema!

Toko faha-3

1 Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin'ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin'ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin'ny tilikambon'ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela.

2 Teo an-kilan'ireo, ny mponin'i Jerikao no namboatra ny manda, ary nanarakaraka ireto indray i Zakora zanakalahin'i Imry.

3 Ny vavahadin'ny Trondro dia namboarin'ny terak'i Senaa: napetany ny sakamandimby, ary nalatsany ny lela-vavahady mbamin'ny hidiny sy barany.

4 Teo an-kilan'ireo no namboatra ny manda i Meremota zanakalahin'i Ona sy zafin'i Hakotsa; nanarakaraka azy i Mesolama zanakalahin'i Besekia sy zafin'i Mesezabela; ary nanarakaraka io indray i Tsadoka zanakalahin'i Bahana.

5 Teo an-kilan'i Tsadoka dia namboatra koa ny mponin'i Tekoa, nefa ny loholony tsy nety hofehezin'ireo mpiandraikitra ny asa.

6 Ny vavahadin'i Jesana dia namboarin'i Joiada, zanakalahin'i Pasea, sy i Mesolama, zanakalahin'i Besodia: napetak'izy roa lahy ny sakamandimby ary nalatsany ny lela-vavahady mbamin'ny hidiny sy barany.

7 Nanarakaraka ireo, dia i Melatia ilay Gibehonita sy i Jadona ilay Meronotita, mbamin'ny mponin'i Gibehona sy ny mponin'i Mitsepa no namboatra ny manda hatreo akaikin'ny trano fonenan'ny governora mpifehy ny faritra ety andafy andrefan'ny ony Eofrata.

8 Teo an-kilan'ireo no namboatra koa i Hoziela, zanakalahin'i Harahaia sady isan'ny mpanefy volamena, ary nanarakaraka azy i Hanania isan'ny mpanao zava-manitra: tafapaka amin'ny manda malalaka ny asa nanamafisan'izy roa lahy an'i Jerosalema.

9 Namboatra nanarakaraka azy i Refaia zanakalahin'i Hora sady komandin'ny antsasaky ny faritr'i Jerosalema.

10 Nanarakaraka io, dia i Jedaia zanakalahin'i Haromafa no namboatra ny manda tandrifin'ny tranony; ary teo an-kilan'io, dia i Hatosy zanakalahin'i Hasabneia.

11 Ny laniny hafa amin'ny manda misy ny tilikambon'ny Fatana kosa dia namboarin'i Malkia, zanakalahin'i Harima, sy i Hasoba zanakalahin'i Pahata-Moaba.

12 Nanarakaraka azy roa lahy, dia i Saloma zanakalahin'i Lohesy sady komandin'ny antsasaky ny faritr'i Jerosalema, no namboatra niaraka tamin'ny zanany vavy.

13 Ny vavahadin'ny Lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponin'i Zanoa: ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahady mbamin'ny hidiny sy barany; ireo koa no namboatra ny manda dimanjato metatra tafapaka amin'ny vavahadin'ny Fanariam-pako.

14 Ary ny vavahadin'ny Fanariam-pako dia namboarin'i Malkia zanakalahin'i Rekaba sady komandin'ny faritr'i Bety-Kerema: izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy barany.

15 Ny vavahadin'ny Loharano dia namboarin'i Salona zanakalahin'i Kola-Hoze sady komandin'ny faritr'i Mitsepa: izy no nandrafitra ny nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy barany; izy koa no namboatra ny manda manamorona ilay farihin'ny lakan-drano mankany amin'ny sahan'ny mpanjaka, ary tafapaka amin'ny ambaratonga midina avy any an-Tananan'i Davida.

16 Nanarakaraka an'i Saloma, dia i Nehemia, zanakalahin'i Hazboko sady komandin'ny antsasaky ny faritr'i Bety-Tsora, no namboatra ny manda ka tafapaka tandrifin'ireo fasan'i Davida sy ny dobo izay natao ary ny trano fonenan'ny miaramila maherifo.

17 Nanarakaraka an'i Nehemia, dia namboatra koa ny levita notarihin'i Rehoma zanakalahin'i Bany; ary teo an-kilan'ireo i Hasabia, komandin'ny antsasaky ny faritr'i Kehila, dia namboatra ny manda ho an'ny faritra feheziny.

18 Nanarakaraka azy dia namboatra koa ny levita namany notarihin'i Binoy zanakalahin'i Henadada sady komandin'ny antsasaky ny faritr'i Kehila;

19 ary teo an-kilan'ireo, i Hezera, zanakalahin'i Jesoa sady komandin'i Mitsepa, dia namboatra laniny hafa amin'ny manda, tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny fitehirizam-piadiana eo amin'ny zoro.

20 Nanarakaraka azy dia i Baraka, zanakalahin'i Zabay, no nazoto namboatra laniny hafa manomboka eo amin'ny zoro ka miafara amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisorombe;

21 ary teo ankilan'io i Meremota, zanakalahin'i Oria sy zafin'i Hakotsa, dia namboatra laniny hafa manomboka eo amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka tafapaka amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.

