1 Samoela
Toko faha-10
11 Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: Fa inona no nanjo ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?12 Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto? Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?
13 Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.
14 Ary hoy ny rahalahin-drainy taminy: Fa taiza ianao sy ny mpanomponao? Dia hoy ny navaliny hoe: Nitady ny borikivavy izahay, nefa tsy nahita, ka dia nankany amin'i Samoela.
15 Ary hoy ilay dadatoany hoe: Tantarao amiko ary izay nambaran'i Samoela anareo.
16 Ka hoy i Saoly taminy: Nambarany taminay fotsiny fa efa hita indray ireo borikivavy.
17 Nampiantso ny vahoaka israelita hankeo anatrehan'ny TOMPO any Mitsepa i Samoela,
18 ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Izaho no nampiakatra anareo Israelita hiala avy tany Ejipta; Izaho no namonjy anareo tamin'ny vahoakan'ny Ejiptianina sy ny fanjakana rehetra izay namoritra anareo.
19 Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nanda ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin'ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: Omeo mpanjaka izahay! Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan'ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.
20 Nasain'i Samoela nandroso tsirairay ny fokon'i Israely, ka ny fokon'i Benjamina no voatendrin'ny antsapaka.
21 Dia nampanatoniny isam-pianakaviana ny fokon'i Benjamina, ka ny fianakavian'i Matry no voatendrin'ny antsapaka. Ary farany, tamin'io fianakaviana io dia i Saoly zanakalahin'i Kisy no voatendrin'ny antsapaka. Rehefa izany, dia nitady azy ny olona nefa tsy nahita azy mihitsy.
22 Dia nanontanian'ny olona indray ny TOMPO hoe: Mba efa tonga teto ve iny lehilahy iny? Ka novalian'ny TOMPO hoe: Eny, andeha jereo ao amin'ny entana fa ao izy no miafina.
23 Dia nilomay naka azy tao ny olona, ary niseho tamin'izay izy sady nitsangana teo afovoan'ny vahoaka, ka nanatombo halavana amin'ny olon-drehetra.
24 Ary hoy i Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Indro ilay nofidin'ny TOMPO; jereo fa tsy misy tahaka azy amin'ny vahoaka rehetra. Dia nihoby azy ny olon-drehetra, ka nihiaka mafy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
25 Ary nohazavain'i Samoela tamin'ny vahoaka ny zo aman'andraikitry ny mpanjaka, ary nosoratany tamina boky izany ka napetrany teo anatrehan'ny TOMPO tao amin'ny Toeramasina. Farany dia nasain'i Samoela nody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
26 I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibeha, niaraka tamin'ireo vatan-dehilahy izay nentanin'Andriamanitra ho mpomba azy.
27 Fa nisy kosa ireo olona ratsy fanahy izay nanao hoe: Ahoana tsara? Io ve no mba hamonjy antsika? Notebahin'ireo i Saoly ary tsy nitondrany fanomezana. Nefa tsy noraharahain'i Saoly akory izany.
Toko faha-11
1 Tonga nanafika ny tananan'i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin'i Jabesy taminy: Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.2 Fa hoy ny navalin'i Nahasy azy: Sitrako ny hanao fanekena aminareo raha toa ka hopotseriko avokoa ny masonareo ankavanana; fa ny hahafa-baraka an'i Israely manontolo mihitsy no tadiaviko.
3 Hoy kosa ireo loholon'i Jabesy taminy: Omeo fito andro izahay hahafahanay mandefa iraka manerana ny faritanin'i Israely; fa raha tsy misy mamonjy anay, dia hitolo-batana aminao izahay.
4 Rehefa tonga tany Gibeha tananan'i Saoly ireo iraka ka nitantara ny vaovao misy, dia samy nigogogogo nitomany ny vahoaka rehetra.
5 Tamin'izay indrindra no tonga avy any an-tsaha niroaka ny ombiny i Saoly, ka nanontany izay anton-javatra nampitomany ny olona. Dia nitaterana izay voalazan'ny iraka avy any Jabesy izy.
6 Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.
7 Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin'ireo iraka manerana ny faritan'i Israely, miaraka amin'izao fampitandremana hoe: Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin'izay tsy manaraka an'i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin'izay mety hataon'ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.
8 Nampanaovin'i Saoly matso tao Bezeka izy ireo, dia noisainy ka nahatratra andiany telonjato ny avy amin'ireo foko tavaratra ary andiany telopolo ny avy amin'ny fokon'i Joda.
