2 Samoela

Toko faha-23

36 i Jigala zanakalahin'i Natana avy any Tsoba; i Bany avy amin'ny fokon'i Gada;

37 i Tseleka, ilay Hamonita; i Naharay avy any Beerota; mpitondra ny fiadian'i Joaba zanakalahin'i Tseroia;

38 i Hira sy i Gareba, samy avy amin'ny fianakavian'i Jetera;

39 ary i Oria, ilay Hetita. Fito amby telopolo no fitambaran'ireo kalaza rehetra.

Toko faha-24

1 Nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an'i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.

2 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba filohan-tafika sady teo akaikiny: Ndeha tetezo avokoa ny fokon'i Israely manomboka ao Dana ka hatrany Bery-Seba, ary isao ny vahoaka mba hahafantarako ny tena isany.

3 Fa hoy i Joaba namaly ny mpanjaka: Hampitomboin'ny TOMPO Andriamanitrao ho injaton'izao anie ny vahoaka; ka ho hitan'ny masonao izany, ry andriamanjaka! Fa inona loatra ange no antony hanaovanao izany, ry andriamanjaka?

4 Saingy tsy azon'i Joaba sy ireo filohan-tafika nolavina ny didin'ny mpanjaka. Nivoaka ny tranon'ny mpanjaka izy ireo ary lasa nanao ny fanisam-bahoaka teo amin'ny vahoaka israelita.

5 Niampita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao amin'ny tananan'i Harohera, eo an-kavanan'ilay tanana afovoan'ny lohasan'i Gada. Avy eo dia nankany Jazera ireo,

6 ka tonga tany Gilehada tao amin'ny tanin'i Tahitima-Hodsy, dia nipaka tany Dana-Jahana sy ny manodidina hatrany Tsidona.

7 Ary tonga tao Tiro tanana mimanda ireo sy tany amin'ny tanana rehetra fonenan'ny Hivita sy Kanahanita, ka tafapaka hatrany Bery-Seba, ao atsimon'ny faritanin'i Joda.

8 Rehefa avy nitety ny firenena manontolo izy ireo nandritra ny sivy volana sy roapolo andro, dia niverina indray tao Jerosalema.

9 Ary natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely dia nisy 800 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 500 000.

10 Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian'ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin'ny TOMPO: Fahotana lehibe no vitako tamin'izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO o, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho. 11 Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany mpanolotsain'i Davida ny tenin'ny TOMPO nanao hoe:

12 Ndeha ambarao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.

13 Dia nankany amin'i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr'Andriamanitra nanao hoe: Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan'ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin'Ilay naniraka ahy.

14 Ary hoy i Davida tamin'i Gada: Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon'ny tanan'ny TOMPO, toy izay ho azon'ny tanan'olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon'ny TOMPO.

15 Dia aretina pesta no nalefan'ny TOMPO hamelezana an'i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr'ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba.

16 Fa raha naninji-tanana hamely an'i Jerosalema ny anjelin'ny Tompo, dia nanenina ny amin'ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin'Ilay anjely mpandringana hoe: Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin'izay ity anjelin'ny TOMPO dia teo amin'ny famoloan'i Araona, ilay Jebosita.

17 Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin'ny TOMPO hoe: Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.

18 Nankany amin'i Davida i Gada tamin'izay andro izay ka nanao taminy hoe: Miakara any am-pamoloan'i Araona izay Jebosita ianao, ka manangana alitara ho an'ny TOMPO.

19 Ary niakatra tany araka ny tenin'i Gada i Davida, dia araka izay nandidian'ny TOMPO azy.

20 Nijery kosa i Araona ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy. Ary nandroso i Araona niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka

21 sady nanontany hoe: Fa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mankaty amiko mpanomponao? Dia hoy ny navalin'i Davida: Hividy ity famoloana ity aminao hanorenako alitara ho an'ny TOMPO, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely intsony ny vahoaka.

22 Hoy kosa i Araona tamin'i Davida: Alao izay sitrakao, ry andriamanjaka, mba hanateranao sorona ho an'Andriamanitra. Indreo ny omby ho sorona dorana manontolo, ary ny rambaramba sy ny zioga hatao kitay.

23 Izany rehetra izany dia atolotro anao avokoa, ry mpanjaka. Ka hoy aho aminao: Ho sitraky ny TOMPO Andriamanitrao anie ianao.

24 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, tsy homenao ahy maimaim-poana ireo fa hovidiko araka izay tena vidiny. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO Andriamanitro. Dia novidin'i Davida tamin'ny sekela volafotsy dimampolo ny famoloana sy ny omby.

25 Ary nanorina alitara tamin'io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin'ny TOMPO. Dia niantran'ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an'i Israely intsony ny areti-mandringana.

1 Mpanjaka

Toko voalohany

1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.

2 Hoy ny mpanompony taminy: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao.

3 Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin'ny tanin'i Israely manontolo ireto mpanompon'i Davida; ary tao Sonema no nahitany an'i Abisaga izay nentiny tany amin'ny mpanjaka.

4 Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon'ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka.

5 Fa i Adonia zanakalahin'i Hagita kosa tamin'izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.

6 Hatramin'izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.

7 Dia niresaka tamin'i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy tamin'i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nahazo ny fanohanan'ireo.

8 Fa i Tsadoka mpisorona sy i Benaia zanakalahin'i Joiada sy i Natana mpaminany mbamin'i Simehy sy i Rehy ary ireo kalazan'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.

9 Indray andro dia nikorana teo amin'ny vaton'i Zoheleta akaikin'i Haina-Rogela i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin'i Joda izay mpanompon'ny mpanjaka.

10 Kanefa tsy mba nasainy i Natana mpaminany sy i Benaia sy ireo lehilahy kalaza ary i Salomona rahalahiny.

11 Niteny tamin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Natana ka nanao hoe: Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adonia zanakalahin'i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory?

12 Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salomona zanakao.

13 Mankanesa any amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka?

14 Dia hoy ihany i Natana: Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin'ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.

15 Dia nankany amin'ny mpanjaka tao an'efitranony i Baty-Seba. Efa tena antitra ny mpanjaka; ary i Abisaga avy any Sonema no tao nanompo azy.

16 Nandohalika niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Baty-Seba, ka nitenenan'ny mpanjaka hoe: Inona no ilainao?

17 Dia novaliany hoe: Efa nianiana tamiko teo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrao ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao.

18 Indro ankehitriny fa i Adonia no manjaka, nefa tsy mba fantatrao akory izany.

19 Ary efa nanao fety be namonoana omby sy biby matavy ary ondry maro izy ka nanasa ny zanakalahinao rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba filohan'ny tafika, fa i Salomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.

20 Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan'i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambaranao ampahibemaso ny anaran'izay hipetraka handimby anao eo amin'ny sezafiandriananao.

21 Raha tsy izany, rehefa modimandry ka tsy eo intsony ianao, ry andriamanjaka, dia hatao toy ny olo-meloka ny tenako sy i Salomona zanako.

22 Raha mbola teo am-piresahana tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia niditra i Natana mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0071