Hezrà

Toko faha-2

46 i Hagabo, i Salmay, i Hanana;

47 i Gidela, i Gahara, i Reaia,

48 i Retsina, i Nekoda, i Gazama,

49 i Hoza, i Pasea, i Besay,

50 i Asna, i Mehonima, i Nefosima,

51 i Bakboko, i Hakofa, i Harahora,

52 i Batselota, i Mehida, i Harsa,

53 i Barkosa, i Sisera, i Tema,

54 i Netsia ary i Hatifa.

55 Ny amin'ireo mpanompon'i Salomona koa dia ny terak'ireto olona manaraka ireto: i Sotahy, i Sofereta, i Peroda,

56 i Jakala, i Darkona, i Gidela,

57 i Sefatia, i Hatila, i Pokereta-Tsebaima ary i Amy.

58 Ny tontalin'ireo mpanampy ny Levita sy ireo mpanompon'i Salomona dia nisy lehilahy 392.

59 Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsa na niainga avy tany Keroba sy Adana ary Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,

60 dia ny taranak'i Delaia sy i Tobia ary i Nekoda; miisa 652 ireo lehilahy ireo.

61 Nisy tamin'ireo mpisorona koa niharan'izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak'i Hobaia sy i Hakotsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin'i Barzilay izay avy any Gilehada).

62 Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.

63 Noraran'ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin'ny alalan'ny Orima sy Tomima.

64 Nisy olona 42360 no tontalin'ny Israelita tafangona.

65 Niaraka taminy koa ny mpanompo lahy sy vavy miisa 7337, ny mpihira lahy sy vavy miisa roanjato;

66 ankoatra ireo ny soavaly miisa 736, ny mole miisa 245,

67 ny rameva miisa 435 ary ny boriky miisa 6720.

68 Rehefa tonga tao an-tranon'ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay toerany taloha.

69 Nanome araka izay fari-pananany avy izy mba hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa: dia volamena 500 kilao, sy volafotsy 2800 kilao, ary fanamiam-pisoronana zato.

70 Samy nipetraka teny amin'ny tanana nasaina hipetrahany avy ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpihira na mpiandry varavarana na mpanampy ny levita; fa ny Israelita hafa rehetra kosa dia samy nonina tao an-tananany avy.

Toko faha-3

1 Nony tonga ny volana fahafito, ireo Israelita rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin'ny tananany avy, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray ihany.

2 Tamin'izay i Jesoa, zanakalahin'i Jotsadaka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerobabela, zanakalahin'i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran'Ilay Andriamanitr'i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin'ny lalanan'i Mosesy, olon'Andriamanitra.

3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin'ny Israelita teo amin'ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.

4 Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan'andro araka izay voafetra hatao isan'andro.

5 Taorian'izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin'ny voaloham-bolana na amin'ny fankalazana rehetra voatokana ho an'ny TOMPO ary koa ny avy amin'izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.

6 Amin'izao andro voalohan'ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO.

7 Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidonianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dalana nomen'i Kirosa amperoran'i Persia no nanaovan'ny Israelita izany.

8 Ary tamin'ny volana faharoan'ny taona faharoa nahatongavany teo amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin'i Jotsadaka mbamin'ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian'izao asa amin'ny tranon'ny TOMPO izao;

9 ary niray hina nijoro ho tonian'ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak'i Hodavia mbamin'ny taranany avy, ireo zanakalahin'i Henadada mbamin'ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.

10 Nony nandatsaka ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trompetra ary koa ny levita terak'i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian'i Davida mpanjakan'i Israely.

11 Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak'i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an'i Israely! Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon'ny TOMPO.

12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr'izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.

13 Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian'ny andaniny sy ny feo fitomanian'ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.

Toko faha-4

1 Ren'ny valovotaka, fahavalon'ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamina, fa manorina tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.

2 Dia nanatona an'i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin'ny andron'i Esara-Hadona, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho aty.

3 Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin'ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: Tsy misy ilanay anareo amin'ny fanorenana trano ho an'ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, araka ny didy efa navoakan'i Kirosa amperoran'i Persia.

4 Tamin'izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.

5 Novidiny vola aza ny mpanolotsain'ny amperora mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin'ny andron'i Kirosa amperoran'i Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosa amperoran'i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.

6 Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon'ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran'i Joda.

7 Tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa amperoran'i Persia, dia nanoratra taratasy ho azy ry i Bislama sy i Mitredata ary i Tabeela mbamin'ireo namany hafa; ka tarehin-tsoratra aramianina sy fiteny aramianina no nanaovany an'ilay taratasy.

8 I Rehoma governora sy i Simsay mpitantsorany dia nanoratra taratasy anankiray koa ho an'ny amperora Artakserksesa ny amin'i Jerosalema. Toy izao no fanombohan'izany:

9 Avy amin'i Rehoma governora sy amin'i Simsay mpitantsoratra ary avy amin'ireo namany hafa mifehy ny valovotaka: dia ny Dinaita sy Afarsatekita ary Tarpelita, ny Afarsaita sy Arkevita ary Babilonianina, ny Sosanita sy Dehavita ary Helamita,

10 mbamin'ny firenena hafa nafindran'i Asnapara mpanjaka lehibe sady malaza, ka namponeniny tamin'ireo tananan'i Samaria na tamin'ny toerana sisa aty andafy andrefan'ny ony Eofrata,...

11 Izao kosa no kopian'ilay taratasy nalefany ho an'ny amperora Artakserksesa: Voninahitra ho anay mpanomponao aty andafy andrefan'ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.

12 Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankaty aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanana mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9644