1 Samoela

Toko faha-8

7 Nefa hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Ekeo ny fangatahan'ny vahoaka amin'izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.

8 Nanomboka tamin'ny andro nanafahako azy tany Ejipta ka mandraka izao, dia tsy nitsaha-niodina tamiko izy fa nanompo andriamani-kafa; koa izay efa nataony tamiko no mbola ataony aminao koa ankehitriny.

9 Noho izany, dia ekeo ihany ny fangatahany; kanefa aza misoron-teny aminy ianao fa atoroy azy ny zon'izay ho mpanjakany.

10 Dia nitatitra ny teny rehetra nataon'ny TOMPO i Samoela ka nilaza tamin'ireo vahoaka nangata-mpanjaka hoe:

11 Ireto avy no zon'izay ho mpanjakanareo: ny zanakareo lahy dia halainy ka hataony miaramila mpitondra kalesin'ady sy mpitaingin-tsoavaly, na hataony mpihazakazaka eo alohan'ny kalesiny;

12 ny sasany hataony manamboninahitra mpibaiko rezimanta na vondron-tafika. Ny hafa hataony mpiasa ny taniny sy mpijinja ny vokany, na koa mpanefy fiadiana sy fitaovana momba ny kalesy.

13 Halainy koa ny zanakareo vavy ka hataony mpamboatra ranomanitra na mpahandro hanina na mpanao mofo.

14 Halainy ka homeny ny mpanompony izay tsara amin'ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo ary ny taninolivanareo;

15 halainy koa ny ampahafolon'ny vokatry ny taninareo sy tanimboalobokareo ka homeny ny mpiasam-panjakany sy ny manamboninahiny. 16 Halainy ny mpanomponareo, ny matanjaka amin'ny tanoranareo, eny, hatramin'ny borikinareo aza, dia hampiasainy ho amin'ny tombontsoany.

17 Halainy koa ny ampahafolon'ny biby fiompinareo. Raha bangoina, dia ny tenanareo mihitsy no hoandevoziny.

18 Hitaraina amin'ny TOMPO ianareo amin'izany fotoana izay noho ny mpanjaka izay nofidinareo, saingy tsy nihaino anareo Izy.

19 Tsy noraharahain'ny Israelita anefa ny tenin'i Samoela, fa hoy izy ireo hoe: Tsy ahoanay izany, fa mba mila mpanjaka koa izahay

20 mba ho tahaka ireo firenen-kafa; ka ny mpanjakanay no hitsara anay sy ho mpitari-tafikay ary hiady hiaraka aminay.

21 Nohenoin'i Samoela ny teny rehetra voalazan'ny vahoaka israelita ka notateriny tamin'ny TOMPO.

22 Hoy kosa ny TOMPO tamin'i Samoela: Ekeo izay angatahiny aminao ka omeo mpanjaka izy. Taorian'izany, dia nasain'i Samoela nody any amin'ny tananany avy ny Israelita.

Toko faha-9

1 Tamin'izany fotoana izany, dia nisy lehilahy tsongoin'olom-bolo avy amin'ny fokon'i Benjamina natao hoe Kisy. Izy dia zanakalahin'i Abiela sy zafikelin'i Tserora ary zafiafin'i Bekorata sy zafindohalik'i Afia.

2 Ary i Kisy nanan-janakalahy atao hoe Saoly izay tovolahy sady taviny no volony; tsy nisy teo amin'i Israely nihoatra azy tamin'ny hatsaran-tarehy, ary nanatombo halavana amin'ny olon-drehetra koa izy.

3 Indray andro dia very ireo borikivavin'i Kisy rain'i Saoly; dia hoy i Kisy tamin-janany: Ento miaraka aminao ny mpanompo iray, ka mandehana ianareo mitady ireo borikivavy.

4 Nitety ny faritra be tendrombohitra any Efraima aloha i Saoly sy ilay namany, avy eo ny faritanin'i Salisa, nefa tsy nahita na inona na inona; dia namakivaky ny faritanin'i Salima indray izy ireo, nefa tsy mbola nahita ihany.

5 Nony tonga teo amin'ny faritanin'i Tsofo izy ireo, dia hoy i Saoly tamin'ilay mpanompo nanaraka azy: Andeha hitodi-doha hiverina isika, sao isika indray no mampanahy an'i Dada fa tsy ny borikivavy intsony.

6 Hoy kosa ilay mpanompo taminy: Andraso fa misy izay lehilahin'Andriamanitra izay amin'iry tanana iry; ary malaza tokoa izy, satria tsy misy tsy tanteraka izay rehetra ambarany. Koa aoka halehantsika any aminy izy, sao mba ho afaka hanoro antsika izay lalana mety hahitana ny borikivavy izy.

7 Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony: Raha mankany ary isika, dia inona kosa no mba homentsika ilay mpaminany? Efa lany manko ny mofo nentintsika, ka tsy misy fanomezana azo atolotra azy; tsy manana na inona na inona intsony isika.

8 Fa hoy ny navalin'ilay mpanompo an'i Saoly hoe: Mbola manana vola madinika kely izay aho aty amiko aty; homentsika azy izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony haleha.

9 Dia hoy i Saoly hoe: Marina ny anao; andeha ary isika ho any. Ary lasa izy ireo nankany an-tananan'ilay lehilahin'Andriamanitra. Teny an-dalana izy ireo dia sendra tovovavy nandeha hantsaka izay nanontaniany hoe: Ao ihany ve ilay mpahita izay? (Fahiny teo amin'ny Israely dia fanaon'ny olona izay te hanontany mivantana an'Andriamanitra ny manao hoe: Andeha isika ho any amin'ny mpahita. Fa izay antsoina ankehitriny hoe mpaminany manko no nantsoina taloha hoe mpahita.)

