1 Tantara
Toko faha-19
15 Nony hitan'ny Hamonita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anatrehan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanana. Dia niverina ho any Jerosalema ry i Joaba.16 Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan'ny ony Eofrata; ary i Sofaka, filohan'ny tafik'i Hadadehezera , no nitarika azy.
17 Nambara tamin'i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an'i Jordana, ary tonga teo akaikin'ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr'i Davida hiady amin'ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina,
18 kanjo vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7000 olona an-kalesy ary koa miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sofaka filohan-tafika.
19 Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireo mpanjaka nanoa an'i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin'i Davida ka nanoa azy. Ary tsy nety hamonjy ny Hamonita intsony ny Sirianina.
Toko faha-20
1 Rehefa niherina ny lohataona, fotoana fiaingan'ny mpanjaka handeha hiady, dia i Joaba no nitarika ny tafika manontolo ka nandrava ny tanin'ny Hamonita sy tonga nanao fahirano an'i Raba renivohiny; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema ihany. Nony azon'i Joaba sy noravany i Raba,2 dia avy i Davida nanaisotra ny satroboninahitra teny an-dohan'i Milkoma ilay andriamanitry ny Hamonita. Mihoatra ny telopolo kilao no hita fa lanjan'io satroboninahitra volamena io; sady nisy vatosoa anankiray koa taminy, vato soa izay napetraka teo an-tampon'ny satroboninahitr'i Davida. Be dia be ny zavatra voababo tao an-drenivohitra no nentin'i Davida,
3 ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin'ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon'i Davida toy izany avokoa ny tanana hafa rehetra fonenan'ny Hamonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.
4 Taorian'izany, dia nisy ady tamin'ny Filistinina tao Gezera. Tamin'izay i Sibekay, avy any Hosa, no nahafaty an'i Sipay isan'ny taranak'i Rafa ; ka dia voaetry ny Filistinina.
5 Dia nisy ady tamin'ny Filistinina indray. Ka i Elihanana, zanakalahin'i Jahiry, no nahafaty an'i Lahemy, rahalahin'i Goliata avy any Gata , dia i Goliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon'ny mpanenona.
6 Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak'i Rafa koa izy.
7 Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatana, zanakalahin'i Simeha izay rahalahin'i Davida, no nahafaty azy.
8 Ireo miaramila filistinina ireo dia samy taranak'i Rafa tao Gata, ka matin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony.
Toko faha-21
1 Dia nitsangana hampidi-doza an'i Israely i Satana ka nitaona an'i Davida hanisa ny vahoaka israelita.2 Dia hoy i Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: -Ndeha isao ny Israelita manomboka ao Beera-Seba ka miafara any Dana; ary ento aty amiko ny tena isany mba ho fantatro.
3 Dia hoy i Joaba hoe: -Ry andriamanjaka o, hampitomboin'ny TOMPO ho injaton'izao anie ny isan'ny vahoakany! Efa mpanomponao izy rehetra. Koa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mitady an'izany fanisam-bahoaka izany? Nahoana ianao no hitarika fahotana ho amin'i Israely ?
4 Saingy tsy azon'i Joaba nolavina ny didin'ny mpanjaka; ka niainga ry i Joaba nitety an'i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.
5 Dia natolotr'i Joaba an'i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.
6 Fa ny fokon'i Levy sy i Benjamina dia tsy mba nanaovan-dry i Joaba fanisana niaraka tamin'ireo, satria tena tsy nankasitrahin'i Joaba ny didin'ny mpanjaka.
7 Tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany, ka nasiany mafy i Israely.
8 Ary hoy i Davida tamin'Andriamanitra: -Efa nanao fahotana lehibe aho tamin'izao nataoko izao. Koa ankehitriny, mifona aminao aho mpanomponao, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho!
9 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Gada, mpanolotsainan'i Davida:
10 -Ndeha mitenena amin'i Davida hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eto anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao".
