1 Tantara

Toko faha-24

7 Ny antsapaka voalohany dia azon'i Joiariba; ny faharoa, azon'i Jedahia,

8 ny fahatelo, azon'i Harima; ny fahefatra, azon'i Sehorima;

9 ny fahadimy, azon'i Malkia; ny fahenina, azon'i Miamina,

10 ny fahafito, azon'i Hakotsa; ny fahavalo, azon'i Abia;

11 ny fahasivy, azon'i Jesoa; ny fahafolo, azon'i Sekania,

12 ny faha-11, azon'i Eliasiba; ny faha-12, azon'i Jakima,

13 ny faha-13, azon'i Hopa; ny faha-14, azon'i Jesebaba;

14 ny faha-15, azon'i Bilga; ny faha-16, azon'i Imera,

15 ny faha-17, azon'i Hezira; ny faha-18, azon'i Hapitsetsa,

16 ny faha-19, azon'i Petahia; ny faharoapolo, azon'i Ezekiela;

17 ny faha-21, azon'i Jakina; ny faha-22, azon'i Gamola,

18 ny faha-23, azon'i Delaia; ny faha-24, azon'i Mahazia.

19 Izany no fitsinjarana ny taranak'i Aharona ho antokony amin'ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon'ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin'ny didy nomen'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no nampitan'i Aharona razambeny azy.

20 Ny amin'ireo levita sisa dia izao :Tamin'ny taranak'i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin'ny zanakalahin'i Sobaela dia i Jehedeia.

21 Tamin'ny zanakalahin'i Rehabia dia i Jisia no filohany.

22 Tamin'ny zanakalahin'i Jitsehara dia i Selomota; ary tamin'ny zanakalahin'i Selomota dia i Jahata.

23 Tamin'ny zanakalahin'i Hebrona dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo , i Jahaziela no fahatelo ary i Jekamehama no faralahy.

24 Ny zanakalahin'i Hoziela dia i Mika; ary tamin'ny zanakalahin'i Mika dia i Samira.

25 I Jisia no rahalahin'i Mika; ary tamin'ny zanakalahin'i Jisia dia i Zakaria.

26 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy ary i Jahazia.

27 Ny zafin'i Merary, tamin'i Jahazia zanany, dia i Sohama sy i Zakora ary i Hibry,

28 ny zafin'i Merary, tamin'i Mahily, dia i Elehazara (izay tsy nanan-janakalahy)

29 sy i Kisy (izay i Jerahimeela no isan'ny zanakalahiny).

30 Ny zanakalahin'i Mosy kosa dia i Mahily sy i Hedera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.

31 Toraka ireo rahalahiny, taranak'i Aharona, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin'ny antsapaka teo anatrehan'i Davida mpanjaka, teo anatrehan'i Tsadoka sy i Abimeleka, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny loham-pianakavian'ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian'ny zokiny na ny fianakavian'ny zandriny.

Toko faha-25

1 I Davida sy ny lehiben'ireo andiana levita voatokana ho an'ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak'i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona, ho mpampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra, omban'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan'ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:

2 Ny an'ny zanakalahin'i Asafa dia ry i Zakora sy i Josefa ary i Netania sy i Asarela. Ireo zanakalahin'i Asafa ireo dia notarihin'i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra araka ny fitarihan'ny mpanjaka.

3 Ny an'ny zanakalahin'i Jedotona dia ry i Gedalia sy i Tsery, i Jesahia sy i Simehy ary i Hasabia sy i Matitia. Izy enin-dahy ireo dia notarihin'i Jedotona rainy izay nampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra, omban'ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.

4 Ny an'ny zanakalahin'i Hemana dia ry i Bokia, i Matania, i Hoziela, i Seboela, i Jerimota, i Hanania, i Hanany, i Eliata, i Gidalty, i Romamty-Hezera, i Josbekasa, i Maloty, i Hotira, ary i Mahaziota.

5 Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Hemana izay isehoam-pahitana ka mampita amin'ny mpanjaka ireo tenin'Andriamanitra, mba hanandratana ny heriny. Ary zazalahy 14 sy zazavavy telo no efa nomen'Andriamanitra an'i Hemana.

6 Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon'ny TOMPO, omban'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon'ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan'ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotona ary i Hemana.

7 Ireo rehetra efa havanana amin'ny hira ireo, miaraka amin'ny sokaji-mpihira izay ofaniny koa hihira ho an'ny TOMPO, dia 288 no isany.

8 Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.

9 Ka ny antsapaka voalohany dia azon'i Josefa; ny faharoa, azon'i Gedalia;

10 ny fahatelo, azon'i Zakora;

11 ny fahefatra, azon'i Jitsery;

12 ny fahadimy, azon'i Netania;

13 ny fahenina azon'i Bokia;

14 ny fahafito, azon'i Asarela;

15 ny fahavalo, azon'i Jesahia;

16 ny fahasivy azon'i Matania;

17 ny fahafolo, azon'i Simehy;

18 ny faha-11, azon'i Hoziela;

19 ny faha-12, azon'i Hasabia;

20 ny faha-13, azon'i Sobaela;

21 ny faha-14, azon'i Matitia;

22 ny faha-15, azon'i Jeremota;

23 ny faha-16, azon'i Hanania;

24 ny faha-17, azon'i Josbekasa;

25 ny faha-18, azon'i Hanany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.94