12 Dia hoy no navalin'ireo tovovavy hoe: Eny, ao izy, vao tonga talohanareo teo izy; koa faingana ianareo, fa efa ao an-tanana izy izao satria anio no andro fanateran'ny vahoaka sorona eo amin'ny toeram-panasinana.

13 Ho hitanareo izy raha vantany vao miditra ny tanana ianareo, mialoha ny hiakarany hisakafo ao amin'ny toeram-panasinana. Tsy hisy olona hihinana alohan'ny ahatongavany, satria izy no tsy maintsy mitsodrano ny sorona; dia aorian'izay vao hihinana ireo olona nasaina. Koa miakara amin'izay ianareo, fa ho hitanareo anio izy.

14 Dia niakatra ny tanana i Saoly sy ilay mpanompony; ary raha vantany vao tafiditra tao izy roa lahy, dia indro tafahaona tamin'i Samoela izay nivoaka indrindra ny tanana hankeny amin'ilay toeram-panasinana.

15 Fa indray andro tsy hahatongavan-dry Saoly, dia efa nilaza tamin'i Samoela ny momba izao fihaonana izao ny Tompo hoe:

16 Rahampitso, amin'ny ora toy izao, dia halefako ho aty aminao lehilahy iray avy amin'ny fokon'i Benjamina; hatokanao ho filohan'ilay Israely vahoakako izy mba hanafahany azy amin'ny fahefan'ny Filistinina. Fa efa hitako ny fahorian'ny vahoakako ary efa reko ny antso vonjiny.

17 Koa raha vao nahatazana an'i Saoly i Samoela, dia hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Io ilay lehilahy voalazako taminao, izy no hitondra ny vahoakako.

18 Dia nanatona an'i Samoela teny am-bavahadin'ny tanana i Saoly ka nanontany azy hoe: Azafady, tompoko, mba atoroy ahy ny tranon'ilay mpahita.

19 Ary hoy ny navalin'i Samoela: Izaho no izy. Koa dia mialohava ahy any amin'ny toeram-panasinana ianao, fa hiara-misakafo amiko ianareo anio; ary rahampitso maraina, rehefa voalazako avokoa izay tianao ho fantatra, dia halefako mody ianareo.

20 Ny amin'ireo borikivavy very hateloana, dia aza manahy intsony ianao, satria efa hita izy ireo. Ary iza moa ankehitriny no tena ilain'ny vahoaka israelita fa tsy ianao sy ny fianakavian-drainao ve?

21 Dia hoy i Saoly hoe: Fa izaho ahoana? Izaho anie ka avy amin'i Benjamina e, avy amin'ilay foko kely indrindra amin'ny fokon'ny Israely? Ary ny fianakavian-draiko moa ve tsy ilay fianakaviana vitsy indrindra amin'ny fokon'i Benjamina? Koa ahoana no ilazanao zavatra toy izany amiko?

22 Avy teo dia notarihin'i Samoela hiditra tao amin'ny efitra fisakafoana i Saoly sy ny mpanompony ka napetrany teo amin'ny toeram-boninahitra niaraka tamin'ireo vahiny nasaina miisa telopolo eo ho eo.

23 Dia hoy i Samoela tamin'ny mpahandro: Arosoy ilay didin-kena izay nomeko anao ka nasaiko hotehirizinao.

24 Nalain'ilay mpahandro ny fen'ondry miaraka amin'ny hofany ka narosony teo anoloan'i Saoly. Dia hoy i Samoela tamin'i Saoly: Indro eo anatrehanao ny anjara voatokana ho anao amin'izao andro lehibe izao, ka mihinana miaraka amin'ireto vahiny nasaiko ireto. Koa tamin'izay andro izay, dia niara-nihinana tamin'i Samoela i Saoly.

25 Avy eo izy ireo, dia nidina avy teo amin'ny toeram-panasinana ka nankany an-tanana, ary nifampiresaka teo an-tampon-trano.

26 Nony ampitso dia nifoha maraina be i Saoly sy ny mpanompony. Rehefa nazava ratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly avy teo an-tampon-trano i Samoela hoe: Miomana ianao fa hateriko antsasa-dalana. Dia nanaiky i Saoly, ary niara-nivoaka ny trano izy sy i Samoela.

27 Nony mby teo amin'ny faran'ny tanana izy ireo, dia hoy i Samoela tamin'i Saoly: Lazao ny mpanomponao hialoha antsika. Rehefa lasa lavitra ilay mpanompo, dia hoy indray i Samoela hoe: Ary ianao kosa, mijanona eto ankehitriny, fa tiako hampahafantarina ny tenin'Andriamanitra.

Toko faha-10

1 Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan'i Saoly. Ary nanoroka an'i Saoly izy sady nanao hoe: Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan'ilay vahoakany.

2 Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin'ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin'ny fasan'i Rahely ao Tselitsa amin'ny faritanin'i Benjamina; ary izy ireo hiteny aminao hoe: Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin'izay tokony hataony hahitany an-janany izy.

3 Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin'ny hazo oakan'i Tabora, ary hahita lehilahy telo ho any amin'Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak'osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.

4 Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana.

5 Rehefa izany dia ho tonga ao Gibeha-Elohima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanana ianao, dia hifanena amin'ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin'ny Toeramasina, ka ialohavan'ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.

6 Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny TOMPO, ka haminany miaraka amin'izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.

7 Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety.

8 Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgala anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.

9 Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela.

10 Koa rehefa tonga tany Gibeha i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9397