Hezrà
Toko faha-6
22 Tamim-pifaliana no nanaovan'ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperora hamindrafo amin'ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin'ny asa momba ny tranon'Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr'i Israely.
Toko faha-7
1 Taty aoriana, tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa amperoran'i Persia, no nipoiran'i Hezra. Io Hezra io dia zanakalahin'i Seraia sy zafin'i Hazaria sy zafiafin'i Hilkia2 sy zafin-dohalik'i Saloma sy zafin-kitrokelin'i Tsadoka sy zafim-paladian'i Ahitoba
3 ary zafin-dorian'i Amaria, dia i Amaria zanakalahin'i Hazaria sy zafin'i Meraiota
4 sy zafiafin'i Zerahia sy zafin-dohalik'i Hozy sy zafin-kitrokelin'i Boky
5 sy zafim-paladian'i Abisoa ary zafin-dorian'i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin'i Elehazara sy zafin'i Aharona mpisorombe.
6 Niakatra avy tany Babilona i Hezra; mpahay lalana izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalana izay nampitain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'i Mosesy. Nomen'ny amperora an'i Hezra avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nomban'ny herin'Ilay TOMPO Andriamaniny.
7 Tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa no nisy Israelita niverina tany Jerosalema, dia mpisorona sy levita mbamina mpihira sy mpiandry varavarana ary mpanampy ny levita.
8 Niaraka tamin'ireo i Hezra ka tonga tany Jerosalema tamin'ny volana fahadimin'io taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa io.
9 Ny andro voalohan'ny volana voalohany no niaingan'i Hezra avy tany Babilona; ary ny andro voalohan'ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nomban'Andriamanitra azy.
10 I Hezra manko dia efa niorim-po hianatra ny lalanan'ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny.
11 Izao no kopian'ilay taratasy nomen'i Artakserksesa an'i Hezra mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny antsipirian'ireo didy aman-dalan'ny TOMPO ho an'i Israely:
12 Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan'ny mpanjaka, ity taratasy ho an'i Hezra mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalanan'Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns...
13 Manao didy aho fa na iza na iza Israelita eto amin'ny fanjakako, na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, no te hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14 Fa izaho sy izy fito lahy mpanolotsaiko dia maniraka anao any Jerosalema sy any Joda mba handinika raha mifanaraka amin'ilay lalanan'Andriamanitrao izay any an-tananao ny toetran'ny Jiosy.
15 Irahinay koa ianao hitondra ny volafotsy sy volamena izay efa sitrako sy sitrak'ireo mpanolotsaiko nomena ho an'Ilay Andriamanitr'i Israely Izay ao Jerosalema no fonenany;
16 ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran'ny faritr'i Babilona, miaraka amin'ny fanomezana an-tsitrapo aterin'ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an'ny tranon'Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.
17 Koa himasoanao ny hividy amin'io vola io ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry mbamin'izay ilaina hatao fanatitra hohanina sy fanatitra araraka; dia haterinao eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo any Jerosalema ireny.
18 Izay heverinao sy ny Israelita mpiara-dia aminao hatao amin'ny volafotsy sy volamena sisa dia ataovy araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
19 Ny fanaka nomena anao ho an'ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
20 Ary izay rehetra mbola hilaina ho an'io trano io ka tsy maintsy hiantsorohanao, dia ny tahirim-bolam-panjakana no hampandoavinao azy.
21 Izaho, Artakserksesa amperora, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan'ny ony Eofrata; iny i Hezra mpisorona, izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalanan'ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takiny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.
22 Hatolotrareo an'i Hezra hatramin'ny volafotsy 3400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.
23 Na inona na inona andidian'ilay Andriamanitry ny lanitra momba izany tranony izany, dia hotanterahina haingana mba tsy hiharan'ny fahatezerany amin'ny fanjakako sy amin'ny tenako ary amin'ny taranako.
24 Ampahafantarinay anareo mpitahiry harem-panjakana koa fa ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira sy mpiandry varavarana, ary ny mpanampy sy mpiasa hafa ao amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra na haba na sara.
25 Ary ianao, ry Hezra, araka ny fahendren'ny lalanan'Andriamanitrao izay eny an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara mba hitsara ny olona rehetra mahalala ny lalanan'Andriamanitrao amin'ny mponina any andafy andrefan'ny ony Eofrata; fa izay tsy mbola mahalala izany lalana izany kosa dia aoka hampianarinareo.
26 Ary na iza na iza tsy mety mankato ny lalanan'Andriamanitrao sy ny lalanan'ny amperora, dia aoka izy hotsaraina araka ny rariny ka hovonoina, na horoahina, na hosazina vola, na hatao am-ponja.
