2 Mpanjaka
Toko voalohany
14 Fantatro fa efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra izay nandevona ireo manamboninahitra roa talohako mbamin'ny miaramila feheziny avy. Ankehitriny kosa mba tsimbino re ny aiko!15 Ary hoy ny anjelin'ny TOMPO tamin'i Elia: Midina miaraka aminy, fa aza matahotra azy. Dia nidina niaraka tamin'ilay manamboninahitra ho any amin'ny mpanjaka i Elia,
16 ka nilaza tamin'i Ahazia ny tenin'ny TOMPO hoe: Satria naniraka olona hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianao, hoatra ny hoe tsy misy Andriamanitra mba azo anontaniana eto amin'i Israely, dia tsy ho tafala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao fa ho faty tokoa.
17 Dia maty tokoa araka ny tenin'ny TOMPO voalazan'i Elia i Ahazia; ary satria tsy mba niteraka izy, dia i Jorama rahalahiny no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jorama zanakalahin'i Josafata sady mpanjakan'i Joda.
18 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahazia ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
Toko faha-2
1 Rehefa hakarin'ny TOMPO any an-danitra ao anatin'ny tadio i Elia, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa.2 Ary hoy i Elia tamin'i Elisa: Mijanona eto re ianao, fa irahin'ny TOMPO hankany Betela aho. Fa novalian'i Elisa hoe: Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Betela izy mianaka.
3 Fa niainga nankany amin'i Elisa ny andia-mpaminany tao Betela ka nanontany azy hoe: Fantatrao va fa anio no hanesoran'ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!
4 Ary hoy indray i Elia tamin'i Elisa: Mijanona eto re ianao, ry Elisa, fa irahin'ny TOMPO hankany Jerikao aho. Fa novaliany hoe: Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Jerikao izy mianaka.
5 Fa nanatona an'i Elisa ny andia-mpaminany tao Jerikao ka nanontany azy hoe: Fantatrao va fa anio no hanesoran'ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!
6 Ary hoy indray i Elia tamin'i Elisa: Mijanona eto re ianao, fa irahin'ny TOMPO hankany Jordana aho. Fa novaliany hoe: Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niara-nandeha izy mianaka.
7 Nisy mpaminany dimampolo nanaraka lavidavitra an'i Elia sy i Elisa izay nijanona teo amoron'i Jordana.
8 Nalain'i Elia ny akanjobeny, dia nahorongorony ary nikapohany ny rano. Dia nisaraka roa ilay rano ka nita tamin'ny tany maina izy mianaka.
9 Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elia tamin'i Elisa: Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao. Ary hoy i Elisa: Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho.
10 Fa hoy kosa i Elia: Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.
11 Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elia dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.
12 Rehefa nijery izany i Elisa, dia niantsoantso hoe: Ry dada o, ry dada o, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao! Nony tsy hitan'i Elisa intsony i Elia, dia notriariny roa ny fitafiany.
13 Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elia; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.
14 Noraisin'i Elisa ilay akanjoben'i Elia ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe: Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Elia? Aiza Izy? Mba nikapoka ny rano koa i Elisa, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.
15 Raha nahita izay nataon'i Elisa avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin'i Jerikao, dia nanao hoe: Efa mipetraka amin'i Elisa ny fanahin'i Elia. Ary lasa nitsena an'i Elisa ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany,
16 ary nanao taminy hoe: Manana lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain'ny Fanahin'ny TOMPO izy, ka nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any. Fa notenenin'i Elisa ny andia-mpaminany mba tsy haniraka.
17 Nefa mbola nikiry mafy izy, ka farany dia nanaiky ihany i Elisa. Dia naniraka ireto maherifo dimampolo lahy izy mba hitady an'i Elia nandritra ny telo andro nefa tsy nahita azy.
18 Mbola tao Jerikao ihany i Elisa no tafaverina ireo ka nitenenany hoe: Tsy efa nilazako ve ianareo mba tsy handeha hitady azy?
