NehemiĆ 

Toko faha-7

53 i Bakboko, i Hakofa, i Harahora,

54 i Batselita, i Mehida, i Harsa,

55 i Barkosa, i Sisera, i Tema,

56 i Netsia ary i Hatifa.

57 Ny amin'ireo mpanompon'i Salomona koa dia ny terak'ireto olona manaraka ireto: i Sotahy, i Sofereta, i Perida,

58 i Jahala, i Darkona, i Gidela,

59 i Sefatia i Hatila, i Pokereta-Tsebaima ary i Amona.

60 Ny tontalin'ireo mpanampy ny levita sy ireo mpanompon'i Salomona dia nisy lehilahy 392.

61 Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsa na niainga avy tany Keroba-Adona sy Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,

62 dia ny taranak'i Delaia sy i Tobia ary i Nekoda; miisa 642 ireo lehilahy ireo.

63 Nisy tamin'ireo mpisorona koa niharan'izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak'i Hobaia sy i Hakotsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin'i Barzilay izay avy any Gilehada).

64 Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.

65 Noraran'ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin'ny alalan'i Orima sy Tomima.

66 Nisy olona 42360 no tontalin'ny Israelita tafangona.

67 Niaraka taminy koa ny mpanompo lahy sy vavy miisa 7337, ny mpihira lahy sy vavy miisa 245;

68 ankoatra ireo ny rameva miisa 435 ary ny boriky miisa 6720.

69 Nisy loham-pianakaviana sasantsasany nanao fanomezana ho an'ny asa fanorenana ny tempoly. Ny governora nanome volamena valo kilao sy lovia famafazana dimampolo ary fanamiam-pisoronana telopolo ho an'ny rakitry ny tempoly.

70 Ny fanomezan'ireo loham-pianakaviana dia volamena 168 kilao sy volafotsy 1100 kilao ho an'ny rakitra hanaovana ny asa.

71 Ny vahoaka israelita sisa kosa dia nanome volamena 168 kilao sy volafotsy arivo kilao ary fanamiam-pisoronana 67.

72 Samy nipetraka teny amin'ny tananany avy ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpanampy levita, ary ny Israelita hafa rehetra. Nony tonga ny volana fahafito, ireo vahoaka israelita, rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin'ny tananany avy, 

Toko faha-8

1 Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano no nivoriany tamin'ny andro voalohan'io volana io. Nasain'ny vahoaka nalain'i Hezra mpahay Lalana ny bokin'ny Lalan'i Mosesy, izay nandidian'ny TOMPO an'ireo Israelita. Dia nentin'i Hezra mpisorona izany ho eo anatrehan'ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 

3 Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan'ny mitataovovonana, dia teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano i Hezra ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.

4 Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an'io fotoana io no nitsanganan'i Hezra mpahay lalana. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitia sy i Sema, i Hanaia sy i Oria ary i Hilkia sy i Mahaseia; teo ankaviany kosa ry i Pedaia sy i Misaela, i Malkia sy i Hasoma, i Hasbadana sy i Zakaria ary i Mesolama.

5 Dia nanokatra ny boky teo imason'ny vahoaka rehetra i Hezra, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra.

6 Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezra; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: Amen! Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan'ny TOMPO.

7 Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita, ry i Jesoa sy i Bany, i Serebia sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hodia sy i Mahaseia, i Kelita sy i Hazaria, i Jozabada sy i Hanana ary i Pelaia, dia nampianatra ny vahoaka ny lalana.

8 Novakin'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalanan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakina.

9 Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin'ny lalana. Noho izany i Nehemia governora sy i Hezra mpisorona sady mpahay lalana ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin'izy rehetra hoe: Voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!

10 Dia hoy indray i Hezra tamin'ny vahoaka: Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an'ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin'ny TOMPO no herinareo.

11 Nampangina ny vahoaka rehetra koa ny levita ka nanao hoe: Mangina ianareo fa voatokana ho an'Andriamanitra ity andro ity!

12 Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an'ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.

13 Ny andro manaraka, dia nivory teo amin'i Hezra mpahay lalana ny loham-pianakaviana israelita rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika bebe kokoa ny tenin'ny lalana.

14 Dia hitany voasoratra tao amin'io lalana izay nampitain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy io, fa tokony hitoetra amina tranotomboka ny Israelita mandritra ny fankalazana ny Tranotomboka amin'ny volana fahafito.

15 Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an'i Jerosalema sy ny tanana rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan'oliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.

16 Dia nandeha naka rantsan-kazo ny Israelita ka samy nanao tranotomboka ho azy teo an-tampon-tranony na teo an-tokotaniny na teo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra na teo an-kalalahana akaikin'ny Vavahadin'ny Rano, na teo an-kalalahana akaikin'ny Vavahadin'i Efraima.

17 Eny, nanao tranotomboka sy nipetraka tao anatiny avokoa ny Fiangonana tsivakivolo, dia ireo olona tafaverina avy any an-tsesitany. Ary nisy fifaliana lehibe tokoa tamin'izany, satria tsy mbola nanao toy izany ny Israelita hatramin'ny andron'i Jesoa no mankaty.

18 Isan'andro isan'andro, hatreo amin'ny andro voalohan'io fankalazana io ka hatrany amin'ny andro farany, dia novakina ny teny tao amin'ny boky mirakitra ny lalanan'Andriamanitra. Naharitra fito andro ny fety; ary tamin'ny andro fahavalo dia nisy fanompoam-pivavahana famaranana nivorian'ny vahoaka, araka ny fanao.

Toko faha-9

1 Ny andro faha-24 tamin'izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany.

2 Niavaka tamin'ny olona rehetra hafa firenena ry zareo ka naka toerana mba hiaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

3 Ary nitsangana teo amin'ny toerany avy izy, dia novakina nandritra ny adiny telo ny teny tao amin'ny boky mirakitra ny lalanan'ny TOMPO Andriamaniny; nandritra ny adiny telo manaraka kosa dia niaiky heloka ireo sy niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO Andriamaniny.

4 Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebania, i Bony sy Serebia, ary i Bany sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazo natokana ho an'ny levita ka nitaraina mafy tamin'ny TOMPO Andriamaniny.

5 Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Bany sy i Hasabneia, i Serebia sy i Hodia, ary i Sebania sy i Petahia, izay samy levita, dia niteny hoe: Mitsangana ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! Hankalazaina anie, TOMPO o, ny anaranao malaza izay ambonin'ny fisaorana sy fiderana rehetra!

6 Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny habakabaka midadasika mbamin'ny kintana rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Ianao no mamelona ny voaary rehetra, ka iankohofan'ny tafiky ny lanitra.

7 Ianao no TOMPO Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nampiala azy tao Ora any Kaldea sy nanome anarana azy hoe Abrahama.

8 Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an'ny taranany ny tanin'ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amorita mbamin'ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.

9 Hitanao ny fahorian'ny razanay tany Ejipta sady renao ny fitarainany teo amoron'ny Ranomasin'ny Volotara;

10 dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao hamelezana ny Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olona rehetra teo amin'ny taniny, satria fantatrao fa nianjonanjona tamin'ny razanay ry zareo. Nahazoanao laza izany tahaka izay hita amin'izao anio izao.

11 Nosarahinao teo anoloan'ny razanay ny ranomasina ka nandeha teo afovoany nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa natsipinao tao amin'ny hantsana ka nilentika tahaka ny vato amin'ny rano lalina.

12 Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.

13 Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin'ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fepetra sy didy lavorary.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0638