1 Mpanjaka

Toko faha-3

24 Ka hoy aho hoe: Itondray sabatra aho. Rehefa tonga ny sabatra,

25 dia hoy indray ny mpanjaka: Zarao roa ny zaza velona, ka samy omeo ny antsasany avy ireo vehivavy ireo!

26 Fa onena mafy an-janany kosa ilay vehivavy renin'ny zaza velona, ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Ry andriamanjaka o, aoka re homena azy ihany ny zaza velona, fa aza dia vonoina ho faty! Fa hoy kosa ny iray: Zarao roa mihitsy ny zaza, fa amin'izay dia samy tsy manana.

27 Dia namaly ny mpanjaka, ka nanao hoe: Aza vonoina ho faty ny zaza, fa omeo ilay vehivavy voalohany; izy mihitsy no reniny.

28 Ren'ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren'Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.

Toko faha-4

1 I Salomona mpanjaka no nanjaka tamin'i Israely manontolo.

2 Ireto avy ny anaran'ny mpiasam-panjakana ambony teo aminy: I Hazaria zanakalahin'i Tsadoka no mpisorona;

3 i Elihorefa sy i Ahia, samy zanakalahin'i Sisa, no mpitantsoratra; i Josafata zanakalahin'i Ahiloda no mpitondratenin'ny mpanjaka;

4 i Benaia zanakalahin'i Joiada no filohan'ny tafika; i Tsadoka sy i Abiatara no mpisorona;

5 i Hazaria zanakalahin'i Natana no filohan'ny governora; i Zaboda zanakalahin'i Natana no mpisorona sady mpanolotsaina manokan'ny mpanjaka;

6 i Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; i Adonirama zanakalahin'i Habda no mpiandraikitra ny asa an-terivozona.

7 Nanana governora 12 lahy izay nisolotena azy teo amin'i Israely manontolo koa i Salomona; ireo no namatsy ny mpanjaka sy ny olona tao an-dapany ka nifandimby nisahana izany andraikitra izany iray volana isan-taona.

8 Ireto avy ny anarany: Ny zanakalahin'i Hora no tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima;

9 ny zanakalahin'i Dekera no tao Makatsa sy Sahalbima ary Bety-Semesy sy Elona-Bety-Hanana;

10 ny zanakalahin'i Heseda, tao Arobota, no nisahana an'i Sokao sy ny faritr'i Hefera manontolo;

11 ny zanakalahin'i Abinadaba no nisahana an'i Dora manontolo (nanambady an'i Tafata zanakavavin'i Salomona izy);

12 i Bahana zanakalahin'i Ahiloda no nisahana an'i Tahanaka sy i Megidao ary ny faritr'i Bety-Seana manontolo (ny faritr'i Bety-Seana dia mihazo anilan'i Tsaretana eo ambanin'i Jizrehela ary mipaka any Bety-Seana sy Abela Mehola ka hatrany ankoatran'i Joknehama);

13 ny zanakalahin'i Gebera, tao Ramota any Gilehada, no nisahana an'i Havota-Jairo izay fananan'i Jairo zanakalahin'i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin'i Argoba izay tao Basana: tanana enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;

14 i Ahinadaba zanakalahin'i Hidao no tao amin'ny faritr'i Mahanaima;

15 i Ahimahatsa no tao amin'ny faritr'i Naftaly (izy koa dia nanambady ny zanakavavin'i Salomona nantsoina hoe Basemata);

16 i Bahana zanakalahin'i Hosay no tao amin'ny faritr'i Asera sy i Behalota;

17 i Josafata zanakalahin'i Paroa no tao amin'ny faritr'i Jisakara;

18 i Simehy zanakalahin'i Ela no tao amin'ny faritr'i Benjamina;

19 i Gebera zanakalahin'i Ory no tao amin'ny tanin'i Gilehada mbamin'ny tanin'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, ary ny tanin'i Hoga mpanjakan'i Basana. Ankoatra ireo, dia mbola nisy koa governora iray tao amin'ny tanin'i Joda.

20 Ary ny mponin'i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.

Toko faha-5

1 Ary i Salomona nanapaka tamin'ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny ony Eofrata ka mipaka any amin'ny tanin'ny Filistinina ary hatrany amin'ny sisintanin'i Ejipta; fa nandoa hetra ireo ka nanompo an'i Salomona tamin'ny andro rehetra niainany.

2 Ny fihinan'i Salomona sy ireo olona tao an-dapa isan'andro dia toy izao: lafarinina tsotra sivy taonina, lafarinina tsara toto 18 taonina,

3 omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin'ny gisa matavy.

