1 Tantara

Toko faha-13

11 Taitra i Davida satria tena namely mafy an'i Hoza ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe "Peretsa-Hoza ", ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.

12 Natahotra an'Andriamanitra i Davida tamin'izany andro izany ka nanao hoe: -Fomba ahoana no hitondrako ho aty amiko ny Vatamasin'Andriamanitra?

13 Koa tsy nafindran'i Davida ho any aminy, any tananan'i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon'i Hobeda-Edoma, lehilahy avy any Gata.

14 Telo volana no nipetrahan'ny vatamasin'Andriamanitra niaraka tamin'ny ankohonan'i Hobeda-Edoma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahin'ny TOMPO ny ankohonan'i Hobeda-Edoma sy izay rehetra fananany.

Toko faha-14

1 Nandefa iraka ho any amin'i Davida i Hirama mpanjakan'i Tiro, sady nandefa hazo sedera sy mpipai-bato ary mpandrafitra hazo mba hanao lapa ho azy.

2 Dia fantatr'i Davida tamin'izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin'i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin'ilay Israely vahoakan'Andriamanitra.

3 Dia mbola naka vady indray i Davida tao Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.

4 Ireto no anaran'ireo zanany teraka tao Jerosalema: i Simeha sy i Sobaba, i Natana sy i Salomona,

5 i Jibehara sy i Elisoa, i Elpeleta

6 sy i Noga, i Nefega sy i Jafia,

7 i Elisama sy i Beheliada ary i Elifelety.

8 Nony ren'ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin'i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an'i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin'ireo.

9 Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaita.

10 I Davida kosa nanontany an'Andriamanitra hoe: -Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo? Ka hoy ny TOMPO taminy: -Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.

11 Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe: -Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky. Izany no nanaovana ny anaran'io toerana io hoe Bahala-Peratsima.

12 Dia nilaozan'ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.

13 Avy indray ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaita.

14 Dia mbola nanontany an'Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: -Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatona azy avy eo amin'ny tandrifin'ny foto-boaroihazo.

15 Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon'olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miainga amin'izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Aho mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

16 Dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehona ka hatrany Gezera.

17 Dia niely eran'ny tany rehetra ny lazan'i Davida, ary nataon'ny TOMPO matahotra an'i Davida ny firenena rehetra.

Toko faha-15

1 I Davida dia nanao trano ho an'ny tenany tao " an-tananan'i Davida", sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an'ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan ' Andriamanitra.

2 Tamin'izay i Davida dia nilaza hoe: -Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin'ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.

3 Dia novorin'i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin'ny TOMPO ho eo amin'ny toerana izay efa namboarina ho azy.

4 Novorin'i Davida koa ny taranak'i Aharona sy ny levita.

5 Ireto avy ny levita: tamin'ny taranak'i Kehata dia i Oriela lehibeny mbamin'ny namany 120 lahy,

6 tamin'ny taranak'i Merary dia i Hasaia lehibeny mbamin'ny namany 220 lahy,

7 tamin'ny taranak'i Gersona dia i Joela lehibeny mbamin'ny namany 130 lahy;

8 tamin'ny taranak'i Elitsafana dia i Semahia lehibeny mbamin'ny namany roanjatolahy,

9 tamin'ny taranak'i Hebrona dia i Eliela lehibeny mbamin'ny namany valopololahy,

10 tamin'ny taranak'i Hoziela dia i Haminadaba lehibeny mbamin'ny namany 112 lahy.

11 Nantsoin'i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadoka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaia ary i Joela mbamin-dry i Semahia sy i Eliela ary i Haminadaba,

12 ka nilazany hoe: -Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, ho eo amin'ny toerana izay efa namboariko ho azy.

13 Fa tamin'ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian'ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.

14 Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

15 Ary nolanjain'ny levita teny an-tsorony tamin'ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin'i Mosesy mifandraika amin'ny tenin'ny TOMPO.

16 Ireo lehiben'ny levita kosa nasain'i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin'ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.

17 Dia notendren'ny levita i Hemana zanakalahin'i Joela, sy i Asafa zanakalahin'i Berekia sady naman'i Hemana, ary i Etana zanakalahin'i Kosaia avy amin'ny fokon'i Merary sady naman-dry i Hemana sy i Asafa.

18 Miaraka amin'izy telo lahy, amin'ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakaria zanakalahin'i..., i Jahaziela sy i Semiramota, i Jehiela sy i Hony, i Eliaba sy i Benaia, i Mahaseia sy i Matitia, i Elifala sy i Mikneia, i Hobeda-Edoma sy i Jehiela ary i Hazazia.

19 I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpiventy hira dia nively ny kipantsona halimo,

20 i Zakaria sy i Jahaziela, i Semiramota sy i Jehiela, i Hony sy i Eliaba ary i Mahaseia sy i Benaia no nitendry tamin'ny valiha ireo gadom-peo ambony;

21 i Matitia sy i Elifala, i Mikneia sy i Hobeda-Edoma ary i Jehiela sy i Hazazia kosa no nitendry tamin'ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingan-kira.

22 I Kenania, lehiben'ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany.

23 I Berekia sy i Elkana mpiandry vavahady no teo anilan'ny Vatamasina,

24 toraka izany koa i Hobeda-Edoma sy i Jehia mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebania sy i Josafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin'i Zakaria sy i Benaia ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan'ny Vatamasin'Andriamanitra.

25 Feno fifaliana i Davida sy ny loholon'i Israely mbamin'ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, avy ao an-tranon'i Hobeda-Edoma.

26 Ary mba hanampian'Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.

27 Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan'i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin'i Kenania lehiben'ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon'ny mpisorona.

28 I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin'ny horakora-pifaliana, omban'ny feon'anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin'ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.

29 Fa rehefa tonga tao an-tananan'i Davida ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin'i Saoly; ka nony nahita an'i Davida mpanjaka nitotorebika nandihy izy, dia naneso azy anakampony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9521