1 Mpanjaka
Toko faha-2
20 Ary hoy i Baty-Seba taminy: Misy zavatra kely iray angatahiko aminao, ka aoka mba tsy holavinao. Ka novalian'ny mpanjaka hoe: Angataho izay tianao, ry neny, fa tsy handa izany aho.21 Dia hoy ravehivavy: Aoka homena an'i Adonia rahalahinao i Abisaga avy any Sonema mba ho vadiny.
22 Fa hoy i Salomona namaly an-dreniny: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga avy any Sonema ho an'i Adonia? Angataho ho azy koa ny fanjakana satria izy no zokiko; dia ho azy izany sy ho an'i Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba zanakalahin'i Tseroia.
23 Dia nianiana tamin'ny TOMPO i Salomona mpanjaka ka nanao hoe: Aoka hataon'Andriamanitra amiko ny famaizana faran'izay mafy raha tsy hataoko maty i Adonia noho izany teniny izany.
24 Velona ny TOMPO Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny sezafiandrianan'i Davida raiko sady nampanantena ho ahy sy ny taranako ny fahefa-manjaka, koa mianiana aho fa tsy maintsy maty anio ihany i Adonia!
25 Ary i Salomona naniraka an'i Benaia zanakalahin'i Joiada mba hamely azy. Dia maty tokoa i Adonia.
26 Hoy kosa ny mpanjaka tamin'i Abiatara mpisorona: Mankanesa any Hanatota any amin'ny taninao, fa olona mendrika ho faty ianao; nefa tsy anio akory no hataoko maty ianao, satria efa mba nitondra ny Vatamasin'ny Tompo ANDRIANANAHARY ihany ianao tamin'ny andron'i Davida raiko sady niara-niaritra ny mafy rehetra nozakainy.
27 Ary naongan'i Salomona tsy ho mpisoron'ny TOMPO intsony i Abiatara; ka dia tanteraka ny teny nolazain'ny TOMPO tao Silao ny amin'ny taranak'i Hely.
28 Vao ren'i Joaba ny nanjo an'i Adonia sy i Abiatara, dia nandositra nankao amin'ny Tranolain'ny TOMPO izy ka namikitra tamin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona. I Joaba manko niandany tamin'i Adonia, kanefa tsy nanaraka an'i Absaloma.
29 Ary nisy olona nanambara ny vaovao tamin'i Salomona ka nanao hoe: Nandositra ao amin'ny Tranolain'ny TOMPO i Joaba ka mialokaloka eo akaikin'ny alitara. Dia naniraka olona i Salomona mba hamototra an'i Joaba hoe: Nahoana ianao no nialokaloka eto akaikin'ny alitara? Ka novalian'i Joaba hoe: Natahotra anao aho ka nialokaloka eto akaikin'ny TOMPO. Dia nirahin'i Salomona hankany i Benaia zanakalahin'i Joiada ka nilazany hoe: Andeha vonoy ho faty izy.
30 Dia nankany amin'ny Tranolain'ny TOMPO i Benaia ka niteny tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Hoy kosa izy: Tsia, fa eto no hahafatesako. Dia nankany amin'ny mpanjaka indray i Benaia nitondra ny valin-tenin'i Joaba.
31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy; ka vonoy ho faty izy, dia aleveno mba ho voaesotrao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny andraikitra amin'ny famonoan'i Joaba ho faty ny olona anankiroa.
32 Hataon'ny TOMPO manody an'i Joaba anie izany, satria olona roa tsy manan-tsiny akory sady tsara fanahy noho izy no nasiany tamin'ny sabatra ka maty, dia i Abinera zanakalahin'i Nera sady filohan-tafik'i Israely sy i Hamasa zanakalahin'i Jetera sady filohan-tafik'i Joda, nefa i Davida raiko tsy mba nahafantatra izany.
33 Eny, hanody tokoa amin'i Joaba sy ny taranany mandrakizay izany; fa fiadanana mandrakizay avy amin'ny TOMPO kosa no ho amin'i Davida sy ny taranany mbamin'ny fianakaviany ary ny sezafiandrianany.
34 Dia niverina niakatra tany amin'i Joaba i Benaia zanakalahin'i Joiada ka namely sy nahafaty azy; ary dia nalevina tao amin'ny toeram-ponenany tany an-taniefitra izy.
35 I Benaia zanakalahin'i Joiada no nasolon'ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadoka mpisorona kosa no nasolony an'i Abiatara.
36 Nampiantso an'i Simehy ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ka mitoera ao; ary aza miala ao mihitsy ianao.
37 Fantaro tsara fa ho faty ianao amin'ny andro izay hialanao ao ka hitanao ny lohasahan-driaka Kidrona; dia ho tompon'andraikitra samirery amin'ny hahafatesanao ianao.
38 Ka hoy i Simehy tamin'ny mpanjaka: Tsara izany, ry andriamanjaka, fa araka izay nolazainao no hataoko. Dia nitoetra ela tao Jerosalema i Simehy.
39 Kanjo telo taona taorian'izany, dia nisy mpanompon'i Simehy roa lahy nandositra ho any amin'i Akisa zanakalahin'i Maheka sady mpanjakan'i Gata. Rehefa nilazana i Simehy fa indreo any Gata ny mpanompony,
40 dia nanisy lasely ny borikiny izy, ka niainga nankany Gata ho any amin'i Akisa haka ny mpanompony. Dia nitodi-doha niverina niaraka tamin'ny mpanompony i Simehy.
