1 Samoela

Toko faha-5

7 Rehefa nahita ny nahazo azy ny mponin'i Asdoda, dia nanambara hoe: Aoka tsy hitoetra eto amintsika ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely, fa ny nafitsoky ny heriny efa nampitondra ny mafy antsika sy an'i Dagona andriamanitsika!

8 Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan'ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe: Hataonay ahoana ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely? Dia hoy ireo filoha taminy: Aoka hafindra hankany Gata izany! Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;

9 nefa vantany vao tonga tany izany, dia namely ny mponina tao an-tanana ny herin'ny TOMPO ka nahatonga hotakotaka goavana. Nasian'ny Tompo izy rehetra ka voan'ny kitso avokoa, nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.

10 Dia nalefany nankany Hekrona ny Vatamasin'Andriamanitra; nefa nony tonga tany izany, dia niantsoantso mafy ny mponin'i Hekrona hoe: Nafindra aty aminay mba hahafaty anay mianakavy ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely.

11 Mba nampiantsoan'izy ireo koa ireo andriana filohan'ny Filistinina ka nilazany hoe: Avereno any amin'izay toerana nisy azy any ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely sao dia hahafaty anay rehetra. Fa hotakotaka mahatsiravina no tao an-tanana satria mafy dia mafy koa no nafitsoky ny herin'ny Tompo tao;

12 ka izay tsy maty dia voan'ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.

Toko faha-6

1 Tany amin'ny tanin'ny Filistinina nandritra ny fito volana ny Vatamasin'ny TOMPO.

2 Farany dia nampaka ireo mpisorony sy mpimasiny ny Filistinina ka nanontany azy hoe: Hataonay ahoana ny Vatamasin'ny TOMPO? Ambarao anay izay fomba hamerenana azy any amin'ny toerany.

3 Dia hoy ireo namaly: Raha hamerina ilay Vatamasin'ny Andriamanitr'i Israely ianareo, dia aza averina foana amin'izao, fa tsy maintsy hanateranareo fanonerana Izy; dia ho sitrana ianareo ary ho fantatrareo ny anton'ny namelezan'io Andriamanitra io anareo tamin'ny heriny.

4 Hoy kosa ny Filistinina hoe: Fa inona ary no fanonerana haterinay aminy? Dia hoy ny navalin'ny mpisorona sy ny mpimasy: Araka izay isan'ireo andriana filohan'ny Filistinina, dia mba anatero sarin-kitso volamena dimy sy totozy volamena dimy; fa aretina iray ihany no mahazo anareo rehetra mbamin'ny filohanareo.

5 Koa manaova sarin'ny kitsonareo sy sarin'ny totozy mpandevona ny taninareo ary atolory izany ho fanomezam-boninahitra ny Andriamanitr'i Israely. Angamba mba hitsahatra tsy hanampatra ny heriny aminareo sy amin'ny andriamanitrareo ary amin'ny taninareo Izy.

6 Nahoana no hihamafy fo tahaka ny Ejiptianina sy ny Farao ianareo? Tsarovy tsara ny nanaovan'Andriamanitra azy ireo ka nahatonga azy hamela ny vahoaka handeha, ka dia lasa izy.

7 Koa manamboara sarety vaovao, dia maka ombivavy roa mitaiza sady tsy mbola nitondra zioga, ka rohizo amin'ny sarety, ary dia saraho aminy ho any am-balany ireo zanany.

8 Halainareo ny Vatamasin'ny TOMPO, dia apetraho eo ambony sarety; hataonareo anaty vata kely eo anilany ireo sarin-javatra volamena izay aterinareo ho fanonerana amin'Andriamanitra. Avy eo dia alefaso izy handeha.

9 Ho hitanareo tsara fa raha mihazo ny lalana mankany amin'ny tanin'i Israely ka mizotra ho any Bety-Semesy ireo ombivavy, dia midika izany fa ny Andriamanitry ny Israely no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa kisendrasendra ihany fa tsy ny heriny akory no namely antsika.

10 Dia araka izany no nataon'ny Filistinina. Naka ombivavy roa mitaiza izy, dia norohizany tamin'ny sarety; ary ny zanany nohidiany tao am-bala.

11 Napetrany teo ambony sarety ny Vatamasin'ny TOMPO sy ny vata kely misy ny totozy volamena sy ny sarin-kitso.

12 Avy hatrany dia nihazo ny lalana mankany Bety-Semesy ireo ombivavy; ka sady nandeha tamin'izany izy no tsy nitsaha-nimama, ary tsy nivilivily niankavanana na niankavia. Ary ireo filohan'ny Filistinina nanaraka ny sarety hatrany amin'ny fizaran-tanin'i Bety-Semesy.

13 Tamin'izay ny mponina tao Bety-Semesy dia nijinja varim-bazaha tany an-dohasaha. Nahatazana ny Vatamasina izy ireo ka dibo-kafaliana nahita azy.

14 Tonga tao an-tsahan'i Josoa, lehilahy avy ao Bety-Semesy, ny Vatamasina ka nijanona teo akaikin'ny vato lehibe iray. Novakina madinika ny hazon-tsarety, ary natao sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO ireo ombivavy.

15 Nampidinin'ny Levita ny Vatamasin'ny TOMPO sy ny vata kely nisy ireo sarin-javatra volamena niaraka taminy, ary dia samy napetrany teo ambonin'ilay vato lehibe. Tamin'io andro io ihany dia nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an'ny TOMPO ny olona tao Bety-Semesy.

