1 Tantara
Toko faha-11
45 i Jedihaela, zanakalahin'i Simry, sy i Joha rahalahiny, avy any Titsa,46 i Eliela, avy any Mahava; i Jerihay sy i Josavia, zanakalahin'i Elnahama; i Jitma, avy any Moaba,
47 i Eliela sy Hobeda ary i Jahasiela, avy any Tsoba.
Toko faha-12
1 Ireto kosa ny olona tonga tany amin'i Davida tao Tsiklaga fony izy mbola niery an'i Saoly, zanakalahin'i Kisy; izy ireo dia lehilahy mahery mpanampy an'i Davida amin'ny ady,2 sady mpitondra tsipika sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipika. Ireto ny avy amin'ny tarik'i Saoly, anisan'ny fokon'i Benjamina:
3 i Ahihezera, filohany, sy i Joasy rahalahiny, zanakalahin'i Semaha avy any Gibeha; i Jeziela sy i Peleta, zanakalahin'i Hazmavety; i Berekia sy i Jeho, avy any Hanatota,
4 i Jismahia, avy any Gibehona, lehilahy mahery tao amin'ny "andian'ny telopolo lahy ", sady anankiray amin'ny lehibeny,
5 i Jeremia sy i Jahaziela ary i Johanana; i Jozabada, avy any Gedera;
6 i Elehozay sy i Jerimota mbamin'i Behalia sy i Semaria ary i Sefatia, samy avy any Harofa;
7 i Elkana sy i Jisia mbamin'i Hazarela sy i Johezera ary i Jasobehama, samy taranak'i Kora,
8 ary i Johela sy i Zebadia, samy zanakalahin'i Jerohama, avy any Gedora.
9 Nisy koa olona avy amin'ny fokon'i Gada, niendaka hanatona an'i Davida tao amin'ny toby fiarovana tany an-taniefitra. Izy ireo dia lehilahy maherifo, miaramila mahay miady sady zatra mampiasa ampinga sy lefona: masiaka toy ny liona no fahitana azy, ary faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.
10 Miisa 11 ry zareo: dia i Hezera sy i Hobadia, i Eliaba sy i Mismana, i Jeremia sy i Hatahy, i Eliela sy i Johanana mbamin'i Elzabada sy i Jeremia ary i Makbanay.
15 Mpitari-tafika ireo avy amin'ny taranak'i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo.
16 Izy ireo no niampita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany amin'ny taona, raha iny mbola nihoatra iny avokoa ny morony, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin'ny lohasaha atsinanana sy andrefana.
17 Nisy koa avy amin'ny fokon'i Benjamina sy i Joda tonga hitady an'i Davida tao amin'ny toby fiarovana.
18 Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: -Raha fihavanana no ahatongavanareo aty amiko mba hanampy ahy, dia amin'ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin'ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!
19 Tamin'izay, dia nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra i Hamasay, filohan'ny "andian'ny telopolo lahy", ka niantso hoe: -Anao izahay, ry Davida o! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin'i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an'ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho isan'ny filohan'ny andian-tafika.
20 Ary nisy avy amin'ny fokon'i Manase lasa nikambana tamin'i Davida fony izy nomba ny Filistinina mba hiady amin'i Saoly; saingy tsy nanampy ny Filistinina ry i Davida, satria rehefa nifampidinika ny andrianan'ny Filistinina dia nampiverina azy, fa hoy ireo hoe: "Hikambana amin'i Saoly Tompony i Davida, ka hanolotra antsika aminy ".
21 Koa raha niverina ho any Tsiklaga iny i Davida no tonga nikambana taminy kosa ireo olona anisan'ny fokon'i Manase, dia i Hadna sy i Jozabada, i Jedihaela sy i Mikaela mbamin'i Jozakara sy i Eliho ary i Tsiletahy izay samy mpifehy arivo tao amin'i Manase.
22 Nanampy ny andian-tafik'i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin'ny tafiny.
23 Isan'andro isan'andro dia nisy olona tonga tany amin'i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik'i Davida.
