Genesỳ
Toko faha-24
62 I Itsehaka kosa niala tao amin'ny fantsakan'i Lahay-Roy, ka nonina tao amin'ny faritany atsimo.63 Indray hariva raha nivoaka hitsangantsangana teny an-tsaha izy, dia nanopy maso ka nahita rameva nanatona.
64 Rehefa nahatazana an'i Itsehaka i Rebeka, dia nidina niala tamin'ny rameva,
65 ary nanontany ilay mpanompo hoe: -Iza moa io lehilahy mandeha ety an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: -Io no tompoko. Dia noraisin'i Rebeka ny voaly, ka nisaronany tarehy.
66 Notantarain'ilay mpanompo an'i Itsehaka avokoa ny zavatra rehetra izay nataony.
67 Avy eo dia nampandrosoin'i Itsehaka tao an-dain'i Sara reniny i Rebeka, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an'i Itsehaka izany taorian'ny nahafatesan-dreniny.
Toko faha-25
1 Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketora no anarany.2 Niteraka enin-dahy tamin'i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimrana sy i Joksana, i Medana sy i Midiana ary i Jisbaka sy i Soa.
3 I Joksana no rain'i Seba sy i Dedana; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak'i Dedana.
4 Ny zanakalahin'i Midiana dia i Hefa sy i Hefera, i Hanoka sy i Abida ary i Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora.
5 Nomen'i Abrahama an'i Itsehaka avokoa izay rehetra nananany.
6 Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an'i Itsehaka zanany hankany amin'ny tany atsinanana.
7 Nahatratra dimy amby fitopolo amby zato taona no nahaveloman'i Abrahama,
8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin'ny razany.
9 I Itsehaka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin'ny lava-baton'i Makpela, ao amin'ny sahan'i Hefrona zanakalahin'i Tsohara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin'i Mamre.
10 Novidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an'i Abrahama sy i Sara vadiny.
11 Taorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia notahin'Andriamanitra i Itsehaka zanany, izay nonina tao akaikin'ny fantsakana Lahay-Roy.
12 Izao no lisitry ny taranak'i Jismahela, zanakalahin'i Abrahama, naterak'i Hagara ilay Ejiptianina mpanompovavin'i Sara.
13 Ireto avy no anaran'ny zanakalahin'i Jismahela araka ny laharan'ny nahaterahany: i Nebaiota sy i Kedara, i Adbeela sy i Mibsana,
14 i Misma sy i Doma, i Masa
15 sy i Hadada, i Tema sy i Jetora ary i Nafisy sy i Kedma.
16 Ireo no zanak'i Jismahela 12 lahy, samy lehiben-tarika avy. Samy mitondra ny anarany avy ny tananany sy ny tobiny.
17 Nahatratra 137 taona i Jismahela vao niala aina, ary maty ka nakambana tamin'ny razany.
18 Ny nipetrahan'ny taranak'i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havila ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin'i Ejipta tamin'iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin'ireo taranak'i Abrahama hafa no nitoerany.
19 Izao no tantaran'i Itsehaka: I Itsehaka dia zanakalahin'i Abrahama.
20 Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an'i Rebeka, anabavin'i Labana sady zanakavavin'i Betoela izay Aramianina tao Padana-Arama.
21 Nitaraina tamin'ny TOMPO ho an'ny vadiny i Itsehaka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin'ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebeka vadiny.
22 Nifandaka ireo zaza kambana tao an-kibony, ka hoy Rebeka hoe: -Raha toy izany, nahoana re aho no nitoe-jaza? Dia lasa nanontany ny TOMPO izy.
23 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
24 Nony tonga ny andro hiterahany, dia niteraka zaza kambana tokoa i Rebeka.
25 Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany.
26 Taorian'izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr'i Hesao ka natao hoe Jakoba ny anar Taorian'izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr'i Hesao ka natao hoe Jakoba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehaka tamin'ny nahaterahan'izy mirahalahy.
27 Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakoba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
28 I Itsehaka dia tia an'i Hesao, satria nankafy ny hazany; fa i Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
29 Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakoba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy,
30 ka nangataka taminy hoe: -Mba omeo kely amin'io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin'ny anaram-bositra hoe Edoma na Ilaimena).
31 Dia namaly azy i Jakoba hoe: -Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32 Dia hoy i Hesao hoe: -Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana?
33 Fa namaly indray i Jakoba hoe: -Mianiana amiko ary ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin'i Jakoba ny fizokiany.
34 Ary nomen'i Jakoba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.
Toko faha-26
1 Nisy mosary teo amin'ny tany, hafa noho izay niseho tamin'ny andron'i Abrahama; koa lasa i Itsehaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'i Filistinina tao Gerara.2 Niseho taminy ny TOMPO ka nanao hoe: -Aza mandeha midina any Ejipta, fa monena eo amin'ny tany izay hambarako anao.
3 Mivahinia eto amin'ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin'i Abrahama rainao.
4 Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany,
5 satria efa nihaino ny feoko i Abrahama, ka nitandrina ny baikoko sy ny didiko ary ny fitsipiko sy ny lalanako.
6 Nonina tao Gerara i Itsehaka.
7 Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin'izany toerana izany, fa novaliany hoe: Anabaviko izy. Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin'ny olona tamin'izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin'i Rebeka fa tsara tarehy loatra ravehivavy.
8 Ary rehefa ela no nitoeran'i Itsehaka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka indray andro ka nahita an'i Itsehaka nisangisangy an'i Rebeka vadiny.
9 Nampanantsoin'i Abimeleka i Itsehaka ka nilazany hoe: -Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin'i Itsehaka azy: -Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy.
10 Dia hoy indray i Abimeleka hoe: -Inona ity nataonao taminay? Efa nisy lehilahy anankiray tamin'ny vahoaka saika handry tamin'ny vadinao, ka ho nahatonga heloka taminay ianao.