1 Samoela
Toko faha-12
19 Dia hoy ny besinimaro tamin'i Samoela: Ivavaho amin'ny TOMPO Andriamanitrao izahay mba tsy ho faty, fa fahotana maro no efa vitanay ankoatra ny fangatahanay mpanjaka ho anay.20 Hoy kosa i Samoela taminy: Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo; kanefa aza miala amin'ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin'ny fonareo manontolo.
21 Raha miala aminy ianareo, dia tsy maintsy manompo andriamani-tsiizy, izay tsy mahasoa na mahavonjy akory, satria zava-poana ihany.
22 Fa tsy handao anareo ny TOMPO noho ny fitandroany ny voninahiny, satria efa sitrany ny nanao anareo ho vahoakany.
23 Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin'ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.
24 Izao ihany no ataoko aminareo: hajao ny TOMPO ka tompoy marina amin'ny fonareo manontolo, ary tsarovy ny zava-dehibe izay nataony ho anareo.
25 Kanefa raha mbola mikiry manota ianareo, dia hiara-devona amin'ny mpanjakanareo.
Toko faha-13
2 Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin'ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr'i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin'i Jonatana tao Gibehan'i Benjamina. Ary ny vahoaka sisa dia nasain'i Saoly nody any aminy avokoa.3 Novonoin'i Jonatana ho faty ny governora filistinina izay tao Geba, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain'i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!
4 Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin'i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran'ny Filistinina tamin'i Israely izany. Dia nivory nanaraka an'i Saoly tany Gilgala ny tafiny.
5 Ny Filistinina kosa tetsy an-danin'izany dia vory lanona mba hiady amin'i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan'i Bety-Avena.
6 Rehefa hitan'ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin'ny harambato sy tany ambanin'ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.
7 Ny Hebreo sasany aza tafita an'i Jordana mba hialokaloka any amin'ny tanin'i Gada sy i Gilehada. Mbola tany Gilgala i Saoly tamin'izay, ary rano an-dravina ny miaramila rehetra nanaraka azy.
8 Fito andro no niandrasany ny fe-potoana nomen'i Samoela, nefa i Samoela tsy tonga tany Gilgala. Nanomboka niparitaka nandao an'i Saoly ny miaramilany.
9 Koa nodidian'i Saoly hoentina eo aminy ny biby hatao sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana, ary dia ny tenany mihitsy no nanolotra ny sorona dorana manontolo.
10 Vao vita ny sorona nataony, dia tonga i Samoela; ary nanatona hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy.
11 Dia hoy i Samoela nanontany azy: Fa inona no nataonao? Ka novalian'i Saoly hoe: Rehefa hitako fa niparitaka nandao ahy ny miaramilako, ary ianao koa tsy tonga tamin'ny fotoana nifanomezana, nefa ny Filistinina efa vory lanona tao Mikmasy,
12 dia noheveriko fa ankehitriny dia ho avy hanafika ahy aty Gilgala ny Filistinina; nefa izaho ity tsy mbola nahazo ny fanambinan'ny TOMPO, koa dia ny tenako mihitsy no nandray andraikitra nanatitra ny sorona dorana manontolo.
13 Ary hoy i Samoela tamin'i Saoly: Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen'ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain'ny TOMPO mandrakizay tamin'i Israely ianao sy ny taranakao.
14 Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan'ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.
15 Nandao an'i Gilgala i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an'i Saoly, rehefa niala tao Gilgala ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehan'i Benjamina. Noisain'i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.
16 Nitoby tao Gibehan'i Benjamina i Saoly sy ny zanany ary ireo miaramila niara-dia taminy, fa ny Filistinina kosa tao Mikmasy.
17 Indray andro dia nisy mpanao vy very ny ainy nivoaka avy tamin'ny tobin'ny Filistinina, ka nizara telo izy ireo. Ny andiany voalohany nihazo ny lalana mankany Hofra ao amin'ny faritr'i Sohala,
18 ny andiany faharoa ny mankany Bety-Horona, ary ny fahatelo ny mankany amin'ny sisin-tany dia ny lalana mandondona ny lohasahan'i Tsebohima tandrifin'ny taniefitra.
19 Tamin'izany, dia tsy nahitana mpanefy teo amin'ny tanin'i Israely, satria natahotra ny Filistinina sao mahavita sabatra aman-defona ny Hebreo.
20 Noho izany dia samy nankany amin'ny Filistinina ny Israelita mba hanasa ny lelan'angadinombiny, ny lapikany sy ny famakiny ary ny angadiny.
21 Ny fanasana lelan'angadinomby na lapika, na famaky, na angady na ny fanindronan'omby dia mitentina androatokon'ny sekela volafotsy.