9 Ireo iraka avy any Jabesy Gilehada kosa dia nasaina nilaza tamin'ny mponina any aminy hoe: Rahampitso rehefa antoandrobenanahary iny, dia ho voavonjy ianareo Dia lasa ny iraka nanambara izany vaovao izany tamin'ny mponin'i Jabesy, izay faly aoka izany
10 sady niteny tamin'ny Hamonita hoe: Rahampitso dia hitolo-batana aminareo izahay ka ataovy aminay izay tianareo hatao.
11 Ny ampitso dia nozarain'i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin'ny tobin'ny fahavalo talohan'ny madiva haraina ary namely ny Hamonita hatramin'ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.
12 Ary hoy ny vahoaka israelita tamin'i Samoela: Aiza moa ireo olona nilaza fa tsy tokony hanjaka aminay i Saoly? Atolory anay ireny fa hataonay maty tokoa!
13 Fa hoy kosa i Saoly hoe: Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty amin'ny andro toy izao, satria androany no nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'i Israely.
14 Dia hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita: Andeha isika hankany Gilgala hanamafy orina ny maha mpanjaka an'i Saoly.
15 Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka rehetra. Ary tany, tao amin'ny Toeramasina, no nanambarana ampahibemaso indray teo anatrehan'ny TOMPO, ny maha mpanjaka an'i Saoly; tany koa no nanaovany sorom-pihavanana amin'ny TOMPO. Ary dia nifaly aoka izany i Saoly sy ny mponina rehetra tao Israely.
Toko faha-12
1 Ary hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita rehetra: Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho.2 Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin'ny fahatanorako aho ka mandraka androany.
3 Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan'ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin'olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.
4 Dia hoy ny navalin'ny Israelita: Tsy nanambaka na nampahory anay ianao. Tsy nandray tsolotra na tamin'iza na tamin'iza koa ianao.
5 Hoy indray i Samoela tamin'izy ireo: Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako. Dia hoy ny vahoaka teo hoe: Eny, izy ireo no vavolombelona.
6 Ary hoy ihany i Samoela tamin'izy ireo: Ny TOMPO no vavolombelona, dia Izy izay nifidy an'i Mosesy sy i Aharona, ka nampiakatra ny razanareo hiala tany Ejipta.
7 Ary ankehitriny mitsangana eto anatrehan'ny TOMPO, fa hambarako hitsara anareo ireo soa rehetra nataon'ny TOMPO taminareo sy ny razanareo.
8 Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakoba, dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an'i Mosesy sy i Aharona IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin'ity tany ity.
9 Nefa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ny razanareo, koa izany no namelany an'i Sisera, jeneralin'ny tafik'i Hatsora sy namelany ny Filistinina ary ny mpanjakan'i Moaba hiady aminy ka handresy azy.
10 Dia nitaraina tamin'ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: TOMPO o, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastoreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
11 Ary ny TOMPO naniraka an'i Gidehona sy i Bedana sy i Jefta, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin'ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin'ny tany ianareo.
12 Kanjo rehefa hitanareo fa avy hanafika anareo ny Nahasy mpanjakan'ny Hamonita, dia hoy ianareo tamiko: Mila mpanjaka izahay!; toy ny hoe tsy mpanjakanareo ny TOMPO Andriamanitra.
13 Koa indro ny mpanjaka izay nirinareo sy nangatahinareo hanjaka aminareo fa nomen'ny TOMPO anareo.
14 Raha manaja sy manompo ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, raha mankato ny teniny sy mitandrina ny didiny, dia mbola hanaraka AZY ianareo sy ny mpanjaka izay hifehy anareo.
15 Fa raha tsy mankato ny tenin'ny TOMPO sy tsy mitandrina ny didiny kosa ianareo, dia haneho ny heriny aminareo ny TOMPO, tahaka izay efa nataony fahiny tamin'ny razanareo.
16 Ary ankehitriny mivonona ianareo hijery ny zava-mahagaga lehibe izay hataon'ny TOMPO eo imasonareo.
17 Tsy izao ve no fotoam-pijinjam-barim-bazaha? Hivavaka amin'ny TOMPO aho, dia hampikotroka ny andro sy hampilatsaka ny orana Izy; koa dia ho tsapanareo ny halehiben'ny ratsy vitanareo tamin'ny TOMPO raha nangataka mpanjaka ianareo.
18 Ary i Samoela nivavaka tamin'ny TOMPO, izay nampikotroka ny andro ary nampilatsaka ny orana androtriny ihany; ka nohajain'ny vahoaka rehetra tokoa ny Tompo sy i Samoela.