1 Samoela
Toko faha-2
36 Ary izay sisa amin'ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan'ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko.
Toko faha-3
1 Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan'i I Hely. Tamin'izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan'ny TOMPO mivantana tamin'olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.2 Indray alina dia natory teo amin'ny toerana nahazatra azy i Hely izay efa akaiky ho jamba.
3 I Samoela koa mba natory tao an-tranon'ny TOMPO, tao amin'izay nisy ny Vatamasina. Nony hadiva haraina ny andro, raha mbola nirehitra ny jiro tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO,
4 dia niantso an'i Samoela ny TOMPO, ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko;
5 avy teo dia nihazakazaka nankany amin'i Hely i Samoela ka nanao taminy hoe: Niantso ahy ianao, koa inty aho! Fa hoy i Hely hoe: Tsy niantso anao aho, fa 'ndeha miverina matory. Dia lasa niverina natory i Samoela.
6 Niantso azy fanindroany ny TOMPO hoe: Ry Samoela! Dia nitsangana i Samoela ka nankany amin'i Hely ary niteny taminy hoe: Niantso ahy ianao, koa inty aho! Tsy niantso anao aho, anaka, fa miverena matory.
7 Ary i Samoela tsy mbola nahalala ny TOMPO, satria tsy mbola nitenenany mivantana.
8 Niantso fanintelony an'i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin'i Hely ka nanao taminy hoe: Niantso ahy ianao, koa inty aho! Izay vao fantatr'i Hely fa ny TOMPO no niantso ny zaza.
9 Ary hoy izy taminy: 'Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: Mitenena, TOMPO o, fa mihaino ny mpanomponao! Dia lasa natory teo amin'ny fatoriany indray i Samoela.
10 Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: Ry Samoela, ry Samoela! Dia hoy izy namaly: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Indro hanao zavatra amin'i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin'izay rehetra mandre azy.
12 Hampihariko amin'i Hely sy ny taranany amin'izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izany.
13 Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany.
14 Koa izany no nianianako tamin'ny fianakavian'i Hely fa tsy misy sorona na fanatitra hahafa-pahotana azy.
15 Dia nandry mandra-maraina i Samoela; ary novohany avy eo ireo varavaran'ny tranon'ny TOMPO, nefa dia natahotra ny hilaza amin'i Hely ny fahitany i Samoela;
16 kanjo niantso azy i Hely ary nanao taminy hoe: Samoela zanako o! Dia hoy i Samoela namaly: Ahoana izay, tompoko? Ary i Hely nanontany hoe:
17 Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin'izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazin'Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!
18 Dia notaterin'i Samoela tamin'i Hely avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Hely hoe: Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!
19 Ary nihalehibe i Samoela sady nomba azy ny TOMPO; ka tsy nisy tsy tanteraka izay teny rehetra nasainy nambaran'i Samoela.
20 Izany no nahafantaran'i Israely manontolo, manomboka any Dana ka mipaka any Beera-Seba, fa mpaminanin'ny TOMPO i Samoela.
21 Dia mbola niseho hatrany ny TOMPO tao Silao; satria tao no fisehoan'ny TOMPO mivantana tamin'i Samoela mba hampahafantatra azy ny teniny.
Toko faha-4
1 Ary i Samoela nampita izany teny izany tamin'ny vahoaka Israely tsivakivolo. Indray andro dia nandeha niady tamin'ny Filistinina ny Israelita ka nitoby teo akaikin'i Ebena-Hezera; ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.2 Dia nilahatra nanafika ny Israelita ny Filistinina ka nangotraka ny ady. Resy ny Israelita ary nahafatesana miaramila tokony ho efatra arivo tamin'izany ady izany.
3 Rehefa tafaverina tany amin'ny toby ireo sisa velona, dia hoy ny loholon'i Israely hoe: Nahoana no navelan'ny TOMPO ho resin'ny Filistinina isika androany? Andeha halaina any Silao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO; fa rahefa mby eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika.
4 Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak'i Hely roa lahy, dia i Hofny sy i Pinehasa.
5 Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin'ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.
6 Rehefa nandre izany horakora-pifaliana izany ny Filistinina, dia nifanontany hoe: Fa inona no dikan'izao horakoraka be ao an-tobin'ny Hebreo izao? Vao fantatry ny Filistinina fa tonga ao an-tobin'i Israely ny Vatamasin'ny TOMPO,
7 dia natahotra ireo, satria nifampilaza hoe: Andriamanitra no tonga ao an-tobiny. Tsy mbola tao Izy talohan'izao; koa ankehitriny, hahita loza isika.
8 Eny, hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika tsy ho azon'io Andriamanitra mahery io, Izay namely ny Ejiptianina tamin'ny loza maro samihafa tany an-taniefitra?
