1 Tantara

Toko faha-17

9 Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin'izany izy. Fa tsy hisy firenen-doza be hampahory azy intsony tahaka ny taloha,

10 dia tamin'ny andro izay nanendreko ny mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary haetriko ny fahavalonao. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO no hanome taranaka ho anao.

11 Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin'ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany.

12 Izy no hanao trano ho Ahy , ary haoriko mafy mandrakizay ny seza fiandrianany.

13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ka tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay mpanjaka talohanao.

14 Hataoko maharitra mandrakizay ao amin'ny tempoliko sy eo amin'ny fanjakako izy; ary ny seza fiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay."

15 Dia nambaran'i Natana tamin'i Davida avokoa izay rehetra nolazain'Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.

16 Ary nankeo anatrehan'ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetra kasady nivavaka hoe: -Ry TOMPO Andriamanitro o, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako no tonganao amin'ny toerana misy ahy izao ?

17 Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra o, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin'ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro o,

18 inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao?

19 TOMPO o, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.

20 TOMPO o, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.

21 Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin'ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan'ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.

22 Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO o, no efa tonga Andriamaniny.

23 Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.

24 Eny, aoka ho tanteraka izany, dia halaza mandrakizay ny anaranao, ka hatao hoe: "Ny TOMPOn'izao rehetra izao no Andriamanitra ho an'i Israely!"; ary aoka ny taranako haharitra tsy azo hozongozonina eo anatrehanao.

25 Satria Ianao, Andriamanitro o, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no maha eto ahy mba hivavaka manatrika anao.

26 TOMPO o, Ianao mihitsy no Andriamanitra, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.

27 Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO o, dia ho voatahy mandrakizay izy.

Toko faha-18

1 Taorian'izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan'ny Filistinina i Gata sy ireo tanana kely manodidina azy.

2 Nandresy ny Moabita koa izy; dia tonga olom-pehezin'i Davida ireo sady mpandoa hetra ho azy.

3 Mbola resin'i Davida koa i Hadadehezera mpanjakan'i Tsoba, akaikin'i Hamata ; tamin'iny nanitaran'i Hadadehezera ny fanjakany teny amoron'ny ony Eofrata iny indrindra no nandresen'i Davida azy.

4 Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20000 no voababon'i Davida taminy; saingy nasain'i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.

5 Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an'i Hadadehezera mpanjakan' i Tsoba; kanefa nahafatesan'i Davida miaramila 22000 koa ny Sirianina.

6 Nametrahan'i Davida governora tany Siria, faritr'i Damasy; ka dia tonga olom-pehezin'i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.

7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.

8 Nahazoan'i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tananan'i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan'i Salomona ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin'ireo andry sy ireo fanakahalimo (tao an-tempoly).

9 Ren'i Tohy, mpanjakan'i Hamata, faresin'i Davida avokoa ny tafik'i Hadadehezera mpanjakan'i Tsoba,

10 dia nirahin'i Tohy ho any amin'i Davida mpanjaka i Hadorama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin'i Hadadehezera ka nandreseny azy, satria mpiady tamin'i Tohy io Hadadehezera io; koa fanaka volamena sy volafotsy ary halimo isan-karazany no nampitondrain'i Tohy ho an'i Davida.

11 Ireo fanaka ireo koa dia natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny TOMPO, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin'ny firenena hafa rehetra: dia ny Edomita sy Moabita ary Hamonita mbamin'ny Filistinina sy Hamalekita.

12 I Abisay, zanakalahin'i Tseroia, dia nandresy ny Edomita tokony ho 18000 lahy, tao amin'ny Lohasahan-tsira.

13 Dia nametrahany governora tao Edoma, ka tonga olom-pehezin'i Davida ny Edomita rehetra; ary nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.

14 Dia nanjaka tamin'i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra.

15 I Joaba zanakalahin'i Tseroia, no lehiben'ny tafika; i Josafata zanakalahin'i Ahiloda, no mpitondra tenin'ny mpanjaka,

16 i Tsadoka zanakalahin'i Ahitoba mbamin'i Abimeleka zanakalahin'i Abiatara no mpisorona; i Savesa no mpitantsoratra,

17 i Benaia, zanakalahin'i Joiada, no lehiben'ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin'i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin'ny mpanjaka.

Toko faha-19

1 Taorian'izany, dia maty i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy i Davida anakampony: "Hanao soa amin'i Hanona zanakalahin'i Nahasy aho satria nanao soa tamiko ny rainy". Dia nandefa iraka i Davida mba hitsapa alahelo an'i Hanona noho ny nahafatesan-drainy. Ary rehefa tonga tany amin'i Hanona, tany amin'ny tanin'ny Hamonita, ny irak'i Davida mba hitsapa alahelo azy,

3 dia hoy kosa ireo andrianan'ny Hamonita tamin'i Hanona:-Ataonao ve fa ho fanomezan'i Davida voninahitra an-drainao ihany ve no nanirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy ny hizaha sy hisafo ary hitsikilo ny tany no nahatongavan'ireo minisitra ireo aty aminao?

4 Dia nampisamborin'i Hanona ireo minisitr'i Davida, ka noharatana ny volom-bavany sady noborina hatrany am-poto-peny ny akanjony ary noroahina hody.

5 Dia nandeha ireo; ary nisy nampandre an'i Davida izay nanjo ireo lehilahy ireo, koa naniraka olona izy mba hitsena azy satria afa-baraka loatra ry zareo. Ary hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: "Mitoera any Jerikao aloha mandra-panirin'ny volom-bavanareo; izay ianareo vao mody."

6 Rehefa nahatsapa ny tenany ho tonga halan'i Davida i Hanona sy ny Hamonita, dia nampanatitra volafotsy tokony ho telopolo taonina ho an'ny Sirianina tany Mezopotamia ambony sy tany Maheka ary tany Tsoba mba hanakarama kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.

7 Kalesy andiany 32 niampy ny mpanjakan'i Maheka sy ny olony no voakaramany. Dia tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba ; ny Hamonita kosa nivoaka ny tananany avy, dia nivory hiroso hiady.

8 Nony ren'i Davida izany, dia nirahiny ho any an-toerana i Joaba sy ny miaramila maherifo rehetra.

9 Ary niainga kosa ny Hamonita ka nilahatra hiady teo akaikin'ny vavahadin-drenivohiny; fa ireo mpanjaka izay tonga hanampy kosa naka toerana teny an-tsaha.

10 Rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vavaady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan'ny Sirianina.

11 Ary ny sisa tamin'ny tafika kosa natolony ho entin'i Abisy rahalahiny, ka ireo no nilahatra hiady tamin'ny Hamonita.

12 Dia hoy i Joaba tamin'ity rahalahiny: -Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha mahery noho ianao kosa ny Hamonita, dia hamonjy anao aho.

13 Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an'ny firenentsika sy ireo tananan'Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara!

14 Dia nandroso hiady amin'ny Sirianina i Joaba sy ny tafiny, ka vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9453