1 Tantara
Toko faha-29
8 Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersona , mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO.9 Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.
10 Dia nankalaza ny TOMPO teo imason'ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: -Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely razanay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay !
11 Anao, TOMPO o, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany! Ianao, TOMPO o, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan'ny zavatra rehetra.
12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.
13 Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray o, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.
15 Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin'olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay ety an-tany, ka tsy azo ianteherana.
16 Ry TOMPO Andriamanitray o, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra.
17 Fantatro, ry Andriamanitro o, fa mandinika ny ao am-pon'ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.
18 Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razanay o, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan'ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony,
19 ary omeo an'i Salomona zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.
20 Dia hoy i Davida tamin'ny olona rehetra tafangona teo: -Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain'izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO sy teo anatrehan'ny mpanjaka.
21 Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an'ny TOMPO, ny ampitson'iny: dia vantotr'ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak'ondry arivo, mbamin'ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.
22 Tamin'izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan'ny olona sy nisotroany teo anatrehan'ny TOMPO. Dia nanaovana fanambarana fanindroany ny maha mpanjaka an'i Salomona ka natolotra azy teo anatrehan'ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadoka.
23 Dia nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana nomen'ny TOMPO azy i Salomona mba ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy; sady nambinina izy ka nanaiky azy i Israely manontolo.
24 Samy nanaiky an'i Salomona mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny miaramila mahery fo ary na dia ny zanaka hafa rehetra naterak'i Davida aza.
25 Nasandratry ny TOMPO teo imason'i Israely manontolo ny lazan'i Salomona, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an'ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.
26 Nanjaka tamin'i Israely manontolo i Davida zanakalahin'i Jisay.
27 Efapolo taona no nanjakany: ka fito taona tao Hebrona ary 33 taona tao Jerosalema.
28 Efatratra antitra tsara sady voky andro sy heni-karena amam-boninahitra izy vao maty; ary i Salomona zanany no nanjaka nandimby azy.
29 Ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoe Asan'i Samoela mpaminany manam-pahitana sy Asan'i Natana mpaminany ary Asan'i Gada mpaminany manam-pahitana,
30 voatantara ao avokoa ny zavatra rehetra momba ny nanjakan'i Davida, sy ny asa nanehoany herimpo mbamin'ny zava-nitranga taminy sy tamin'i Israely ary tamin'ny fanjakana rehetra an-tany hafa.
2 Tantara
Toko voalohany
1 Ary i Salomona, zanakalahin'i Davida, nanamafy orina ny fahefana mahampanjaka azy; ary niaraka tamin'i Salomona ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin'ny ambony indrindra.2 Novorin'i Salomona ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon'andraikitra rehetra teo amin'i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.
3 Dia niara-niakatra ho any amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona i Salomona sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin'Andriamanitra, dia ilay nataon'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO tany an-taniefitra.
4 Ny Vatamasin'Andriamanitra moa dia efa nampakarin'i Davida avy tany Kiriata-Jeharima ho ao amin'ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.
5 Fa ny alitara halimo izay namboarin'i Betsalela zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora kosa dia teo anoloan'ny Fonena-masin'ny TOMPO tao Gibehona.Teo no nahatongavan'i Salomona sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.
6 Dia nandroso teo anatrehan'ny TOMPO i Salomona ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin'ny alitara halimo akaikin'ny Tranolay fihaonana.
7 Tamin'ny alina iny no nisehoan'Andriamanitra i Salomona ka nilazany hoe: -Angataho izay tianao homeko anao!
8 Dia hoy i Salomona tamin'Andriamanitra: -Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.
9 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy taminavahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.
10 Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao?
11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: -Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;
12 koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.
13 Dia niverina tany Jerosalema i Salomona rehefa niala teo amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin'i Israely izy.
14 Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salomona ka nanana kalesy 1400 ary mpitaingin-tsoavaly 12000 izay nisy natobiny tamin'ireo tanana fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.
15 Toy ny hamaroan'ny vatokely no nataon'ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy sy volamena tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan'ny aviavy any Sefela no nataony habetsaky ny hazo sedera.
16 Ny soavalin'i Salomona dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton'ny mpanjaka no nividy azy tany.
17 Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin'ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran'ireo mpandranto ireo ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ho an'ny mpanjakan'i Siria.
18 Nanapa-kevitra i Salomona fa hanao tempoly ho voninahitry ny TOMPO sy lapaho an'ny tenany.
Toko faha-2
1 Ary i Salomona nandray mpiasa 70000 ho mpitondra entana, 80000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3600 ho mpifehy azy ireo.2 Naniraka olona hankany amin'i Hirama mpanjakan'i Tiro i Salomona hanao hoe: "Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, izay nampanateranao hazo sedera hanaovany trano fonenana , no aoka hataonao amiko.
3 Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan'ny TOMPO sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin'ny sabata sy amin'ny voaloham-bolana ary amin'ny fetin'ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an'ny Israelita izany.
4 Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.
5 Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!
6 Ankehitriny ary, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin'ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin'ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin'ireo mpahaikanto eto amiko aty Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.
7 Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin'ny mpiasanao
8 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy, fa ny trano izay tiako hatao dia ho lehibe sy higagana.
9 Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary orza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon'ireo mpiasanao mpikapa hazo."