2 Tantara
Toko faha-6
40 "Ankehitriny, Andriamanitro o, enga anie ny masonao hijery ary enga anie ny sofinao hihaino ny vavaka atao aminao eto amin'ity toerana ity.41 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, avia honina amin'ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran'ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra o, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!"
42 Ry TOMPO Andriamanitra o, aza lavinao ny vavak'ity mpanjaka voahosotrao; tsarovy ny fitahiana nampanantenainao an'i Davida mpanomponao."
Toko faha-7
1 Rehefa vitan'i Salomona izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin'ny sorom-pihavanana,ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.2 Ary tsy afa-niditra tao an-tranon'ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.
3 Nony hitan'ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin'ny tempoly, dia niankohoka nitehika ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: "Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany".
4 Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia nanao sorona teo anatrehan'ny TOMPO.
5 Ka omby 22000 sy ondry aman'osy 120000 no nataon'i Salomona mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
6 Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin'i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: "Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!", araka ny hira fiderana nasain'i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trompetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.
7 Tamin'izay no nanokanan'i Salomona ny afovoan'ny kianja manoloana ny tranon'ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran'ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin'i Salomona manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny jabora.
8 Fito andro no niarahan'i Salomona nankalaza ny fetin'ny Trano tomboka tamin'ny Israelita rehetra izay tafangona marobe , tonga avy amin'ny lafy valo hatreo Lebo-Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta.
9 Tamin'ny andro fahavalo no nanaovan'izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin'ny Trano tomboka.
10 Ary nony andro faha-23 tamin'ny volana fahafito dia nalefan'i hody any an-tranony avy ny olona;ary faly sy ravoravo ireo noho ny soa nataon'ny TOMPO tamin'i Davida sy tamin'i Salomona ary tamin'i Israely vahoakany.
11 Rehefa vitan'i Salomona ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy ho tontosaina tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapany,
12 dia nisehoan'ny TOMPO indray i Salomona nony alina, ka nilazany hoe:-Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity.
13 Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako;
14 kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.
15 Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity.
16 Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay;ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalanako,
18 dia hampaharitra ny seza fiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekem-pihavanana nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: "Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely."
19 Nefa kosa raha mivily ianareo ka mandao ny lalana sy ny didy izay napetrako teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
20 dia hongotako ianareo tsy ho amin'ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin'izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin'ny firenen-kafa rehetra.
21 Na dia avobe aza ity tempoly ity , dia hivarahontsana izay rehetra mandalo azy ka hanontany hoe: "Nahoana no dia nataon'ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?"
22 Ary hisy olona hamaly hoe: "Satria nilaozan'ny Israelita ny TOMPO Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin'andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan'ny TOMPO izao loza isan-karazany izao."
Toko faha-8
1 Nony afaka ny roapolo taona nanorenan'i Salomona ny tranon'ny TOMPO sy ny lapa ho an'ny tenany,2 dia namboariny ny tanana izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Israelita.
3 Dia nanafika an'i Hamata-Tsoba i Salomona ka naharesy azy.
4 Namboariny ny tananan'i Tadmora tany an-taniefitra sy ny tanana izay efa naoriny fahiny tao amin'ny faritr'i Hamata mba ho fitahirizam-bokatra.
5 Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany , izay samy tanana mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;
6 toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanana rehetra fitahirizam-bokatrana fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan'i Salomona avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny.
7 Mbola nisy sisa tavela teo amin'ny tany ireo antokon'olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amorita mbamin'ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan'ny Israelita.
8 Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak'ireo fa tsy naringan'ny Israelita, ka dia nampanaovin'i Salomona asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
9 Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin'i Salomona izany, fa narotsany ho miaramilana ho manamboninahitra na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.
10 Ary ny isan'ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin'i Salomona dia nisy 250 lahy izay nanam-pahefana tamin'ny olona mpiasa.
11 Nasain'i Salomona niakatra avy any an-tananan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin'ny Farao;fa hoy i Salomona anakampony hoe:"Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan'i Davida mpanjakan'i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran'ny Vatamasin'ny TOMPO."
12 Tamin'izay i Salomona dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan'ny vavahadin'ny Toeramasina.
13 Araka ny didin'i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan'andro i Salomona tamin'ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany ho eny fety fihinanana mofo tsy misy leviora,ny fetin'ny Pentekosta ary ny fetin'ny Trano tomboka.
14 Araka ny fandaharan'i Davida rainy, dia notendren'i Salomona ny antokon'ny mpisorona ho amin'ny fanompoany avy ary ny levita ho amin'ny raharahany, dia ny hidera ny TOMPO sy hanampy ny mpisorona amin'ny fanompoam-pivavahana fanao isan'andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin'ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian'i Davida olon'Andriamanitra azy.
15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny fitahirizan-drakitra.
16 Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain'i Salomona, hatramin'ny andro nanorenana ny tranon'ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon'ny TOMPO.
17 Tamin'izay i Salomona dia nankany Hetsiony-Gebera sy Elota eo amoron'ny Ranomasin'ny Volotara any amin'ny tany Edoma.
18 Dia nandefa sambo sy matilo mahay ranomasina i Hirama, tamin'ny alalan'ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin'ny tantsambon'i Salomona ho any Ofira ireo , ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an'i Salomona mpanjaka.
Toko faha-9
1 Nahare ny lazan'i Salomona ny mpanjakavavin'i Saba , ka avy hitsapa azy tamin'ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin'ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin'i Salomona ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.2 Voavalin'i Salomona avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka ireny fananomezany valinteny avokoa.
3 Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Saba ny fahendren'i Salomona sy ny trano izay naoriny,
4 ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salomona ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
5 ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:-Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny tenanao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filazan'olona aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita.
6 Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory;indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7 Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao,satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!