Josoa
Toko faha-13
11 ao anatiny koa i Gilehada, ny faritanin'i Gesora sy i Maheka, ny tendrombohitra Hermona, ary i Basana manontolo hatrany Salka;12 mbola anisan'izany koa ny fanjakan'i Hoga, iray amin'ireo Refaita sisa tavela ary nanjaka tao Hastarota sy Edrehy tany Basana. Resin'i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.
13 Tsy noroahin'ny Israelita anefa ny mponina tao Gesora sy Maheka; koa miara-monina amin'ny Israelita ry zareo mandraka androany.
14 Ny fokon'i Levy kosa no hany tsy nomen'i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin'ny sorona dorana amin'ny afo ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely araka izay efa nampanantenain'ny Tompo azy.
15 Nomen'i Mosesy anjara ny fokon'ny Reobenita ho an'ireo tarika ao aminy.
16 Ny faritaniny dia manomboka eo amin'ny tanana Harohera amoron'ny lohasahan-driaka Arnona sy eo amin'ilay tanana antenatenan'io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an'i Medeba;
17 isan'izany koa i Hesbona sy ny tanana rehetra eny amin'io lembalemba io, dia i Dibona, i Bamota-Bahala, i Bety-Bahala-Mehona,
18 i Jahatsa, i Kedemota, i Mefahata,
19 i Kiriataima, Sibma, i Tsereta-Sahary izay eo amin'ilay havoana mandondona ny lohasahan'i Jordana,
20 i Bety-Pehora, ny kisolosolon'i Pisga, ary i Bety-Jerimota.
21 Ankoatra ireo tanana rehetra teny amin'ny lembalemba ireo, dia ao anatiny koa ny fanjakana manontolo izay an'i Sikona, ilay mpanjaka amorita nanjaka tao Hesbona. Noresen'i Mosesy niaraka tamin'i Sihona ireo mpanjaka midianita izay nanoa an'i Sihona ka nonina tao amin'izany tany izany: dia ry i Evy, i Rekema, i Tsora, i Hora, ary i Reba.
22 I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin'i Behora, dia isan'ireo novonoin'ny Israelita tamin'izay.
23 I Jordana sy ny morontsiraka no sisin-tanin'ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanan-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanana kely miankina aminy, no zaratany nolovan'ny Reobenita ho an'ireo tarika ao anatiny.
24 Nomen'i Mosesy anjara koa ny fokon'i Gada; nomena ny Gadita izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
25 Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanana Jahezera, ny tanana rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin'ny Hamonita tafapaka hatrany Harohera akaikin'i Raba;
26 dia mitatra hatreo Hesbona ka hatrany Ramata-Mitsipe sy Betonima, ary hatreo Mahanaima ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Lo-Dabara. 27 Tany amin'ny lohasahan'i Jordana kosa dia nisy an'i Bety-Harama sy i Bety-Nimra ary i Sokota sy i Tsafona, izany hoe ny sisa amin'ny fanjakan'i Sihona izay nanjaka tao Hesbona: tao andafy atsinanan'i Jordana no misy izany faritany izany, ka mipaka hatrany amin'ny farihin'i Genesareta any avaratra.
28 Ireo tanan-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny Gadita ho an'ireo tarika ao anatiny.
29 Ary nomen'i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon'i Manase; azon'ilay antsasa-poko taranak'i Manase izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
30 Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaima ao atsimo ary mahafaoka an'i Basana manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an'i Hoga mpanjaka tao Basana, mbamin'ny fitambaran'i Havota-Jairo, izay tanana enimpolo tao Basana;
31 ao anatiny koa ny antsasak'i Gilehada, ary i Hastarota sy i Edrehy renivohitry ny fanjakan'i Hoga mpanjakan'i Basana. Izany no faritany azon'ny taranak'i Makira zanakalahin'i Manase; azon'ilay antsasaky ny taranak'i Makira izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
32 Ireo tany ireo no voazaran'i Mosesy teny atsinanan'i Jerikao, ampita atsinanan'i Jordana, fony izy tao amin'ny lemak'i Moaba.
33 Tsy mba nomen'i Mosesy zaratany kosa ny fokon'i Levy; satria, araka ny nolazainy taminy, dia ny manompo ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no anjarany.
Toko faha-14
1 Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin'ny tany Kanahana. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin'ny foko israelita no nizara azy.2 Antsapaka no nanaovana ny fizarana ho an'ireo foko sivy sy ilay antsasa-pokon'i Manase, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
3 I Mosesy manko efa nanome zara tany ho an'ireo foko anankiroa sy ho an'ny antsasa-pokon'i Manase tany am-pita atsinanan'i Jordana; fa ny Levita ihany tamin'izy rehetra no tsy mba nomeny,
4 satria ny taranak'i Josefa dia efa foko roa: ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Efraima. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanana honenana sy kijana manodidina azy ho an'ny biby fiompiny mbamin'ny fananany hafa.