4 Fa nanapaka ny faritany manontolo any atsimo andrefan'ny ony Eofrata, hatreo Tifsa ka hatrany Gaza i Salomona, dia tamin'ny mpanjaka rehetra taty atsimo andrefan'ny Ony; ary tsara fihavanana tamin'ireo firenena rehetra nanodidina azy izy.

5 Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin'ny andro rehetra niainan'i Salomona; fa samy niadam-pinaritra teo anivon'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.

6 I Salomona dia nanana tranon-tsoavaly afaka mandray soavaly 40000 mpitarika kalesy ary koa nanana mpitaingin-tsoavaly 12000.

7 Ireo governora ireo no namatsy isam-bolana an'i Salomona mpanjaka sy izay navela hiray latabatra aminy, ka tsy navelany ho nisy zavatra tsy ampy na inona izany na inona.

8 Ny orza sy ny mololo ho an'ny soavaly rehetra dia nentin'ny governora teo amin'ny toerana nisy ny mpanjaka, samy araka ny baiko azony avy.

9 Nomen'Andriamanitra fahendrena fatratra sy saina mahiratra tokoa i Salomona; ary ny zavatra noeritreretiny dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina.

10 Izany fahendren'i Salomona izany dia nihoatra noho ny an'ny olon-kendry rehetra tany Atsinanana sy tany Ejipta.

11 Hendry noho ny olon-drehetra izy fa nihoarany avokoa na i Etana ilay Ezrahita, na i Hemana, na i Kalkola, na i Darda zanakalahin'i Mahola; koa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina ny lazany.

12 Namoaka ohabolana telo arivo izy sady namoron-kira 1005.

13 Niteny momba ny karazan-kazo izy, manomboka amin'ny hazo sederan'i Libano ka hatramin'ny hisopa izay maniry eny am-bodirindrina; niteny momba ny biby koa izy, dia ny vorona sy ny biby mandady ary koa ny trondro.

14 Nisy olona maro tonga hihaino ny fahendren'i Salomona, dia olona avy tamin'ny firenena rehetra ary koa avy tamin'ny mpanjaka rehetra eto an-tany izay efa nandre ny amin'ny fahendreny.

15 Ary i Hirama mpanjakan'i Tiro dia sakaizan'i Davida hatramin'ny ela. Nanirahany solotena i Salomona, satria reny fa voahosotra ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy izy.

16 Ary i Salomona naniraka olona hilaza amin'i Hirama hoe:

17 Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy mba nahavita trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, satria tsy nitsaha-nanafika azy hatraiza hatraiza ny fahavalo rehetra manodidina raha tsy ny TOMPO no nampilavolefona ireo.

18 Fa ankehitriny ny TOMPO Andriamanitro efa nahatonga fandriampahalemana ho ahy eo amin'ny sisintaniko rehetra mba tsy hisian'ny fahavalo na loza hatahorako intsony.

19 Ka indro mikasa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro aho, dia araka ilay nolazain'ny TOMPO tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny sezafiandriananao handimby anao, no hanao ny trano ho voninahitro.

20 Koa mamoaha didy ianao mba hisy mpiasanao hikapa hazo sedera ho ahy any Libano. Hiaraka hankany ny mpiasanao sy ny mpiasako, ka ny karaman'ny mpiasanao dia homeko anao manontolo araka izay hotononinao, satria fantatrao fa tsy mba misy olona mahay mikapa hazo toy ny Fenisianina aty aminay.

21 Faly aoka izany i Hirama raha vao nandre ny tenin'i Salomona, ka nanao hoe: Ankehitriny dia hisaorana anie ny TOMPO noho ny nanomezany zanakalahy hendry an'i Davida mba hanjaka amin'izao vahoaka marobe izao!

22 Dia nandefa izao valinteny izao ho an'i Salomona i Hirama nanao hoe: Voaraiko tsara ny hafatrao; koa dia homeko anao avokoa izay hazo sedera sy kipreso rehetra ilainao.

23 Ny mpiasako no hitondra ireo avy any an-tendrombohitra Libano hankany an-dranomasina; dia hasaiko fehezina ho zahatra sy hatsinkafona ambony rano halefa amin'ny toerana izay hotondroinao, ary any vao hampamahako ka hampanalainao. Ho setrin'izany kosa anefa dia homenao ahy ny sakafo ilaiko hamatsiana ny fianakaviako.

24 Dia nomen'i Hirama an'i Salomona ny hazo sedera sy ny hazo kipreso rehetra izay nilainy;

25 ary i Salomona kosa, ho setrin'izany, dia namatsy varimbazaha enina arivo taonina sy menak'oliva madio valo arivo litatra isan-taona ny fianakavian'i Hirama.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.945