Josoa

Toko faha-8

13 Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanana ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha.

14 Raha nahita izany ny mpanjakan'i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanana; ary nivoaka faingana hifanehatra amin'ny Israelita izy mbamin'ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin'ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin'ny lohasahan'i Jordana; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon'ny tanana.

15 Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin'ny lalana mankany an-taniefitra.

16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny lehilahy rehetra tao an-tanana, ary nanenjika an-dry i Josoa ka voatarika ho lasa lavitry ny tanana.

17 Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanana hidanadana teo.

18 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Ambano amin'ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan'i Josoa ny tanana ilay lefona teny an-tanany.

19 Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin'ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanana ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.

20 Nony nitodika ireo lehilahin'i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tananany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy.

21 I Josoa sy ny Israelita rehetra manko, rehefa nahita fa azon'ireo miaramila avy tao ivoho ny tanana ary niakatra ny setroky ny fandoroana azy, dia nifotitra ka namely ny lehilahin'i Hay.

22 Ny Israelita tafiditra tao an-tanana moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan'ny Israelita roa tonta ireo lehilahin'i Hay; nasian'ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona

23 afa-tsy ny mpanjakan'i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an'i Josoa.

24 Novonoin'ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin'i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin'ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao.

25 Maty tamin'izany andro izany avokoa ny mponina rehetra tao Hay, dia lehilahy sy vehivavy miisa 12000.

26 Tsy nampidinin'i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan'ny mponina rehetra tao Hay.

27 Araka ny baiko nomen'ny TOMPO an'i Josoa dia ny biby fiompy sy ny fananana izay tao an-tanana ihany no azon'ny Israelita baboina.

28 Nodoran'i Josoa i Hay ary nataony antontan-trano rava sy haolo mandrakizay, ka dia toy izany mandraka androany.

29 Ny mpanjakan'i Hay kosa nahantona tamin'ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan'ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain'i Josoa naidina ny faty, ka natsipy teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.

30 Tamin'izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan'i Josoa alitara ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

31 Araka ny didy nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO tamin'ny Israelita, eny, araka izany didy voasoratra tao amin'ilay bokin'ny lalanan'i Mosesy izany, no nanaovany azy: dia alitara natao tamin'ny vato tsy namboarina, tsy voapaikam-by. Teo ambonin'ireo no nanolorana sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an'ny TOMPO.

32 Teo amin'ny vaton'io alitara io no nanoratan'i Josoa ny kopian'ny lalana izay nosoratan'i Mosesy.

33 Ny Israelita rehetra mbamin'ny loholony sy lehibeny ama-mpitsarany, ary koa ireo hafa firenena niara-nonina taminy, dia nitsangana teo andaniny sy ankilan'ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nanatrika ny levita mpisorona izay nitondra azy. Teo akaikin'ny tendrombohitra Gerizima ny antsasak'ireo olona ireo, ary teo akaikin'ny tendrombohitr'i Hebala kosa ny antsasany, araka izay didy efa nomen'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO mba hitsofan-drano ny vahoaka Israely.

34 Taorian'izany, dia novakin'i Josoa avokoa ny teny raketin'ny bokin'ny lalana mbamin'ny fitahiana sy ozona, araka izay rehetra voasoratra tao.

35 Tsy nisy teny na dia iray aza tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy ka tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonan'ny Israelita tsivakivolo izay nahafaoka ny zaza amam-behivavy ary koa ny vahiny niara-nonina taminy.

Toko faha-9

1 Ary ny vaovao momba ny faharavan'i Hay dia ren'ireo mpanjaka izay teny amin'ny faritra rehetra andafy andrefan'i Jordana; teny amin'ny havoana sy teny amin'ny lemak'i Sefela ary teny amin'ny tany rehetra amoron'ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amorita mbamin'ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita

2 ka niray hina hiady amin'i Josoa sy ny Israelita.

3 Ny mponina tao Gibehona dia isan'ny Hivita; kanefa, nony nandre an'izay nataon'i Josoa tamin'i Jerikao sy i Hay ry zareo,

4 dia nanapa-kevitra hampiasa hafetsena. Nanainga nitondra vatsy izy rehetra ka kitapo tonta sy siny hoditra tonta sady misy triatra voatampintampina no nalainy ka natainginy tamin'ny borikiny;

5 fitafiana tonta nozaijairina no nanaovany; ary mofo efa maina sady efa bobongolo avokoa no nentiny ho vatsy.