11 Dia nankany amin'i Davida i Gada ka nanao taminy hoe:-Izao no lazain'ny TOMPO: "Mifidiana ianao:
12 telo taona hisian'ny mosary ve; sa telo volana haharesy anao eo anatrehan'ny mpiady aminao sy hahatraran'ny sabatry ny fahavalonao anao; sa telo andro hamelezan'ny TOMPO amin'ny sabatra, dia ny aretina pesta, ka ny anjelin'ny TOMPO no hanao fandringanana eran'ny tanin'i Israely? Koa hevero tsara izay valin-teny ho entiko any amin'Ilay naniraka ahy.
13 Ary hoy i Davida tamin'i Gada: -Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon'ny tanan'ny TOMPO toy izay ho azon'ny tanan'olombelona, satria lehibe tokoa ny famindrampon'ny TOMPO!
14 Dia aretina pesta no nalefan'ny TOMPO hamelezana an'i Israely, ka nahafatesana 70 000 ny Israelita.
15 Ary nirahin'Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny Tompo kosa nijery ka nanenina ny amin'izany loza izany sady niteny tamin'ilay anjely mpandringana hoe:-Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin'izay ity anjelin'ny TOMPO dia nitsangana teo anilan'ny famoloan'ilay Jebosita atao hoe Ornana.
16 Nony natopin'i Davida ny masony, dia ilay anjelin'ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.
17 Ary hoy i Davida tamin'Andriamanitra: -Tsy izaho ve no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho mihitsy no nanota sy tena nanao izany zava-dratsy izany; fa ireo vahoaka olom-peheziko ireo kosa, inona moa no mba nataony? Ry TOMPO Andriamanitro o, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako; fa aza dia ny vahoakanao no asianao amin'ny areti-mandringana.
18 Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Gada: -Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an'ny TOMPO eo amin'ny famoloan'i Ornana izay Jebosita.
19 Dia niakatra i Davida, araka ny teny nolazain'i Gada tamin'ny anaran'ny TOMPO.
20 I Ornana dia nively vary tamin'izay. Ary niherika izy ka nahita an'ilay anjely; ny zanany efa-dahy izay niaraka taminy kosa dia lasa niery.
21 Ary nanatona an'i Ornana i Davida; vao nijery kosa i Ornana ka nahita an'i Davida, dia niala teo amin'ny famoloana ka nihohoka nitehi-tany teo anatrehan'i Davida.
22 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ornana: -Mba omeo ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, mba omeo ahy araka izay tena vidiny haloa vola; fa hanorenako alitara ho an'ny TOMPO izany mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23 Fa hoy i Ornana tamin'i Davida: -Ento ho anao ny tokotany, ry andriamanjaka, ary ataovy izay sitrakao; indreto ny ombiko omeko anao koa ho sorona dorana manontolo, ny rambaramba ho kitay, ary ny vary ho fanatitra. Omeko anao avokoa ireo rehetra ireo.
24 Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin' i Ornana; -Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an'ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.
25 Dia nomen'i Davida sekela volamena eninjato i Ornana ho vidin'ny tokotany.
26 Teo no nanorenan'i Davida alitara ho an'ny TOMPO; ary nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin'ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.
27 Dia nodidian'ny TOMPO ilay anjely mba hampiditra ny sabany tamin'ny tranony.
28 Nony hitan'i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin'ny famoloan'i Ornana izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza.
29 Tamin'izay ny fonena-masin'ny TOMPO (dia ilay nataon'i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona ,
30 nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an'Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr'ilay anjelin'ny TOMPO.
Toko faha-22
1 Ka hoy i Davida hoe: "Eto no ho tranon'ny TOMPO Andriamanitra; ary eto no alitara fanoloran'ny Israelita sorona dorana manontolo."2 Nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin'ny tanin'i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.
3 Novononin'i Davida koa ireto zavatra ireto: vy betsaka hanaovana fantsika ho an'ny lela varavarana sy hanaovana faraingo; halimo betsaka tsy hita lanja;
4 ary hazo sedera tsy hitaisa, fa nitondran'ny Tsdonianina sy ny Tirianina hazo sedera betsaka i Davida.
5 Fa hoy izy anakampony: "I Salomona zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an'ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan'ny lazany sy ny voninahiny any amin'ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy." Dia naha vonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.
6 Ary niantso an'i Salomona zanany i Davida ka nandidy azy hanorina tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely
7 sady niteny taminy hoe: -Anaka efa mby tato am-poko ny hanorina trano ho an'ny TOMPO Andriamanitro;