2 Mpanjaka

Toko faha-17

24 Fa nitondra olona avy tany Babilona sy Kota na avy tany Hava sy Hamata ary Sefarvaima ny mpanjakan'i Asiria mba hapetrany amin'ireo tananan'i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr'i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin'ny tananany.

25 Raha vao nanomboka nipetraka tamin'ireny toerana ireny izy, dia tsy nanaja ny TOMPO ka nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.

26 Dia nilazana ny mpanjakan'i Asiria hoe: Ny olona izay nafindranao sy nampitoerinao teny amin'ny tananan'i Samaria dia tsy mahalala izay fomba fanao amin'ny Andriamanitry ny tany any ka dia nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.

27 Koa nanome baiko ny mpanjakan'i Asiria nanao hoe: Maniraha mpisorona iray amin'ireo nataonareo sesitany mba handeha honina any, ka hampianatra azy ny fomba fanompoana ny Andriamanitry ny tany any.

28 Izany no nahatonga ny mpisorona voasesitany iray avy tany Samaria honina tao Betela ka nampianatra ny mponina ny fomba fanajana ny TOMPO.

29 Kanefa mbola samy nanao sarivongan'ny andriamaniny avy ny isam-pirenena ka nametraka izany tao amin'ireo tranon'ny toeram-panasinana, trano izay namboarin'ny mponina taloha tany Samaria; eny, samy nanao izany avokoa ny isam-pirenena tao amin'ny tanana nitoerany:

30 ny olona avy any Babilona dia nanao sarivongan'i Sokota-Benota; ny avy any Kota nanao sarivongan'i Nergala; ny avy any Hamata nanao sarivongan'i Asima;

31 ny Havita nanao sarivongan'i Nibihaza sy i Tartaka; ny olona avy any Sefarvaima aza nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin'i Adrameleka sy Hanameleka andriamaniny.

32 Nanaja ny TOMPO koa izy rehetra ka nanendry olona avy tamin'ny sarambabem-bahoaka ihany ho mpisorona amin'ireny tranon'ny toeram-panasinana ireny ary hitarika ny fombam-pivavahana amin'ny anaran'ny vahoaka.

33 Koa sady nanaja ny TOMPO izy no mbola nanompo ny andriamaniny avy ihany koa araka ny fomba fanaon'ny firenena niaviany avy.

34 Ny taranak'ireo vahiny ireo dia mbola manarakaraka izany fomba tranainy izany mandraka androany, fa tsy tena manaja marina ny TOMPO. Samy tsy tena arahiny na ny fomban-drazany, na ny lalana sy ny didy izay nandidian'ny TOMPO ny taranak'i Jakoba, dia ilay Jakoba nomeny anarana hoe Israely.

35 Rehefa nanao fanekempihavanana taminy manko ny TOMPO, dia nanome azy izao didy izao hoe: Aza manaja ny andriamani-kafa; aza miankohoka aminy ary aza manompo azy na manao sorona aminy.

36 Fa ny TOMPO Izay nitondra anao niala tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina no hany hohajainareo sy hiankohofanareo ary hanoloranareo sorona.

37 Ary aoka hotandremanareo isan'andro ny didy sy ny lalana ary ny didy izay nosoratany ho anareo; aza manaja ny andriamani-kafa.

38 Aza hadinoina ny fanekempihavanana nataoko taminareo ary aza manaja ny andriamani-kafa.

39 Izaho TOMPO Andriamanitrareo no aoka hohajainareo, fa Izaho ihany no mahavonjy anareo amin'ny fahavalonareo rehetra.

40 Nefa ireo olona ireo tsy nety nihaino fa mbola nanohy ny fomba fanao taloha ihany.

41 Tetsy andaniny dia mba nanaja ny TOMPO ihany izy, fa tetsy ankilany kosa dia nanompo ny sampiny izy hatramin'ny zanaka aman-jafiny mandraka ankehitriny.

Toko faha-18

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea zanakalahin'i Ela tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Hezekia zanakalahin'i Ahaza.

2 Feno 25 taona izy fony vao nanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Aby zanakavavin'i Zakaria.

3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hezekia tahaka izay rehetra nataon'i Davida razambeny.

4 Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon'i Mosesy; satria hatramin'io fotoana io no efa nandoroan'ny Israelita ditin-kazo manitra ho an'ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.

5 Fa ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no nitokian'i Hezekia, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'ny mpanjakan'i Joda rehetra izay talohany sy izay nandimby azy.

