1 Mpanjaka
Toko faha-22
18 Dia hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy fa loza ihany?19 Ary hoy indray i Mikaia: Henoy ary ny tenin'ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
20 Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada mba hahafaty azy any? Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
21 Fa nandroso ka nitsangana teo anoloan'ny TOMPO ny fanahy anankiray ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy! Hoy kosa ny TOMPO hoe: Amin'ny fomba ahoana?
22 Dia hoy izy: Handeha aho, ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ireo mpaminanin'i Ahaba rehetra. Ary hoy indray ny TOMPO: Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha ary ka ataovy!
23 Ankehitriny, raha ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.
24 Tamin'izay nanatona an'i Mikaia i Tsedekia zanakalahin'i Kenahana, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: Niala tamiko ve ny Fanahin'ny TOMPO mba hiteny aminao?
25 Dia novalian'i Mikaia hoe: Indro fa ho hitanao izany amin'ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.
26 Tamin'izay ny mpanjakan'i Israely dia nibaiko hoe: Sambory i Mikaia, dia ento miverina any amin'i Amona governoran'ny tanana sy any amin'i Joasy zanako lahy,
27 ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.
28 Fa hoy kosa i Mikaia: Raha tahiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'ny TOMPO aho tsy akory.
29 Dia lasa nanafika an'i Ramota-Gilehada ny mpanjakan'i Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda.
30 Ary hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho, dia hirotsaka an'ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'i Israely ka nirotsaka an'ady.
31 Fa ny mpanjakan'i Siria kosa efa nanome baiko ireo komandy 32 mifehy ny kalesiny mba tsy hamely miaramila tsotra na mpitari-tafika fa ny mpanjakan'i Israely ihany.
32 Nony nahita an'i Josafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan'i Israely mihitsy. Dia isangodinany hiadiana izy; kanjo niantsoantso mafy i Josafata.
33 Rehefa hitan'ireo komandin-kalesy fa tsy ny mpanjakan'i Israely io, dia nialany.
34 Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipika tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ny famavan'ny akanjo vy fiarovan-tratrany. Dia hoy ity mpanjaka tamin'ny mpamily ny kalesiny: Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.
35 Kanefa nihamafy ny ady tamin'izay andro izay; koa tsy maintsy notohanana ny mpanjaka mba hitsangana teo amin'ny kalesiny nanoloana ny tafika sirianina; ary maty izy nony hariva ny andro, fa nitsika tao anatin'ny kalesiny ny ra tamin'ny ratrany.
36 Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanako eran'ny toby izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tananany sy any amin'ny taniny avy,
37 fa maty ny mpanjaka! Dia nentina tany Samaria ny razana ka nalevina tao.
38 Ary rehefa nosasana teo amin'ny farihin'i Samaria ny kalesin'i Ahaba, dia avy ny alika nilelaka ny rany, ary ny mpivarotena nandro teo, araka ny tenin'ny TOMPO.
39 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahaba ary koa ny zavatra hafa rehetra vitany, ny trano ivoara nataony sy ny tanana rehetra naoriny, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
40 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia i Ahazia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
41 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Josafata zanakalahin'i Asa.
42 Feno 35 taona i Josafata fony vao nanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazoba, zanakavavin'i Silehy.
43 Narahiny avokoa ny toetran'i Asa rainy ka tsy niala tamin'izany izy, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO.
44 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, fa ny olona dia mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany.
45 Ary nanao fanekempihavanana tamin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata.
46 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josafata ary koa ny herimpo nasehony sy ny ady natrehiny, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
47 Izy no namongotra teo amin'ny tany ireo lehilahy sy vehivavy nitolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy ka mbola velona tamin'ny andron'i Asa rainy.
48 Tsy nisy mpanjaka tany Edoma tamin'izany fotoana izany, fa governora notendren'ny mpanjaka ihany.
49 Nanamboatra sambo vaventy haka volamena any Ofira i Josafata; nefa tsy afa-niainga ireo sambo ireo, satria rendrika tao Hetsiony-Gebera.
50 Dia hoy i Ahazia zanakalahin'i Ahaba tamin'i Josafata: Aoka hiaraka amin'ny tantsambonao ny tantsamboko. Fa tsy nety i Josafata.
51 Ary rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Josafata, dia nalevina am-pasan-drazana tao an-tananan'i Davida; ary i Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
52 Tamin'ny taona faha-17 nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Ahazia zanakalahin'i Ahaba; ary naharitra roa taona no nanjakany tamin'i Israely.
53 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy fa nanaraka ny toetran'ny rainy sy ny reniny ary ny toetran'i Jerobohama izay zanakalahin'i Nebata sady nampanota an'i Israely.
54 Nanompo an'i Bahala sady niankohoka teo anatrehany izy ary nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tahaka izay nataon-drainy ihany.
2 Mpanjaka
Toko voalohany
1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy tamin'i Israely i Moaba.2 Indray andro i Ahazia mpanjakan'i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan'ny efitrano ambony amin'ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tananan'i Hekrona, raha toa ka ho sitrana amin'izao ratra nahazo azy izao na tsia.
3 Fa hoy kosa ny anjelin'ny TOMPO tamin'i Elia avy any Tisbe: Mandehana mihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria ka lazao izy hoe: Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no mandeha hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianareo?
4 Dia ampio koa hoe: Izao no tenin'ny TOMPO ho an'ny mpanjakan'i Israely: 'Tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa.' Ary lasa i Elia nampita hafatra.
5 Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ireto iraka. Rehefa nanontany ny anton'ny niverenany kosa i Ahazia, dia novaliany hoe:
6 Nisy lehilahy iray nanatona anay sady nanome baiko anay mba hiverina aty aminao ka hilaza aminao izao tenin'ny TOMPO izao: Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no maniraka hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianareo? Noho izany, dia tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa!
7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ireo: Fa manao ahoana izay lehilahy tonga nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8 Dia novaliany hoe: Manao akanjo volom-biby sy fehikibo hoditra izy. Dia hoy ny mpanjaka: I Elia avy any Tisbe izay!
9 Dia nandefa manamboninahitra iray miaraka amin'ny miaramila dimampolo ny mpanjaka mba hisambotra an'i Elia. Ary ireo niakatra tery an-tampon-tendrombohitra izay nipetrahan'i Elia. Dia nitenenan'ilay manamboninahitra izy hoe: Ry olon'Andriamanitra o, midina ianao, hoy ny mpanjaka!
10 Fa novalian'i Elia hoe: Raha olon'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.
11 Ary nalefan'ny mpanjaka indray ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin'ny miaramila dimampolo hankany amin'i Elia. Dia nitenenan'ilay manamboninahitra izy hoe: Ry olon'Andriamanitra, midina faingana ianao, hoy ny mpanjaka!
12 Fa novalian'i Elia hoe: Raha olon'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.
13 Mbola nalefan'ny mpanjaka koa ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin'ny miaramila dimampolo. Dia niakatra ny tendrombohitra ilay manamboninahitra; rehefa tonga izy, dia nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nitalaho taminy nanao hoe: Ry olon'Andriamanitra o, mba tsimbino re ny aiko sy ny an'ireto miaramilako dimampolo ireto!