Hezrà
Toko faha-8
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny amperora mba hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana; fa efa nilaza taminy manko izahay hoe: Momba izay rehetra mitady Azy ny fiarovan'Andriamanitray, fa ny fahatezerany kosa hamely mafy izay rehetra mahafoy Azy.23 Izany no nifadianay hanina sy nangatahanay ny hiarovan'Andriamanitra anay; ary nohenoiny vavaka izahay.
24 Avy eo dia nifidy 12 lahy tamin'ireo lohandoha-mpisorona aho ary koa nifidy an'i Serebia sy i Hasabia mbamin'ny levita folo lahy namany.
25 Nolanjaiko teo anatrehan'izy 24 lahy ny volafotsy sy volamena ary fanaka horaisiny, dia ny zavatra natokana ho an'ny tranon'Andriamanitray ka naterin'ny amperora sy ny mpanolotsainy sy ny manampahefana ary ny Israelita rehetra vory teo.
26 Eny, nolanjaiko hatolotra an'ireo mpisorona sy levita ireo ny volafotsy roa alina kilao,
27 ny koveta volamena roapolo milanja valo kilao, ary ny fanaka varahina anankiroa sarobidy toy ny fanaka volamena satria vita varahina manganohano.
28 Ka hoy aho tamin'ireo mpisorona sy levita ireo: Tahaka ny maha voatokana anareo ho an'ny TOMPO no maha voatokana an'ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an'ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo.
29 Koa tandremo tsara ireo mandra-pahatonga any Jerosalema, ary lanjao eo anatrehan'ny lohandohany amin'ny mpisorona sy levita ary eo anatrehan'ny loham-pianakaviana, ao amin'ny efitrano fanaovana izany ao an-tranon'ny TOMPO.
30 Dia noraisin'ireo mpisorona sy levita ireo izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba hoentiny any Jerosalema, ho ao an-tranon'Andriamanitray.
31 Tamin'ny andro faha-13, volana voalohany, no nialanay teo amin'ny lakan-dranon'i Ahava mba hankany Jerosalema; ary nomban'ny fiarovan'Andriamanitra izahay teny an-dalana ka novonjeny tamin'ny famelezan'ny fahavalo sy mpanotrika.
32 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra telo andro.
33 Tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy volamena ary fanaka, alohan'ny hanolorana azy an'i Meromota mpisorona, zanakalahin'i Oria, izay nampian'i Elehazara, zanakalahin'i Pinehasa, ary koa ny levita anankiroa, dia i Jozabada zanakalahin'i Jesoa, sy i Nohadia zanakalahin'i Binoy.
34 Voaisa sy voalanja avokoa ny zavatra rehetra, ka natao an-tsoratra androtr'izay ihany ny tontaliny.
35 Izay rehetra niverina avy any an-tsesitany dia nanolotra sorona ho an'Ilay Andriamanitr'i Israely. Ka tamin'ny anaran'i Israely tsivakivolo no nanolorany ombilahy 12 sy ondrilahy 96 ary zanakondry 77 ho sorona dorana manontolo, sady nanolorany osilahy 12 ho sorona fanalana ny ota: natao sorona nolevonina manontolo ho an'ny TOMPO izany rehetra izany.
36 Avy eo dia natolotray an'ireo solotenan'ny andriamanjaka sy ireo governoran'ny faritra aty andafy andrefan'ny ony Eofrata ny didin'i Artakserksesa; ka nampian-dry zareo ny vahoaka israelita sy ny tranon'Andriamanitra.
Toko faha-9
1 Taorian'izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben'ny Israelita ka nanao hoe: Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin'ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon'ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamonita sy Moabita, ary ny Ejiptianina sy Amorita.2 Ny zanakavavin'ireo manko no nalain'ny lehilahy israelita ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy, hany ka ny taranaka masina no miharoharo amin'ny valovotaka; ary ny lehibe sy mpifehy mihitsy aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
3 Vao nandre izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro; ary nipetraka tahaka ilay torana iny aho,
4 ka mbola tafapetraka toy izany ihany mandra-pahatongan'ny fotoana fanolorana ny sorona hariva. Dia nivory teo amiko izay rehetra fatra-panaja ny tenin'Ilay Andriamanitr'i Israely ny amin'ny fahadisoan'ireo Jiosy efa tafaverina avy any an-tsesitany.
5 Tamin'ny fotoana fanolorana ny sorona hariva indrindra vao nody ny aiko, ka tafarina aho; dia mbola amin'ireto lambako sy akanjoko triatra ireto aho no nandohalika sy nanandra-tanana ho amin'ny TOMPO Andriamanitro
6 ka nivavaka nanao hoe: Andriamanitro o, menatra sy mangaihay loatra aho; ka tsy sahiko ny miandrandra aminao, ry Andriamanitro o, satria efa nihamaro sady niavosa mihoatra ny lohanay ny helokay ary lehibe manakatra ny lanitra ny fahotanay.
7 Eny, hatramin'ny andron'ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.
8 Kanefa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray o, no fotoanandro nanehoanao famindrampo taminay, ka navelanao ho nisy sisa afaka izahay ary hiorim-ponenana eto amin'ity faritrao masina ity; dia nampamirapiratinao ny masonay ary nataonao velombelona kely ny ainay ao anatin'izao fahandevozanay izao.