22 Nanarakaraka an'i Baroka, dia namboatra ny manda koa ny mpisorona avy amin'ny manodidina an'i Jerosalema.

23 Teo ankilan'ireo dia i Benjamina sy i Hasoba no namboatra laniny tandrifin'ny tranony ihany; ary nanarakaraka azy dia nisy namboarin'i Hazaria zanakalahin'i Mahaseia sy zafin'i Hanania, ny teo anilan'ny tranony.

24 Nanarakaraka io, dia i Binoy zanakalahin'i Henadada kosa no namboatra ny laniny hafa manomboka eo amin'ny tranon'i Hazaria ka miafara amin'ny fiolahana eo an-jorony.

25 Teo an-kilan'i Binoy, dia namboatra koa i Palala zanakalahin'i Ozay manomboka eo amin'ny zoro ka miafara amin'ny tilikambo ambony eo alohan'ny tranon'ny mpanjaka sady eo akaikin'ny tokotanin'ny Fonja. Nanarakaraka azy dia i Pedaia, zanakalahin'i Parehosy,

26 sy ireo mpanampy ny levita nitoetra tao Hofela no namboatra laniny tafapaka amin'ny tilikambo mandroso, izany hoe eo atsinanan'ny Vavahadin-drano.

27 Nanarakaraka ireo, ny mponin'i Tekoa dia namboatra laniny hafa manomboka eo an-tandrifin'ny tilikambo lehibe mandroso ka miafara amin'ny mandan'i Hofela.

28 Manomboka eo amin'ny vavahadin-tsoavaly, dia samy namboatra ny manda tandrifin'ny tranony avy ny mpisorona.

29 Teo ankilan'ireo dia namboatra ny laniny tandrifin'ny tranony koa i Tsadoka zanakalahin'i Imera; nanarakaraka azy dia i Semahia zanakalahin'i Sekania sady mpiandry ny vavahady atsinanana no namboatra ny manda.

30 Nanarakaraka an'i Semahia, dia namboatra laniny hafa i Hanania, zanakalahin'i Selemia, sy i Hanona, fahenin'ny zanakalahin'i Tsalafa; nanarakaraka azy roa lahy, dia i Mesolama zanak'i Berekia no namboatra tandrifin'ny efitranony.

31 Teo ankilan'io, i Malkia isan'ny mpanefy volamena dia namboatra laniny tafapaka amin'ny tranon'ireo mpanampy ny levita sy ny tranon'ireo mpivarotra, izany hoe eo anoloan'ny vavahady Mifikada, ka miafara amin'ny trano fitiliana teo amin'ny zoron'ny manda.

32 Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra no namboatra ny laniny teo anelanelan'ny trano fitiliana sy ny vavahadin'ny Ondry.

33 Rehefa ren'i Sanebalato fa amboarinay indray ny manda, dia tezitra sady nisafoaka mafy izy; nihomehy anay Jiosy koa izy

34 sady niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Afaka hanamafy ny manda ve ry zareo ka hanolotra sorona amin'Andriamanitray Hahavita asa anio ihany ve ireo ka hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosay

35 I Tobia, ilay Hamonita, dia teo anilan'i Sanebalato ka niteny hoe: Na fosa iray aza no miakatra eo amin'ny manda atsangan'ireo, dia haharava izany!

36 Ary hoy aho hoe: Mihainoa, ry Andriamanitray, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno aminy re ny latsa afitsony anay, ary aoka izy ho voatebaka any amin'ny tany izay hamaboana azy.

37 Aza avela ny helony ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, satria Ianao efa notevatevainy teo anatrehan'ireo mpandrafitra.

38 Dia narafitray ihany ny manda ka voatsangana manontolo hatreo amin'ny antsasaky ny haavony; fa nazoto niasa ny olona.

Toko faha-4

1 Rehefa ren'i Sanebalato sy i Tobia mbamin'ny Arabo sy ny Hamonita ary ny Asdodita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan'i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.

2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema sy hanimba ny asa.

3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitray izahay sady nametraka mpiambina andro aman'alina hiatrehana sy hanoherana an-dry zareo.

4 Saingy hoy ny lehilahin'i Joda hoe: Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!

5 Ny fahavalonay kosa nihevitra fa tsy hahalala na hahita izahay, raha tsy tonga eo afovoanay izy ka mahafaty anay ary mampitsahatra ny asa.

6 Ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo fahavalonay ireo dia tonga nampandre anay impolo kely hoe: Hatraiza hatraiza no iavian-dry zareo hamely antsika!

7 Dia nasiako miaramila tamina toerana iva saingy voaaro, teo ivelan'ny manda; araka ny tarika nipoirany avy no nandaharako azy, samy nitana sabatra sy lefona ary tsipika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9741