41 Fa nisy nanambara tamin'i Salomona ny nankanesan'i Simehy tany Gata sy ny niverenany indray tao Jerosalema.
42 Koa nampiantso an'i Simehy ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'ny TOMPO ve aho mba tsy hiala amin'ny tanana? Ary tsy efa nampitandrina anao ve aho fa raha miala ao ianao, dia tsy maintsy ho faty? Dia hoy ianao namaly ahy tamin'izay hoe: Tsara izany!
43 Koa nahoana ianao no tsy nitana ny fianianana natao tamin'ny TOMPO? Nahoana no tsy notandremanao ny didy izay nomeko anao?
44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simehy: Fantatrao ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko; eny, tsaroan'ny fonao izany; ka dia hataon'ny TOMPO manody anao ny haratsianao.
45 Izaho Salomona mpanjaka kosa hotahina; ary ny sezafiandrianan'i Davida hampitoerina mandrakizay eo anatrehan'ny TOMPO.
46 Dia nanome baiko an'i Benaia zanakalahin'i Joiada ny mpanjaka; dia nivoaka ny trano izy io ka namely an'i Simehy ho faty. Toy izany no nanamafisana ny fahefana maha mpanjaka teo an-tanan'i Salomona.
Toko faha-3
1 Tonga vinantolahin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta i Salomona tamin'ny nanambadiany ny zanany vavy. Nentiny nankany an-tananan'i Davida ny vadiny mandra-pahavita ny lapany sy ny tranon'ny TOMPO ary ny manda manodidina an'i Jerosalema.2 Kanefa tamin'izay ny olona dia mbola nanao sorona teny amin'ny toeram-panasinana ihany, satria tsy mbola nisy ny trano voatokana hanajana ny TOMPO.
3 Notiavin'i Salomona ny TOMPO ka ny toromarik'i Davida rainy no nizorany; nefa izy koa mbola nanao sorona sy nandoro zava-manitra teny amin'ny toeram-panasinana.
4 Indray andro dia nankany Gibehona ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin'i Salomona teo amin'izany alitara izany.
5 Fa raha mbola tao Gibehona i Salomona, dia nisehoan'ny TOMPO Andriamanitra tamin'ny nofy, ka nilazany hoe: Angataho izay tianao homeko anao.
6 Dia hoy i Salomona: Efa nanehoanao fitia lehibe i Davida raiko sady mpanomponao, araka ny nizorany teo anatrehanao tamin'ny toetra mahatoky sy marina sady mahitsy fo; ary notehirizinao ho azy izany fitia lehibe izany, fa nomenao zanakalahy izay mipetraka eo amin'ny sezafiandrianany izy tahaka izao hita anio izao.
7 Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro o, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory.
8 Izaho mpanomponao no filohan'ny vahoaka izay nofidinao, dia vahoaka betsaka tsy tambo isaina noho ny hamaroany.
9 Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?
10 Sitraky ny Tompo Andriamanitra ny nangatahan'i Salomona izany zavatra izany;
11 ka dia hoy Izy tamin'ny mpanjaka: Nangataka izany zavatra izany ianao; tsy ny ho ela velona na ny harena, na koa ny hahafaty ireo fahavalonao no nangatahinao fa kosa fahaiza-manavaka hitondrana ny vahoaka amim-pahamarinana.
12 Koa indro fa araka ny teninao no ataoko: omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao, ka tsy hisy tahaka anao na ny olona tany alohanao na ny olona any aorianao.
13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia omeko anao koa, dia ny harena amam-boninahitra, ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao amin'ny andronao rehetra.
14 Ary raha mizotra amin'ny sori-dalako ianao ka mitandrina ny lalanako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao.
15 Rehefa nifoha i Salomona, dia nahatsapa fa nitenenan'Andriamanitra tamin'ny nofy. Niverina tany Jerosalema izy, ary nitsangana teo anoloan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nanatitra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana; avy eo izy dia nanao fanasana ho an'ny tandapany rehetra.
16 Indray andro dia nisy vehivavy mpivaro-tena roa tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka.
17 Dia hoy ilay vehivavy voalohany: Miray trano izaho sy ity vehivavy ity, ry andriamanjaka, ary teraka tao an-trano aho tamin'ny fotoana nahatao azy koa.
18 Fa telo andro taorian'ny fiterahako, dia mba teraka ny zanany koa io vehivavy io. Izahay roa vavy ihany no tao an-trano fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay.
19 Tamin'io alina io anefa, dia maty ny zanak'ity vehivavy ity fa voatsindriny.
20 Koa tamin'ny misasakalina dia niarina izy naka ny zanako teo anilako raha ilay mbola natory iny aho, ka nampandriany teo anilany; fa ny azy maty kosa no nataony teo anilako.
21 Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho anikeheo maraina, dia indro fa maty izy. Kanjo rehefa nofantariko nony nazava ny andro, dia hitako fa hay tsy ny zanako naterako akory io.
22 Tamin'izay, dia hoy kosa ilay vehivavy faharoa: Tsia! Ny velona no zanako, fa ny maty no anao! Dia hoy ilay voalohany: Tsia! Ny maty no zanakao, fa ny velona no ahy! Nifanditra toy izany teo anatrehan'ny mpanjaka izy roa.
23 Fa hoy kosa ny mpanjaka: Ny iray manao hoe: Ny velona no zanako fa ny maty no anao! Dia mamaly ny iray hoe: Tsia! Ny maty no zanakao fa ny velona no ahy!