22 Koa tamin'ny andro nipoahan'ny ady dia tanam-polo no nentin'ny miaramila israelita; i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no mba nanana sabatra sy lefona.
23 Nisy andiana miaramila filistinina naka toerana teo amin'ny hadilalan'i Mikmasy.
Toko faha-14
1 Indray andro, dia hoy i Jonatana zanakalahin'i Saoly tamin'ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: Andeha hotafihintsika ny tobin'ny miaramila Filistinina ery ampita ery. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jonatana.2 I Saoly tamin'izay dia nipetraka teo an-tsisin'i Gibeha, teo ambanin'ny ampongabendanitr'i Migrona niaraka tamin'ny miaramila tokony ho eninjato.
3 Nisy mpisorona iray nisalotra efoda teo, dia i Ahia zanakalahin'i Ahitoba izay rahalahin'i Ikaboda. (Ity Ikaboda ity dia zanakalahin'i Pinehasa ary zafikelin'i Hely, izay mpisoron'ny TOMPO tao Silao). Tsy nisy nahafantatra ny miaramila fa lasa i Jonatana.
4 Mba hahatrarany ny andiana miaramila filistinina, dia nitsofoka teo anelanelan'ny harambato marani-doha roa atao hoe Botsetsa sy Sene i Jonatana;
5 ny voalohany dia nijoro teo amin'ny lafiny avaratra, manatrika an'i Mikmasy, ny faharoa kosa tamin'ny lafiny atsimo, manolotra an'i Geba.
6 Dia hoy izany i Jonatana tamin'ny mpanompony: Andeha hotafihintsika ny tobin'ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.
7 Hoy kosa ilay mpanompo namaly azy: Ataovy izay mahadiavolana ny fonao; alao hery, fa vonona hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao.
8 Dia hoy ihany i Jonatana: Hanatona moramora ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 Raha miteny amintsika izy hoe: Aoka! Andraso fa ho eny aminareo izahay, dia hijanona eo amin'izay nisy antsika isika, ka tsy hiakatra eny aminy.
10 Fa raha tahiny kosa izy manao amintsika hoe: Miakara ety aminay, dia hiakatra isika, satria izay no famantarana ho antsika fa natolotry ny TOMPO horesentsika ireo.
11 Dia nanolo-tena ho hitan'ny Filistinina izy roa lahy, ary hoy ny Filistinina: Indreo ny Hebreo fa mivoaka ny lavaka fiereny.
12 Niantso mafy an'i Jonatana sy ny mpanompony ireo miaramila filistinina ka nanao hoe: Miakara mankaty aminay, fa misy zavatra holazainay aminareo. Dia hoy i Jonatana tamin'ny mpanompony: Miakara manaraka ahy fa efa natolotry ny TOMPO horesen'i Israely ireo.
13 Dia niakatra i Jonatana, ka namikitra tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpanompony. Nasian'i Jonatana ireo Filistinina ka lavo ary novitain'ilay mpanompo nanaraka azy kosa.
14 Io famelezana voalohany nafitsok'i Jonatana sy ny mpanompony io, dia nahafatesana Filistinina roapolo lahy, voavono tao anatin'ny faritra sahabo ho ampahefatry ny hekitara.
15 Nihorohoro ny Filistinina tafajanona tao an-toby sy ny mponina rehetra teny manodidina; tera-kovitra ihany koa mbamin'ny miaramila lohalalana sy ny mpanao vy very ny ainy. Nihovitrovitra ny tany; ka dia nisy fangitakitahana lehibe dia lehibe.
16 Tazan'ny mpitilin'i Saoly, avy tao Gibehan'i Benjamina, ny vahoaka filistinina nifanaritaka izaitsizy.
17 Ka hoy i Saoly tamin'ireo miaramilany: Ataovy ny fiantsoana anarana, ka jereo izay nitsoaka an-daharana. Dia natao ny fiantsoana anarana, ary tsapa ny tsy nahateo an'i Jonatana sy ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany.
18 Dia hoy i Saoly tamin'i Ahia mpisorona: Ento aty ny Vatamasin'ny Tompo. (Tamin'izany andro izany manko dia teo amin'ny tobin'ny Israelita ny Vatamasin'ny Tompo.)
19 Raha mbola niteny tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nihamafy ny kotaba tao amin'ny tobin'ny Filistinina. Ka hoy i Saoly tamin'i Ahia: Aoka ihany, tsoahy ny tananao.
20 Novorin'i Saoly ny tafiny manontolo mba handeha hiady amin'ny Filistinina izay efa nifanjevo sy nifamono ho faty tamin'ny sabatra.
21 Ny Hebreo sasany izay nanompo ny Filistinina taloha sady niara-niakatra taminy ho any an-toby, dia nihodina nankamin'i Israely notarihin'i Saoly sy Jonatana.