9 Eny, ry Andriamanitray o, nandevozina izahay nefa tsy nafoinao na dia izany aza. Notarihinao ny amperoran'i Persia hamindrafo aminay; ka namelombelomany ny ainay izany, nahazoanay nanao ny tranonao sy nanamboatra ny rava, ary nanomezany anay fonenana voaaro eto Jerosalema sy eran'i Joda.
10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray o, inona no holazainay amin'izany? Efa nafoinay ny didinao,
11 dia ireo didy nampilazainao ny mpaminany mpanomponao. Nampitandrina Ianao hoe: Ny tany, izay efa hidiranareo ho fanananareo, dia maloto satria manenika azy hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy zava-maharikoriko fanaon'ireo firenena tompon-tany.
12 Koa aza manome ny zanakavavinareo ho vadin'ny zanakalahiny, na maka ny zanakavaviny ho vadin'ny zanakalahinareo. Aza mitady izay hampiadana azy na hahasoa azy na oviana na oviana; izany no handrosoanareo ho mahery ka hiarananareo amin'ny voka-tsoan'izany tany izany sy hamelanareo azy ho lovan'ny taranakareo hatrany hatrany.'
13 Ry Andriamanitray o, na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsy sy fahotana vitanay, dia tsy nanafay anay araka ny helokay Ianao fa mbola namela anay hisy sisa afaka toy izao ihany.
14 Ahoana ary no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin'ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavakay
15 Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin'izao anio izao; indreto izahay vesaran'ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.
Toko faha-10
1 Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin'ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.2 Tamin'izany no niteny i Sekania, zanakalahin'i Jehiela sady anisan'ny taranak'i Helama, ka nanao tamin'i Hezra hoe: Efa nanao izay mahadiso amin'Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan'ireo mponin'ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an'i Israely.
3 Aoka hifanaiky amin'Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson'izay fatra-panaja ny didin'Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalanany tokoa izany!
4 Mitsangana fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!
5 Dia nitsangana i Hezra ka nampianiana ny lohandohan'ireo mpisorona levita sy ireo filohan'ny Israelita hanao araka izany tolokevitr'i Sekania izany; ary dia nianiana ireo.
6 Taorian'izay i Hezra no niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra ka nankany amin'ny efitranon'i Johanana zanakalahin'i Eliasiba ary nitoetra tao; saingy tsy nety nihinan-kanina sy nisotro rano izy satria nalahelo tokoa noho ny fahadisoan'ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany.
7 Dia nisy teny nalefa eran'i Jerosalema sy i Joda ho an'ireo Israelita tafaverina avy any an-tsesitany mba hivory ao Jerosalema;
8 ary na iza na iza tsy tonga anatin'ny telo andro, araka ny tenin'ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan'ny fiangonana israelita izy.
9 Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon'ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'i Joda sy i Benjamina; ary nipetraka teo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be.
10 Dia nitsangana i Hezra ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy israelita, efa nanao izay mahadiso tokoa ianareo satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahotan'ny firenentsika.
11 Koa samia ianareo miaiky heloka amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo sy manao ny sitrapony; ary misaraha amin'ny valovotaka mponin'ity tany ity sy amin'ny vehivavy hafa firenena nalainareo ho vady.
12 Dia namaly ny olona rehetra tafangona teo ka niredona mafy hoe: Marina ny anao! Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay.
13 Nefa maro izahay ary ny andro manorana ka tsy mahatoetra eto alatrano izahay; sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao; fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany.
14 Koa aoka ny lehibentsika no hisolo toerana ny fiangonana manontolo; dia ny Israelita rehetra izay efa nanambady vehivavy hafa firenena no aoka hankaty amin'ny fotoanandro homena azy, miaraka amin'ny loholona sy mpitsara isan-tananany avy. Hotontosainay mihitsy izany raharaha izany mandra-pialan'ilay fahatezeran'Andriamanitsika mirehitra amintsika.
15 I Jonatana zanakalahin'i Hasahela sy i Jahizeia zanakalahin'i Tikva no hany nanohitra izany hevitra izany; ary niandany taminy koa i Mesolama sy ilay levita atao hoe Sabetahy.
16 Fa ny Israelita hafa avy any an-tsesitany dia nanaraka izany avokoa. I Hezra mpisorona kosa nifidy lehilahy izay loham-pianakaviana araka ny tarika isany avy, sady samy voatonona anarana tsirairay; ka ireo lehilahy ireo no nipetraka handamina izany raharaha izany tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafolo.
17 Ka ny andro voalohany, tamin'ny volana voalohan'ny taona manaraka, vao vita lamina ny raharaha ny amin'ireo lehilahy rehetra naka vehivavy hafa firenena ho vady.
18 Tamin'ireo taranaky ny mpisorona dia nisy naka vehivavy hafa firenena ho vady, ka ireto avy: tamin'ny taranak'i Jesoa mirahalahy avy, zanakalahin'i Jotsadaka, dia ry i Mahaseia sy i Elihezera ary i Jariba sy i Gedalia;
19 nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;
20 tamin'ny taranak'i Imera, dia ry i Hanany sy i Zebadia;