16 Tamin'io andro io koa, rehefa nahita izany ireo andriana dimy filohan'i Filistinina, dia niverina nankany Hekrona.

17 Toy izao ny amin'ireo kitso volamena izay naterin'ny Filistinina amin'ny TOMPO ho fanonerana: iray ho an'i Asdoda, iray ho an'i Gaza, iray ho an'i Askelona, iray ho an'i Gata ary iray ho an'i Hekrona.

18 Ireo totozy volamena kosa dia natao araka ny isan'ny tanana filistinina rehetra nentin'ireo filoha dimy, manomboka amin'ny tananamimanda ka hatramin'ny tanana kely eny ambanivohitra. Ny vato lehibe nametrahana ny Vatamasin'ny TOMPO no vavolombelon'izany; mandraka androany io vato io mbola ao an-tsahan'i Josoa, lehilahy avy any Bety-Semesy.

19 Namely ny mponin'i Bety-Semesy ny TOMPO satria nojeren'ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.

20 Ary hoy ny mponin'i Bety-Semesy: Iza no hahajanona eo anatrehan'io TOMPO Andriamanitra Masina io? Ary aiza no hampiakarantsika ny Vatamasiny hanalavitra antsika?

21 Dia nandefa iraka ho any amin'ny mponin'i Kiriata-Jeharima izy ireo mba hilaza aminy hoe: Naverin'ny Filistinina ilay Vatamasin'ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.

Toko faha-7

1 Tonga naka ny Vatamasin'ny TOMPO ny mponin'i Kiriata-Jeharima ka nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana iray. Dia natokan'izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin'ny TOMPO i Elihezera zanakalahin'i Abinadaba.

2 Hatramin'ny nitoeran'ny Vatamasin'ny TOMPO tany Kiriata-Jeharima, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin'ny TOMPO ny Israelita rehetra

3 ka nilazan'i Samoela hoe: Raha amin'ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin'ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastoreta; aoka hiraiki-po amin'ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan'ny Filistinina ianareo.

4 Dia narian'ny Israelita ireo sampin'ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastoreta, ka ny TOMPO no hany notompoiny.

5 Avy eo dia hoy i Samoela hoe: Aoka ho vory any Mitsepa ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin'ny TOMPO ho azy.

6 Dia tafangona tao Mitsepa ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin'ny tany teo anatrehan'ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin'izany andro izany sady niaiky heloka hoe: Efa nanota tamin'ny TOMPO izahay. Tao Mitsepa no nahatonga an'i Samoela ho filohan'ny vahoaka Israely.

7 Rehefa fantatry ny Filistinina fa nivory tany Mitsepa ny Israelita, dia tapa-kevitra ireo andriana dimy filohan'ny Filistinina fa hanafika azy. Nony ren'ny Israelita izany, dia natahotra ny Filistinina izy,

8 ka nanao tamin'i Samoela hoe: Aza arianao izahay, fa mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitsika ho anay, mba hamonjeny anay tsy ho voagejan'ny Filistinina.

9 Naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO; dia nitalaho tamin'ny TOMPO ho an'ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.

10 Fa raha mbola nanatitra ilay sorona i Samoela, dia nandroso hanafika an'i Israely kosa ny Filistinina. Tamin'izay indrindra anefa ny TOMPO no nampirefotra kotro-baratra tamin'ny miaramila filistinina sy nampifanaritaka azy, ka resin'ny Israelita izy ireo.

11 Niala tao Mitsepa ny tafik'i Israely ka nanenjika ny Filistinina hatrany ambanin'ny Bety-Kara mandra-pandresiny azy tanteraka.

12 Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan'i Mitsepa sy i Sena izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na Vatom-pamonjena, fa hoy izy hoe: Efa namonjy antsika hatrety ny TOMPO.

13 Menatra ny fahareseny loatra ny Filistinina, ka tsy sahy nitsofoka ny faritanin'i Israely intsony, satria ny TOMPO naneho ny heriny tamin'izy ireo nandritra ny andro rehetra niainan'i Samoela.

14 Ary ireo tanana izay nalain'ny Filistinina tamin'ny Israelita, teo anelanelan'i Hekrona sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin'ny Israelita; koa afaka teo an-tanan'ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin'ny Israelita sy ny Amorita.

15 I Samoela no filohan'ny vahoaka Israely mandra-pahafatiny.

16 Isan-taona izy dia nandeha nitety an'i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepa ka nitsara tamin'ireo tanana telo ireo.

17 Rehefa izany, dia niverina nody tany Rama izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an'ny TOMPO.

Toko faha-8

1 Rehefa antitra i Samoela, dia ireo zanany no nataony ho mpanapaka ny vahoaka Israely.

2 I Joela no anaran-janany lahimatoa ary i Abia no anaran'ny zandriny; tany Beera-Seba izy ireo no nanao ny asa maha mpitondra azy.

3 Nefa izy roa lahy tsy mba nanahaka izay nataon-drainy, fa nanjary tia vola ka nandray tsolotra sy namilivily ny marina.

4 Noho izany, dia nivory ny loholona israelita rehetra, ka nankany amin'i Samoela any Rama.

5 Hoy ireo taminy: Indro, efa antitra ianao izao, ry Samoela, nefa ny zanakao tsy mba nanahaka anao, koa anendreo mpanjaka izahay hitondra anay, tahaka ny an'ny firenen-kafa rehetra.

6 Fa tsy nahafaly an'i Samoela izany nangatahan'izy ireo mpanjaka ho azy izany; koa dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9644