27 Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezra. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperora hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;
28 sady teo anatrehan'ny amperora sy ireo mpanolotsainy ary ny manampahefana rehetra manodidina azy koa no nanehoany fitiavana ahy. Ary nampaherezin'ny fiarovan'ny TOMPO Andriamanitro aho ka nahangona loholona israelita mba hiara-miverina amiko any an-tanindrazana.
Toko faha-8
1 Araka ny firazanany, dia ireto avy ny loham-pianakaviana niaraka tamiko niala tany Babilona ka niverina an-tanindrazana, tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Artakserksesa:2 I Geresona, avy amin'ny terak'i Pinehasa; i Daniela, avy amin'ny terak'i Itamara; i Hatosy, avy amin'ny terak'i Davida;
3 lehilahy iray anisan'ny zanak'i Sekania; i Zakaria mbamin'ireo namany 150 lahy samy avy amin'ny terak'i Parehosy;
4 i Eliohenay mbamin'ireo namany roanjato lahy, samy avy amin'ny terak'i Zerahia;
5 i Sekania, zanakalahin'i Jahaziela, mbamin'ireo namany telonjato lahy, samy avy amin'ny terak'i Zato;
6 i Hebeda, zanakalahin'i Jonatana, mbamin'ireo namany dimampolo lahy, samy avy amin'ny terak'i Hadina;
7 i Jesahia, zanakalahin'i Hatalia, mbamin'ireo namany fitopolo lahy, samy avy amin'ny terak'i Helama;
8 i Zebadia, zanakalahin'i Mikaela, mbamin'ireo namany valopolo lahy samy avy amin'ny terak'i Sefatia;
9 i Hobadia, zanakalahin'i Jehiela, mbamin'ireo namany 218 lahy, samy avy amin'ny terak'i Joaba;
10 i Selomita, zanakalahin'i Josifia, mbamin'ireo namany 160 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bany;
11 i Zakaria, zanakalahin'i Bebay, mbamin'ireo namany 28 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bebay;
12 i Johanana, zanakalahin'i Hakatana, mbamin'ireo namany 110 lahy, samy avy amin'ny terak'i Hazgada;
13 i Elifelety sy i Jehiela ary i Semahia, izy telo lahy tanora indrindra, mbamin'ireo namany 60 lahy, samy avy amin'ny terak'i Adonikama;
14 i Hotahy sy i Zaboda, mbamin'ireo namany 70 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bigvay.
15 Nangoniko teo amoron'ilay lakan-drano mankany Ahava ireo loham-pianakaviana rehetra ireo, ka nilasy teo nandritra ny telo andro izahay. Nony nandinika ny olona aho, dia nahita fa sarambabem-bahoaka sy mpisorona ry zareo fa tsy nisy levita na dia iray akory aza.
16 Ka dia nirahiko ry i Elihezera sy i Ariela, i Semahia, i Elnatana, i Jariba sy i Elnatana, i Natana sy i Zakaria ary i Mesolama izay samy loham-pianakaviana, mbamin'i Joiariba sy i Elnatana izay samy mpivaofy lalana;
17 nampitondraiko hafatra ho an'i Hidao loholona any Kasifia izy 11 lahy; ka nambarako azy izay teny holazaina amin'i Hidao sy ireo namany mpanampy ny Levita izay monina any Kasifia. Ny kendrena dia ny hitondran'izy 11 lahy aty aminay ireo olona ho mpandraharaha ao an-tranon'Andriamanitray.
18 Noho ny fiarovan'Andriamanitray, dia ireto avy ny olona azon'izy 11 lahy nentina ho aty aminay: i Serebia, olon-kendry anisan'ny tarik'i Mahely sady taranak'i Levy zanakalahin'i Jakoba, mbamin'ireo zanany sy mpiray tampo aminy, izany hoe lehilahy 18;
19 i Hasabia sy i Jesahia, anisan'ny tarik'i Merary, mbamin'ireo mpiray tampo aminy sy ny zanak'izy roa lahy, izany hoe lehilahy 20.
20 Nentin'ireto iraka koa ny lehilahy 220 notsongaina tamin'ireo mpanampy ny levita, dia ilay sokajin'olona notendren'i Davida sy ny loholona mba hanompo ny levita. Samy notononina anarana avokoa ireo lehilahy ireo.
21 Teo amoron'io lakan-dranon'i Ahava io, dia nanainga anay rehetra hanao fifadian-kanina aho mba hietrenay tena eo anatrehan'Andriamanitray sy hangatahanay Azy hahatsara dia anay sy ny vady aman-janakay omban'ny fanananay rehetra.