2 Tantara

Toko faha-2

10 Dia hoy i Hirama, mpanjakan'i Tiro, tamin'ny taratasy nalefany ho an'i Salomona: "Fitiavan'ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany."

11 Hoy koa i Hirama: "Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an'ny TOMPO sy lapa ho an'ny tenany.

12 Ankehitriny, indro irahiko aty aminao ny lehilahy anankiray manampahaizana sady mahira-tsaina, dia i Horama-Aby

13 zanaky ny vehivavy danita sy lehilahy tirianina. Izy io dia mahay miasa volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary koa vato sy hazo, mahay mamboatra lamba jaky sy volompara sy ary menamena sy lamba rongony fotsy, mahay ny karazan'asa sokitra rehetra sady mahay mamolavola tetikasa amin'ny zavatra rehetra asaina ataony; ka dia hiara-miasa amin'ny mpahaikanto anananao sy nananan'itompokolahy Davida rainao izy.

14 Ny varimbazaha sy ny vary orza ary ny menaka sy ny divay izay nolazainao, ry andriamanjaka, dia aoka hampanaterinao ho aty aminay.

15 Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinka fona amin'ny ranomasina hatrany Jopa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema."

16 Dia nisain'i Salomona avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin'ny tanin'i Israely; araka ny nanisan'i Davida rainy azy , dia nisy 15300 izy ireo.

17 Ka ny 70 000 dia nataon'i Salomona mpitondra entana, ny 80 000 nataony mpipai-bato teny an-tendrombohitra, ary ny 3600 nataony mpifehy ireo mpiasa ireo.

Toko faha-3

1 Dia nanomboka nanao ny tranon'ny TOMPO tao Jerosalema i Salomona ka teo amin'ny tendrombohitra Moria , izay nisehoan'ny TOMPO tamin'i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin'i Davida tao amin'ny famoloan'i Ornana izay lehilahy jebosita.

2 Tamin'ny volana faharoan'ny taona fahefatra nanjakany no nanombohany nanorina ny tempoly.

3 Toy izao no refy naraikitr'i Salomona hanorenana ny tranon'Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra.

4 Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan'ny efitrano malalaka, dia nirefy dimy metatra ny sakany; ny lavany, izay nitovy refy tamin'ny sakan'ny tempoly, dia folo metatra; ary ny haavony koa dia folometatra. Nopetahana takela-bolamena madio ny rindrina tao anatin'io lalantsara io.

5 Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongalika.

6 Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaima.

7 Nopetahana takela-bolamena hatramin'ny rairainy sy ny tokonana ary ny rindrina sy ny lelava ravarana; ary nanaovany sary sikotra kerobima koa ny rindrina.

8 Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra ; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan'ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.

9 Ny fantsika volamena dia nilanja dimampolo sekela. Ary ireo efitrano tamboniny aza dia nopetahana volamena koa ny rindrina anatiny.

10 Tao amin'ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.

11 Nijoro tamin'ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin'ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin'ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany.

12 Roa metatra sy sasany ny fivelaran'ny elatra

13 ka ny halavan'ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra.

14 Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.

15 Dia nanao ireo andry roa teo anoloan'ny Toeramasina i Horama , ka 17metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony.

16 Nataony koa ny tongalika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon'ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin'ampongabendanitra zato ka nahantony tamin'ireo tongalika ireo.

17 Dia natsangany teo anoloan'ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin'ny ankavanana ary ny anankiray tamin'ny ankavia; ny anaran'ilay teo ankavanana dia Jakina, izany hoe "Andriamanitra mampiorina mafy", ary ny anaran'ilay teo ankavia dia Bohaza, izany hoe" Ao amin'Andriamanitra ny hery".

Toko faha-4

1 Dia nataon'i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.

2 Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo nonanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.

3 Tambanin'ny molotr'ilay fitobian-dranogoavana, tamin'ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarin'ombalahy folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana ireo nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin'ilay fitobian-drano.

4 Tambony sarin'ombilahy halimo 12 no nipetrahan'ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavanadia teo ambonin'ireo sarin'ombalahy izay nifampiamboho ireo.

5 Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 120 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.

6 Dia nanao ny koveta be halimo folo i Horama mba ho fanasan-tsorona , ka ny dimy napetraka teo amin'ny ankavanana, fa ny dimy teo amin'ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan'ny mpisorona.

7 Dia nanao ny fitoeran-jiro volamena folo, araka ny toromarika, i Horama ka napetrany tao amin'ny Toeramasina, dimy teo amin'ny ankavanana ary dimy teo amin'ny ankavia.

8 Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin'ny Toeramasina, dimy teo amin'ny ankavanana ary dimy teo amin'ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.

9 Ary nataony ny kianjan'ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin'ny lela vavahady izay nopetahana takelaka halimo.

10 Ilay fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin'ny lafiny havanana, teo amin'ny zorony atsimo atsinanana.

11 Rehefa vitan'i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an'i Salomona mpanjaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra:

12 ny andry anankiroa, ny koronosy boribory anankiroa teo an-tampon'ny andry, ny harato anankiroa nafono ny koronosy,

13 ny sarin'ampongabendanitra efajato nahantona tamin'ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana isaky ny harato.

14 Nataon'i Horama ny kalesy mbamin'ireo koveta be fametraka eo amboniny,

15 sy ilay fitobian-drano goavana mbamin'ny sarin'ombalahy 12 teo ambaniny,

16 ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin'ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon'i Horama-Aby ho an'i Salomona mpanjaka ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.

17 Tao amin'ny lohasahan'i Jordana no nasain'i Salomona narendrika tao amin'ny tany be tanimanga ireo kojakoja ireo, dia teo anelanelan'i Sokota sy i Tseredata.

18 Nampanao fitaovana maro dia maro i Salomona, hany ka tsy hay notombanana intsony izay lanjan'ny halimo nampiasaina.

19 Nampanaovin'i Salomona natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin'ny tranon'Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an'Andriamanitra ,

20 ny fitoeran-jiro mbamin'ny lelan-jiro hampirehetina eo anoloan'ny efitra masina indrindra, araka ny fomba, dia samy volamena madio avokoa,

21 ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran'izay tsara;

22 ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitaovam-panembohana, dia samy volamena madio; ny lela varavarana, na ny mankao amin'ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin'ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.

Toko faha-5

1 Rehefa vita ny asa rehetra nataon'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan' i Davida rainy ho an'Andriamanitra , dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin'ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon'Andriamanitra.

2 Tamin'izay fotoana izay dia novorin'i Salomona tao Jerosalema ny loholon'i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, avy ao TsionaTananan'i Davida hankao an-tempoly.

3 Ary tafavory teo amin'ny mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin'ny volana fahafito.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0062