24 Izao no isan'ny vatan-dehilahy vonona hiady izay tonga tany amin'i Davida tao Hebrona mba hamindra aminy ny fanjakan'i Saoly araka ny baikon'ny TOMPO:
25 Tamin'ny taranak'i Joda, dia nisy 6800 lahy mpitondra ampinga sy lefona sady vonona hiady.
26 Tamin'ny i Simehona, dia nisy 7100 lahy maherifo an'ady.
27 Tamin'ny taranak'i Levy, dia nisy 4600 lahy,
28 niampy an'i Joiada, filohan'ny taranak'i Aharona, niaraka tamin'ny 3700 lahy,
29 sy niampy an'i Tsadoka, tovolahy maherifo, niaraka tamin'ny 22 lahy samy filoha teo amin'ny fianakavian-drainy.
30 Tamin'ny taranak'i Benjamina, mpiray foko amin'i Saoly, dia nisy telo arivo lahy; ka ny ankamaroan'ireo, talohan'izao, dia mpikarakara ny ankohonan'i Saoly.
31 Tamin'ny taranak'i Efraima, dia nisy 20800 lahy, samy maherifo sady nalaza teo amin'ny fianakaviany avy.
32 Tamin'ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy 18000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an'i Davida.
33 Tamin'ny taranak'i Jisakara, dia nisy manamboninahitra roanjato lahy sy ireo mpiray foko rehetra teo ambany fifehezany; ireo manamboninahitra ireo dia samy nahay mamantatra tsara ny fotoana mety sy ny fomba tokony hikatrohan'ny Israelita.
34 Tamin'i Zebolona, dia nisy miaramila 50000, zatra ady sy vonon-kiantafika, nirongo fiadiana isan-karazany sady afaka miara-mientana tsara.
35 Tamin'i Naftaly, dia nisy manamboninahitra arivo lahy arahin'ny miaramilany 37000 nirongo ampinga sy lefona.
36 Tamin'i Dana, dia nisy 28600 lahy, vonon-kiantafika.
37 Tamin'i Asera, dia nisy miaramila 40000, zatra ady sy vonon-kiantafika.
38 Tamin'ireo teny ampita atsinanan'i Jordana, izany hoe tamin'ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy 120000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.
39 Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrona tamin'ny fony manontolo mba hampanjaka an'i Davida amin'i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fomba hampanjaka an'i Davida.
40 Dia nijanona telo andro tao Hebrona niaraka tamin'i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin'ireo havany ho azy.
41 Ankoatra izany koa, ny olona avy amin'ny faritany akaiky, ary hatrany amin'i Jisakara sy Zebolona ary i Naftaly aza, dia nitondra sakafo ho azy ireo tamin'ny boriky sy rameva ary mole sy omby; dia koba lafarinina, mofo aviavy, voaloboka maina, divay, menaka, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; satria nisy firavoravoana tao Israely.
Toko faha-13
1 Niarahan'i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo namifehy zato ary ny mpitondra rehetra,2 ka taorian'izany, dia hoy i Davida tamin'ny Israelita rehetra tafangona teo: -Raha sitraky ny TOMPO Andriamanitsika, sady heverinareo fa tsara, dia andeha isika haniraka faingana ho any amin'ny mpiray firenena havantsika tavela manerana ny tanin'i Israely, indrindra amin'ny mpisorona sy ny levita any amin'ny tananany sy ny kijanany avy, mba hitaona azy hikambana amintsika.
3 Dia halaintsika ho aty amintsika indray ny Vatamasina mirakitra ny Fanekem-pihavanan'ilay Andriamanitsika, satria tsy nahoantsika izany tamin'ny andron'i Saoly.
4 Dia niombon-kevitra ny olona rehetra tafangona teo fa hanao araka izany satria teo imason'ny vahoaka rehetra dia mitombina ny fikasana.
5 Dia novorin'i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin'ny sisin-tanin'i Ejipta ka hatrany Lebo-Hamata, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima.
6 Ary niakatra niaraka tamin'ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahala, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin'io Vatamasina io no iantsoana ny anaran'ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima.
7 Nalaina tao an-tranon'i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hoza sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety.
8 Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan'Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin'ny lokanga sy ny valiha mbamin'ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9 Nony tonga teo akaikin'ny famoloan'i Kidona izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hoza satria saika hazeran'ny omby io.
10 Fa nirehi-pahatezerana tamin'i Hoza ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin'ny Vatamasina; dia teo anatrehan'Andriamanitra teo izy no maty.