1 Samoela

Toko faha-18

8 Nahatezitra mafy an'i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: An'alinalina lahy no nomeny an'i Davida, fa an'arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!

9 Nanomboka tamin'io andro io, dia ratsy fijery an'i Davida izy.

10 Ny ampitso, dia nisy fanahy ratsy nalefan'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka nampirediredy azy eran'ny trano. Toy ny fanaony dia nitendren'i Davida feon-kira tamin'ny harpa i Saoly izay efa nitana lefona.

11 Natorak'i Saoly ny lefona sady hoy izy hoe: Hasiako hifantsika amin'ny rindrina i Davida. Nefa indroa tsy nahavoa izy satria nahay niala hatrany i Davida.

12 Natahotra an'i Davida i Saoly, satria fantany fa nomba azy ny TOMPO, saingy ny tenany kosa efa nialany.

13 Izany no antony nampihatahany an'i Davida tsy ho eo aminy, ka nanaovany azy ho filohan'ny andian-tafika iray. Izy no nitarika ny miaramila niantafika,

14 ary fahombiazana hatrany no azon'i Davida tamin'izay rehetra nataony, satria nomba azy ny TOMPO.

15 Nitombo hatrany kosa ny tahotr'i Saoly, rehefa hitany ireo fahombiazana azon'i Davida.

16 Eo an-danin'izany anefa, ny Israelita sy ny Jodeanina dia samy tia an'i Davida avokoa, satria izy no nitarika azy isaka izay niantafika.

17 Hoy i Saoly anakampo hoe: Aoka aho tsy haninona an'i Davida, fa avelao ny Filistinina no hamono azy! Izany no nitenenany tamin'i Davida hoe: Indro i Meraba zanako vavimatoa homeko ho vadinao, raha toa ka manompo ahy amin-kerim-po ianao, ary koa mazoto amin'ireo adin'ny TOMPO.

18 Ka hoy ny navalin'i Davida an'i Saoly: Ry mpanjaka, iza moa aho ary zinona ny fiainako sy ny fianakaviamben'ny raiko, no ho tonga vinantonao aho?

19 Nefa tamin'ny fotoana izay tokony hanomezan'i Saoly an'i Meraba ho vadin'i Davida, no nanomezana azy indray ho vadin'i Hadriela avy any Mehola.

20 Fa i Mikala zanakavavin'i Saoly iray kosa, raiki-pitia tamin'i Davida. Koa rehefa nambara tamin'i Saoly izany zavatra izany, dia nahafaly azy;

21 hoy izy manko anakampo: Homeko ho vadiny i Mikala hahazoako mamandrika azy, ary dia hamono hahafaty azy ny Filistinina. (Fanindroany izao no nilazan'i Saoly tamin'i Davida ny hahavinantony azy)

22 Ary i Saoly nibaiko ireo minisitra tao aminy mba hiresaka mangina amin'i Davida hoe: Mankasitraka tsara anao ny mpanjaka ary tia anao koa izahay minisitra. Koa ekeo re ankehitriny ny ho tonga vinanton'ny mpanjaka.

23 Dia naverin'ireo minisitr'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany. Fa hoy i Davida tamin'izy ireo: Heverinareo fa zavatra kely moa izany ho vinanton'ny mpanjaka izany? Izaho anefa dia olo-mahantra tsy misy dikany.

24 Notantarain'ireo minisitr'i Saoly taminy izay teny navalin'i Davida azy ireo.

25 Ka hoy i Saoly hoe: Izao indray ary no holazainareo aminy: Ny mpanjaka dia tsy mila vodiondry aminao afa-tsy tsitsy zato avy amin'ny Filistinina, mba hamaliana faty ny fahavalon'ny mpanjaka. Izany no noheverin'i Saoly fa hianjeran'i Davida eo an-tanan'ny Filistinina.

26 Dia nentin'ireo minisitra tany amin'i Davida izany teny izany, ka nankasitrahiny ihany ny ho vinanton'ny mpanjaka. Raha tsy mbola dila akory ny fetra nomen'ny mpanjaka,

27 dia efa lasa nanafika i Davida sy ny olony ka nahafaty Filistinina roanjato lahy. Nentin'i Davida ny tsitsin'izy ireo ka nasehony tsirairay an'i Saoly, mba hahatonga azy ho vinanton'ny mpanjaka. Dia neken'i Saoly ho vadin'i Mikala zanany vavy i Davida.

28 Nazava tamin'i Saoly izao fa nomba an'i Davida ny TOMPO ary koa tia azy i Mikala zanany vavy.

29 Koa nihamafy hatrany ny tahotr'i Saoly an'i Davida, hany ka loza ny fankahalany azy.

30 Tamin'izany fotoana izany dia nandeha nanafika ny Israelita ireo andriana filohan'ny Filistinina. Ary isaky ny misy fanafihana, dia mahery hatrany noho ireo miaramila manamboninahitr'i Saoly i Davida, hany ka tonga nanan-daza tokoa izy.

Toko faha-19

1 Nampahafantarin'i Saoly an'i Jonatana zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an'i Davida. Nefa i Jonatana tia fatratra an'i Davida,

2 ka nampitandrina azy hoe: Mihevitra ny hahafaty anao i Saoly raiko; koa mitandrema tsara ianao rahampitso maraina; miere amin'izay fiafenana azo antoka ka mitoera ao.

3 Hiainga hiaraka amin-draiko aho ka hanaraka azy any amin'ny saha hierenao. Hiresaka ny momba anao aminy aho, ka ho hitako eo izay ho fihetsiny, fa hampahafantariko anao.

