1 Tantara

Toko faha-22

8 saingy niantefa tamiko ny tenin'ny TOMPO hoe: "Be ny ra efa nalatsakao tamin'ireo ady lehibe efa nataonao ka tsy ianao no hanorina trano ho Ahy, satria be ny ra efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.

9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho olona tia fandriampahalemana sady homeko fandriampahalemana eo anoloan'ny fahavalo rehetra manodidina azy. Ny anarany manko hatao hoe Salomona -izany hoe "tia fiadanana" -ary homeko fiadanana sy fandriampahalemana i Israely amin'ny andro hanjakany.

10 I Salomona no hanorina trano ho Ahy: izy ho zanako, Izaho ho rainy, ary ho hamafisiko mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakany eo amin'i Israely.

11 Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao.

12 Homen'ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an'i Israely, mba hitandremanao ny lalanan'ny TOMPO Andriamanitrao.

13 Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalana amam-pitsipika izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ho an'ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra namivadi-po.

14 He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an'ny tranon'ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.

15 Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany.

16 Tsy hita isa ny volamena sy ny volafotsy ary ny halimo sy ny vy; koa arosoy ny asa, ary hiaraka aminao anie ny TOMPO!

17 Avy eo i Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'i Israely hanampy an'i Salomona zanany lahy hoe:

18 -Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin'ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin'ity tany efa resy teo anoloan'ny TOMPO sy teo anoloan'ny vahoakany ity.

19 Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin'ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an'Andriamanitra.

Toko faha-23

1 Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salomona zanany lahy no nataony mpanjaka tamin'i Israely.

2 Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin'i Israely mbamin'ny mpisorona sy ny levita.

3 Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin'ny telopolo taona noho miakatra, ka 38 000 no isany.

4 Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin'ireo hotonian'ny asa fanorenana ny tranon'ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara,

5 ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin'ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.

6 Natsitokotokon'i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin'ireo zanakalahin'i Levy: dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.

7 Ny avy amin'i Gersona: i Lahadana sy i Simehy no zanakalahin'i Gersona.

8 Telo no zanakalahin'i Lahadana: voalohany i Jehiela, avy eo i Zetama sy i Joela,

9 izay samy nanjary lohany tamin'ireo fianakaviana avy amin'i Lahadana. Telo no zanakalahin'i Simehy: dia i Selomita sy i Haziela ary i Harana.

10 Ary mbola nisy efatra koa ny zanakalahin'i Simehy, dia i Jahata sy i Ziza ary i Jehosa sy i Beriha; ireo indray no zanakalahin'i Simehy:

11 ka i Jahata no voalohany, i Ziza no faharoa; fa i Jehisa sy i Beriha kosa vitsy zanakalahy, ka nisaina mitambatra ho fianakaviana iray.

12 Ny zanakalahin'i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela.

13 Ny zanakalahin'i Hamrama dia i Aharona sy i Mosesy. I Aharona mbamin'ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin'ny Toeramasina indrindra : ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan'ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin'ny anaran'ny TOMPO.

14 I Mosesy dia lehilahin'Andriamanitra; natao ho anisan'ny fokon'i Levy kosa ny zanakalahiny,

15 dia i Gersoma sy i Elihezera.

16 Tamin'ny zanakalahin'i Gersoma dia i Sobaela no loham-pianakaviana.

17 Tamin'ireo zanak'i Elihezera dia i Rehabia no loham-pianakaviana, sady tsy nanan-janaka lahy hafa i Elihezera; kanefa maro dia maro ny zanakalahin'i Rehabia.

18 Tamin'ny zanakalahin'i Jitsehara dia i Selomota no loham-pianakaviana.

19 Ny zanakalahin'i Hebrona dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekamehama no fahefatra.

20 Ny zanakalahin'i Hoziela dia i Mika no lahimatoa ary i Jisia no faralahy.

21 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy. Ny zanakalahin'i Mahily dia i Elehazara sy i Kisy.

22 Maty tsy nitera-dahy i Elehazara fa vavy avokoa ny zaza navelany: ary dia nalain'ny zanakalahin'i Kisy rahalahin-drainy ho vady ireo.

23 Telo ny zanakalahin'i Mosy: dia i Mahily sy i Hedera ary i Jeremota.

24 Ireo rehetra ireo no taranak'i Levy, izay samy lohany teo amin'ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana taoan-tranon'ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin'ny roapolo taona no ho miakatra.

25 Hoy manko i Davida hoe: "Ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely dia efa nanome fandriampahalemana ho an'ny vahoakany, sady honina mandrakizay eto Jerosalema,

26 koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony."

27 Araka ny faratenin'i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin'ny roapolo taona no ho miakatra.

28 Manolo-tena izy ireo ho baikoin'ny taranak'i Aharona ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'ny TOMPO na momba ireo kianja aman'efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin'ny fanompoana ny tranon'Andriamanitra dia ireto:

29 mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan'Andriamanitra , manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin'ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.

30 Adidin'ny levita ny mihoby sy midera ny TOMPO isa-marain-tsy hariva

31 ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin'ny sabata na amin'ny andro voalohan'ny volana na amin'ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan'ny levita azy eo anatrehan'ny TOMPO.

32 Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an'ny taranak'i Aharona rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon'ny TOMPO.

Toko faha-24

1 Ny amin'ireo taranak'i Aharona dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin'i Aharona dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.

2 Maty talohan-drainy sady tsy nanan-janaka i Nadaba sy i Abiho ; koa dia i Elehazara sy i Itamara no nanao ny raharaha maha mpisorona.

3 Taty aoriana, dia i Davida sy i Tsadoka taranak'i Elehazara mbamin'i Ahimeleka taranak'i Itamara, no nitsinjara ireo taranak'i Aharona ho antokony araka ny tandrifin'ny fanompoany avy.

4 Hita ho maro kokoa ireo lehilahy loham-pianakaviana tamin'ny taranak'i Elehazara noho ny tamin'ny taranak'i Itamara; ka ny taranak'i Elehazara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana 16, ary ny taranak'i Itamara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana valo.

5 Samy natao antsapaka ny fitsinjarana azy rehetra, satria samy mpiandraikitra ny Toeramasina sy mpiandraikitra ny raharahan'Andriamanitra , na ny avy tamin'ny taranak'i Elehazara na ny avy tamin'ny taranak'i Itamara.

6 I Semahia, izay zanakalahin'i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan'ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan'i Tsadoka mpisorona sy i Ahimeleka zanakalahin'i Abiatara, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny loham-pianakavian'ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin'ny terak'i Elehazara, vao iray kosa tamin'ny terak'i Itamara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9188