9 Mahereza, ry Filistinina, mba tena lehilahy raha tsy tiantsika ny hoziogain'ny Hebreo tahaka izay nataontsika taminy fahiny; koa misehoa ho tena lehilahy tokoa isika ary miadia.
10 Ary niady ny Filistinina, dia resy ny Israelita ka nandositra nody avokoa. Faharesena mavesatra tokoa izany satria miaramila israelita telo alina no maty,
11 ny Vatamasina lasan'ny Filistinina, ary izy mirahalahy zanak'i Hely, dia i Hofny sy i Pinehasa, samy maty avokoa.
12 Androtrio ihany dia nisy lehilahy iray avy tamin'ny fokon'i Benjamina afa-nitsoaka ny toeram-piadiana ka nilomay hatrany Silao; ho marik'alahelo, dia notriariny ny fitafiany ary nohosorany vovoka ny lohany.
13 Tamin'ny fahatongavany dia efa nipetraka tamin'ny sezany teo amoron-dalana i Hely niandry sady nanahy mafy ny amin'ilay Vatamasin'Andriamanitra. Dia tonga nanambara ny vaovao tao an-tanana ralehilahy, ka nikiakiaka nitomany ny iray tanana.
14 Nony ren'i Hely ny kiakiakan'ny vahoaka, dia nanontany ny antonanton'izany izy; ary nanatona faingana an'i Hely ilay lehilahy sady nanambara taminy ny vaovao.
15 Efa valo amby sivifolo taona i Hely tamin'izay ary jamba tanteraka.
16 Hoy ilay lehilahy taminy: Avy tany am-bava ady aho ary nitsoaka an-daharana vao androany izao. I Hely kosa nanontany azy hoe: Fa inona no nitranga tany, anaka? Dia hoy ny navalin'ilay mpitondra hafatra:
17 Vaky nandositra teo anatrehan'ny Filistinina ny Israelita. Fahavoazana lehibe no nianjady tamin'ny tafitsika; ary manampy trotraka izany, ny zanakao mirahalahy, i Hofny sy i Pinehasa, dia maty koa; ary ny Vatamasin'Andriamanitra lasan'ny Filistinina.
18 Vantany vao niteny ny momba ny Vatamasin'Andriamanitra ilay mpitondra hafatra, dia nianjera avy teo amin'ny sezany i Hely, ary nitrosina teo anilan'ny varavaran'ny Toeramasina; tapaka ny hatony ary dia maty izy, satria sady efa antitra no mavesatra. Efapolo taona no nitondrany ny vahoakan'i Israely.
19 Ary bevohoka be efa ho teraka ny vinanton'i Hely, dia ny vadin'i Pinehasa izany. Rehefa reny fa lasan'ny Filistinina ny Vatamasin'ny Tompo, sady maty ny rafozany sy ny vadiny, dia nitambonkina ny anao vavy ka teraka tsy satry vokatry ny fanaintainana nahazo azy.
20 Ary rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy izay nanampy azy teo hoe: Aza matahotra fa zazalahy no naterakao. Nefa tsy namaly izy na niraharaha akory izay notenenina taminy.
21 Avy eo dia hoy izy hoe: Nesorina tamin'i Israely ny voninahitr'Andriamanitra, ka hataoko hoe Ikaboda no anaran'ny zaza! Io anarana io dia midika hoe tsy misy voninahitra intsony ka hahatsiahivana fa lasan-ko babo ny Vatamasin'Andriamanitra sady maty koa ny rafozan-dravehivavy sy ny vadiny.
22 Nambarany araka izany fa nesorina tamin'i Israely tokoa ny voninahitra satria efa lasan-ko babo ilay Vatamasin'Andriamanitra.
Toko faha-5
1 Azon'ny Filistinina ary ny Vatamasin'Andriamanitra ka nentiny nankany Asdoda avy tao Ebena-Hezera.2 Dia nalainy ny Vatamasina ka nampidiriny tao amin'ny tempolin'i Dagona andriamaniny ary napetrany teo anilan'ny sarivongan'i Dagona.
3 Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin'i Asdoda, dia nahita ny sarivongan'i Dagona nidaboka nihohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO; natsangan'izy ireo izy ka napetrany indray tamin'ny toerany.
4 Ny ampitso maraina manaraka dia hitan'ny olona fa mbola nidaboka tamin'ny tany teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.
5 Izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona sy izay rehetra miditra ao amin'ny tempoliny, ao Asdoda, ny tokonam-baravaran'i Dagona mandraka androany.
6 Tsy zakan'ny mponin'i Asdoda ny famaizana nafitsoky ny herin'ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin'ireo mponina manodidina.