4 Ary i Jonatana nandoka ny hatsaran'i Davida tamin-drainy, ka niteny hoe: Aza asianao ratsy i Davida mpanomponao, ry mpanjaka, fa tsy mba nanao izany taminao izy, sady ny soa ho anao hatrany no nikelezany aina.

5 Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an'i Goliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an'i Israely no azo avy amin'ny TOMPO, ary faly ery ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an'i Davida tsy amin'antony?

6 Resy lahatry ny tenin'i Jonatana i Saoly ka nanambara hoe: Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa tsy hatao maty akory i Davida.

7 Dia nantsoin'i Jonatana i Davida ka nilazany izany resaka rehetra izany; avy teo i Davida dia nentiny nankany amin'i Saoly, ary nanompo ny mpanjaka toy ny teo aloha indray.

8 Nirongatra indray ny ady, dia lasa i Davida niady tamin'ny Filistinina ka nampitondra faisana mafy azy; hany herin'izy ireo dia ny nandositra teo anatrehany.

9 Indray andro dia tonga tamin'i Saoly ny fanahy ratsy nalefan'ny TOMPO, raha nipetraka tao an-tranony ka nihazon-defona izy. Teo am-pitendrena harpa i Davida tamin'izay.

10 Notorahan'i Saoly lefona hifantsika amin'ny rindrina i Davida, saingy nahay niala izy ka ny rindrina no voa. Afa-nandositra i Davida fa tsy maty fo aman'aina. Iny alina iny ihany,

11 i Saoly dia nandefa olona hiambina ny tranon'i Davida ary hamono azy ho faty ny ampitso maraina. Fa i Mikala vadin'i Davida kosa nampandre azy ka nanao taminy hoe: Raha tsy manavotra ny ainao izao alina izao ianao, dia ho faty tokoa rahampitso!

12 Dia nampidinin'i Mikala teo am-baravarankely i Davida ka afa-nandositra nanavotra ny ainy.

13 Nalain'i Mikala ny sampim-pianakaviana ka nampandriany teo am-parafaran'i Davida, dia nampiondaniny volon'osy ary norakofany lamba.

14 Koa rehefa tonga hisambotra an'i Davida ireo irak'i Saoly, dia hoy i Mikala tamin'izy ireo: Marary izy.

15 Fa nalefan'i Saoly hijery an'i Davida fanindroany ireo iraka sady nohafarany hoe: Ento aty amiko amin'ny farafara izy fa tsy maintsy matiko!

16 Dia niverina tany ireo iraky ny mpanjaka, kanjo indro sampy mandry eo am-parafara, miondana volon'osy, no hitany.

17 Ka hoy i Saoly tamin'i Mikala: Nahoana aho no nofitahinao toy izao? Ary nahoana no navelanao handositra ny fahavaloko? Fa izao no navalin'i Mikala azy: Izy mihitsy no niteny tamiko hoe: Avelao aho handeha, sao ho matiko eo ianao.

18 Toy izany no nahavoavonjy an'i Davida raha nandositra izy. Dia tonga tany amin'i Samoela tany Rama izy, ka nitantara taminy izay rehetra nafitsok'i Saoly azy. Ary nandeha tany Naiota izy mianaka ka niara-nonina tao.

19 Nisy nanambara tamin'i Saoly fa ao Naiota akaikin'i Rama i Davida.

20 Dia naniraka olona indray i Saoly hisambotra an'i Davida. Rehefa hitan'izy ireo anefa ny andiana mpaminany izay tarihin'i Samoela fa tsindrian-daona maminany, dia nohetsehin'ny Fanahin'Andriamanitra ireto irak'i Saoly, ka nanomboka naminany koa.

21 Raha vao ren'i Saoly izany vaovao izany, dia naniraka olon-kafa izy, nefa tsindrian-daona naminany ihany koa izy ireo. Naniraka andiany fahatelo indray i Saoly, ary dia mbola toy ny teo aloha ihany no niseho.

22 Farany dia izy tenany mihitsy no nankany Rama. Rehefa tonga teo amin'ny lavaka lehibe famorian-drano akaikin'i Seko izy, dia nanontany hoe: Aiza moa i Samoela sy i Davida? Ka hoy ny navalin'ny olona azy hoe: Any Naiota, akaikin'i Rama.

23 Dia lasa nankany Naiota akaikin'i Rama i Saoly. Teny an-dalana dia tonga taminy ny Fanahin'Andriamanitra, ka tsindrian-daona naminany mandra-pahatongany tany Naiota izy.

24 Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan'i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin'ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan'ny olona hoe: Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?

Toko faha-20

1 Nitsoaka avy tao Naiota akaikin'i Rama i Davida, ka nankany amin'i Jonatana zanakalahin'i Saoly izay nanontaniany hoe: Inona no nataoko an-drainao, inona no fahadisoako, ary inona no heloko teo anatrehany no dia mifofo ny aiko izy?

2 Dia hoy i Jonatana taminy: Sanatria aminao izany, tsy ho faty akory ianao; fa ambaran-draiko amiko hatrany manko izay zavatra hataony na kely izany na lehibe; koa hataony ahoana no hanafina izany raharaha lehibe izany amiko?

3 Mbola nikiry nanao izao fianianana izao i Davida hoe: Fantatry ny rainao tsara ny halehiben'ny fitiavanao ahy, ka hoy izy anakampony: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany fandrao hampalahelo azy. Nefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka sahiko lazaina fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy sy ny fahafatesana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0455