6 Dia nankany amin'i Josoa sy ny Israelita izay nitoby tao Gilgala ry zareo ka nanao taminy hoe: Avy any an-tany lavitra izahay no tonga hangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay izao!

7 Fa novalian'ny Israelita hoe: Angamba ety akaikinay ety ihany ianareo no monina, koa ahoana no hanaovanay fanekempihavanana aminareo?

8 Dia hoy ireo tamin'i Josoa: Manolo-tena hanompo anao izahay! I Josoa kosa nanontany azy hoe: Fa iza moa ianareo ary avy aiza?

9 Dia novalian'ireo hoe: Avy any an-tany lavitra be izahay, tompoko, no tonga noho ny lazan'ny TOMPO Andriamanitrareo; efa renay manko izay rehetra nataony tany Ejipta

10 sy izay rehetra nataony tamin'ireo mpanjaka amorita roa lahy tany ampitan'i Jordana: dia i Sihona mpanjakan'i Hesbona, sy i Hoga mpanjakan'i Basana izay nonina tany Hastarota.

11 Izany no nitenenan'ireo loholonay sy ireo olona rehetra mpiray tanindrazana aminay mba hanomana vatsy ho an'ny dia ka handeha hihaona aminareo; nasainy manolo-tena hanompo anareo izahay sy mangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay.

12 Jereonareo ange ny mofonay e! Mbola nafana izy ireo raha nentinay hatao vatsy fony izahay niala tany an-tranonay hankaty aminareo, nefa ankehitriny efa maina sy bobongolo!

13 Jereonareo ireto siny hoditra e! Mbola vaovao izy ireo raha nofenoinay divay nefa ankehitriny efa triatra! Ireto lambanay sy kapanay koa dia efa tonta noho ny halaviran'ny lalana nalehanay.

14 Ary nihinanan'ny Israelita ny vatsin-dry zareo fa tsy nanontaniany akory ny TOMPO ny amin'io.

15 Dia nanao fanekempihavanana tamin'ny Gibehonita i Josoa ka niantoka fa tsy hamono azy; ary nohamafisin'ireo loholom-piangonana israelita tamin'ny fianianana izany.

16 Telo andro taorian'ny nahavitan'ny fanekempihavanana, dia ren'ny Israelita fa mponina mifanakaiky aminy ihany ireo olona ireo.

17 Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tananan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefira ary Beerota sy Kiriata-Jeharima.

18 Kanefa tsy namono azy ny Israelita satria ny anaran'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no efa nianianan'ireo loholom-piangonana taminy. Koa nimonomonona tamin'ireo loholona ny Israelita rehetra;

19 saingy novalian'ireo hoe: Ny anaran'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no efa nianiananay taminy; koa tsy azontsika atao ny mamely azy ankehitriny.

20 Tsy maintsy avelantsika ho velona ihany ireo: fa raha tsy izany, dia hiharan'ny fahatezeran'ny Tompo isika noho ny fianianana efa vitanay. Saingy izao no hataontsika azy:

21 Havelantsika ho velona izy nefa kosa ho tonga mpaka kitay sy mpantsaka rano ho antsika. Izany no soso-kevitr'ireo loholom-piangonana israelita.

22 Koa novorin'i Josoa ny Gibehonita ary nilazany hoe: Ahoana no namitahanareo anay ka nanambaranareo fa avy lavitra be ianareo, kanjo mponina mifanakaiky aminay ihany?

23 Ankehitriny dia voaozona ianareo, ka tsy hitsahatra ny hanompo, satria ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.

24 Dia namaly an'i Josoa ny Gibehonita ka nanao hoe: Notantaraina tsara taminay, tompoko, izay efa nandidian'ny TOMPO Andriamanitrao an'i Mosesy mpanompony, dia ny hanomezana anareo ity tany manontolo ity ary handringananareo ny mponina rehetra ao aminy arakaraka ny androsoanareo. Natahotra mafy ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka izany no nanaovanay izany zavatra izany.

25 Ankehitriny, indreto izahay eo an-tananao; koa araka izay heverinao ho tsara sy rariny no ataovy aminay.

26 Dia izao no nataon'i Josoa tamin'ny Gibehonita: narovany tsy hovonoin'ny Israelita ireo.

27 Tamin'izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an'ny Israelita sy ho an'ny alitaran'ny TOMPO eo amin'ny toerana izay hofidin'Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9224