19 Ary hoy ny mponin'i Jerikao tamin'i Elisa: Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanana ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
20 Dia hoy i Elisa hoe: Itondray sira amin'ny lovia vaovao aho. Dia nitondrana izany izy.
21 Ary niainga nankany amin'ilay loharano i Elisa, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.
22 Koa dia nitoetra ho madio mandraka ankehitriny ny rano araka ny nambaran'i Elisa.
23 Avy tao Jerikao i Elisa, dia niakatra hankany Betela. Teny an-dalana anefa dia nisy ankizilahy nivoaka ny tanana ka nanaraby azy hoe: Miakara, ry Lesola! Miakara, ry Lesola!
24 Dia nitodika i Elisa nijery azy ka nanozona azy tamin'ny anaran'ny TOMPO. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tany an'ala namiravira ny 42 tamin'ireo ankizy ireo.
25 Dia niala teo i Elisa ka dia nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany ho any Samaria.
Toko faha-3
1 Tonga mpanjakan'i Israely i Jorama zanakalahin'i Ahaba tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Samaria.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy; ka nifikirany fa tsy nialany akory ny fahotana izay nampanaovin'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ny Israelita. Kanefa tsy dia ratsy tahaka an-drainy sy reniny izy, satria nanaisotra ny tsangambato izay nataon-drainy hanajana an'i Bahala.
4 Ary niompy ondry maro i Mesa mpanjakan'i Moaba ka nandoa hetra zanak'ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbamin'ny volony ho an'ny mpanjakan'i Israely.
5 Rehefa maty anefa i Ahaba mpanjaka, dia nikomy tamin'ny mpanjakan'i Israely ny mpanjakan'i Moaba.
6 Ary niala tao Samaria i Jorama tamin'izay mba hampanao matso ny tafik'i Israely manontolo.
7 Dia nandefa iraka hilaza amin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy nanao hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan'i Moaba; koa hiaraka amiko hanafika ny taniny ve ianao? Ary hoy ny navaliny: Eny, ho avy aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 Fa hoy ihany izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary namaly i Jorama hoe: Ilay mamaky ny taniefitr'i Edoma.
9 Dia niainga ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda ary ny mpanjakan'i Edoma. Rehefa nandeha lalana fito andro ireo, dia tsy nahita rano intsony ho an'ny miaramila sy ny biby niaraka taminy.
10 Dia hoy ny mpanjakan'i Israely: Indrisy fa ny TOMPO mihitsy no nitaona antsika mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan'ny Moabita!
11 Fa hoy kosa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'ny TOMPO va eto mba hanontaniantsika ny TOMPO? Ary nisy manamboninahitry ny mpanjakan'i Israely namaly hoe: Miaraka amintsika ao i Elisa zanakalahin'i Safata sady mpiara-niasa akaiky tamin'i Elia mpaminany.
12 Hoy i Josafata: Miloatra avy aminy tokoa ny tenin'ny TOMPO. Dia nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'i Israely sy i Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13 Ka hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'i Israely: Nahoana no mankaty amiko ianao? Mandehana any amin'ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian'ny mpanjakan'i Israely hoe: Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan'ny Moabita.
14 Dia hoy indray i Elisa: Velona ny TOMPOn'izao rehetra izao sady tompoiko, ka manizingizina aho fa ny fanajako an'i Josafata mpanjakan'i Joda ihany no anatrehako anao sy ijereko anao.
15 Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin'i Elisa ny herin'ny TOMPO,
16 ka nampiteny azy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Andoahy lavaka maro ity hady ity,
17 satria Izaho TOMPO no efa nilaza fa tsy handre rivotra na hahita orana ianareo, nefa ho feno rano izany hady izany mba hisotroanareo, dia ny tenanareo sy ny miaramilanareo ary ny biby mpitondra ny entanareo.
18 Saingy mbola zavatra kely eo imason'ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin'i Moaba eo an-tananareo koa Izy.
19 Horavanareo ny tananamimanda sy ny tanana soa rehetra, hokapainareo ny hazo fihinam-boa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra ary hanipazanareo vato ny saha voavoly rehetra ho fanimbana azy.
20 Ny ampitso maraina, tamin'ny fotoana fanoloran-tsorona, dia indro fa nikoriana avy any Edoma ny rano ka nandrakotra ny tany.
21 Rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy hanafika azy ireto mpanjaka telo lahy, dia nantsoiny avokoa izay lehilahy mahatam-piadiana rehetra ka naka toerana teo amin'ny sisin-tany.