6 Nifikitra tamin'ny TOMPO izy ka tsy mba niala taminy, fa nitandrina ny didy izay nomen'ny TOMPO an'i Mosesy.

7 Dia niaraka tamin'i Hezekia ny TOMPO, ka nampahomby izay rehetra nataony. Nikomy tamin'ny mpanjakan'i Asiria izy ka tsy nety hofeheziny intsony.

8 Nandresy ny Filistinina izy ka nanenjika azy hatrany amin'ny faritr'i Gaza; ary azony avokoa na ireo tilikambom-pitiliana na ireo tananamimanda.

9 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia, izany hoe tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Hosea zanakalahin'i Ela tamin'i Israely, no nahatongavan'i Salmanesera mpanjakan'i Asiria hanao fahirano an' Samaria.

10 Azon'ny Asirianina ny tanana nony afaka telo taona, izany hoe tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia na tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea.

11 Ary nentin'ny mpanjakan'i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin'i faritr'i Hala sy tao Gozana teo amoron'ny ony Habora ary tao amin'ireo tananan'i Media.

12 Tonga izany rehetra izany noho ny tsy nihainoan'ny Israelita ny feon'ny TOMPO Andriamaniny ary noho ny nivadihany tamin'ny fanekempihavanana; tsy nohenoiny sady tsy nampihariny manko ny didy rehetra izay nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO.

13 Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia no nahatongavan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria hanafika ny tananamimanda rehetra tao amin'ny fanjakan'i Joda ka nahazoany ireny.

14 Ary naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Asiria tany Lakisy i Hezekia mpanjakan'i Joda nanao hoe: Efa diso aho, miala amin'ny taniko, fa hozakaiko izay hampandoavinao ahy. Koa nampandoa volafotsy sivy taonina sy volamena sivinjato kilao an'i Hezekia ny mpanjakan'i Asiria.

15 Dia nomen'i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon'ny TOMPO sy tao amin'ny rakitry ny lapan'ny mpanjaka.

16 Tamin'izany fotoana izany no nanendahan'i Hezekia ny takela-bolamena napetany tamin'ireo varavaran'ny tempolin'ny TOMPO sy tamin'ireo tolana; ary dia nomeny ny mpanjakan'i Asiria izany.

17 Ary ny mpanjakan'i Asiria izay tany Lakisy dia naniraka ny filohan-tafika sy ny lehiben'ireo manamboninahitra ary ny dekany notronin'ny miaramila marobe hankany amin'i Hezekia mpanjaka, any Jerosalema. Raha vao tonga tany Jerosalema ireto iraka, dia nijanona takaikin'ny lakan-drano mankany amin'ny dobo ambony, teo amin'ny lalana mankamin'ny sahan'ny Mpanasa lamba,

18 ka nangataka hiresaka amin'ny mpanjaka. Kanjo dia i Eliakima zanakalahin'i Hilkia sady mpiandraikitra ny lapa no niainga hitsena azy niaraka tamin'i Sebna mpitantsoratra sy i Joa zanakalahin'i Asafa sady mpitondratenin'ny mpanjaka.

19 Dia hoy ilay deka tamin'izy telo lahy: Ndeha lazaonareo amin'i Hezekia ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria, manao hoe: Mba inona izao itokianao izao?

20 Heverinao fa ho vitan'ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?

21 I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan'izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan'i Ejipta amin'izay rehetra matoky azy!

22 Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekia, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman'alitarany, ka nandidy ny mponin'i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan'ny alitaran'i Jerosalema ihany.

23 Koa aoka hifanamby amin'ny andriamanjakan'i Asiria izay tompoiko ianao, fa homeko soavaly roa arivo raha manana olona afaka hitaingina ireo.

24 Fa hataonao ahoana no hampandositra ny komandy iray amin'ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tahiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?

25 Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko, raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity.

26 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary Joa tamin'ilay deka asirianina: Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin'ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.

27 Fa hoy ny navalin'ilay deka hoe: Moa ho an'ny tomponareo sy ho anareo ihany va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho an'ny olona mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy atsy ho atsy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanan-dranony!

28 Dia nijaridina ilay deka ka nihiaka mafy tamin'ny teny hebreo hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria,

29 fa izao no lazainy: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo, satria tsy afaka hamonjy anareo izy tsy akory.

30 Ary aza mety hotarihiny hitoky amin'ny TOMPO koa ianareo raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanana ity.

31 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo, fa izaho mpanjakan'i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka aty amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samy hisotro ny rano avy ao amin'ny lava-pantsakany avy.

32 Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varimbazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay ary tanin'oliva tsara diloilo sy tantely. Dia ho velona ianareo amin'izany fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an'i Hezekia fa atorony voho ianareo raha ilazany fa hamonjy anareo ny TOMPO!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9412