5 Izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no narahin'ny Israelita fony ireo nizara ny tany.
6 Indray andro dia nanatona an'i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin'ny fokon'i Joda; isan'ireny i Kaleba zanakalahin'i Jefone, avy amin'ny tarik'i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin'i Josoa: Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain'ny TOMPO tamin'i Mosesy lehilahin'Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea.
7 Efapolo taona aho tamin'izay no nirahin'Andriamanitra raha nirahin'i Mosesy, mpanompon'ny TOMPO, avy tao Kadesy-Barnea mba hisafo ity tany ity; ary nony niverina aho, dia nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko,
8 Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitro.
9 Tamin'izay andro izay dia nianianan'i Mosesy aho fa ho anjara roa lova ho ahy sy ny taranako mandrakizay ny tany izay noteteziko, noho izaho nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitro.
10 Efa 45 taona izao no nanomezan'ny TOMPO izany baiko izany tamin'i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin'izay aho mbola novelomin'ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao.
11 Kanefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy hisafo ny tany. Eny, mbola manana hery tahaka ny fahizany tokoa aho na hiady na hanao asa hafa.
12 Koa ankehitriny ary, omeo ahy iry tendrombohitra iry izay efa nampanantenain'ny TOMPO ahy tamin'izany fotoana izany; satria efa henonao tamin'izay fa ao ny Hanakita no mipetraka anaty tanana lehibe sady misy manda. Raha momba ahy ny TOMPO, dia horoahiko tao ireo, araka izay efa nolazain'Izy TOMPO.
13 Dia nitsodrano an'i Kaleba zanakalahin'i Jefone i Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovany.
14 Izany no nahatonga an'i Hebrona ho lovan'ny taranak'i Kaleba mandraka androany; satria i Kaleba, zanakalahin'i Jefone sady anisan'ny tarik'i Kenaza, dia nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely;
15 Fa ny anaran'i Hebrona, talohan'ny nahazoan'i Kaleba azy, dia Kiriata-Arba na hoe tananan'i Arba, satria i Arba no olo-malaza indrindra tamin'ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.
Toko faha-15
1 Izao no zaratany azon'ny foko taranak'i Joda tamin'ny antsapaka mba ho an'ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin'ny sisin-tanin'i Edoma izany; ary ny taniefitr'i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.2 Ny sisin-tany ao atsimo dia manomboka eo amin'ny helodrano tendrony atsimo amin'ny Ranomasina Maty,
3 ka nivoaka eo atsimon'ny fiakaran'i Hakrabima ary mandalo an'i Tsina; dia miakatra eo atsimon'i Kadesy-Barnea, mihazo an'i Hetsirona, miakatra hatrany Adara, vao miolaka ho any Karka;
4 dia mandalo an'i Hatsimona, mandroso hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta, ary mihatra amin'ny Ranomasina Mediteranea. Izay ny amin'ny sisin-tanin'ny fokon'i Joda ao atsimo.
5 Ny sisin-tany ao atsinanana kosa dia ny Ranomasina Maty, tafapaka hatrany amin'ny vavaranon'i Jordana. Dia manomboka eo amin'io vinany io ny sisin-tany ao avaratra,
6 ka niakatra hatrany Bety-Hogla, mandalo eo avaratr'i Bety-Haraba, ary miakatra hatrany amin'ilay Vato atao hoe Vaton'i Bohana (i Bohana dia zanakalahin'i Reobena);
7 dia mbola miakatra mankany Debira izany sisin-tany izany, ka mandalo ny lohasaha Hakora, ary mihodina mianavaratra ho any Gilgala, dia ilay Gilgala manoloana ny fiakaran'i Adomima izay eo atsinanan'ny lohasahan-driaka; avy eo mandalo akaikin'ny loharano Haina-Semesa ary nihatra tany Haina-Rogela;
8 dia miakatra ny lohasahan'i Hinoma, amin'ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon'ilay tendrombohitra izay eo andrefan'ny lohasahan'i Hinoma sy eo amin'ny farany avaratry ny lohasahan'ny Refaita;
9 avy eo mihodina ho any amin'ny loharano Neftoa, mihazo ireo tanana any an-tendrombohitr'i Hefrona, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;
10 dia miolaka miankandrefana ho amin'ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalona, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timna.
11 Avy eo dia mandroso hatrany amin'ny ilany avaratry ny tanana Hekrona, ka mihodina ho any Sikarona, mandalo ny tendrombohitra Bahala, dia mandroso hatrany Jabneela, ary mihatra amin'ny Ranomasina Mediteranea.
12 Ny sisin-tany ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, izany hoe ny morontsiraka. Izay no faritra manodidina ny zaratany azon'ny taranak'i Joda ho an'ireo tarika ao anatiny.
13 I Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia nomena ampahany tao amin'ny tanin'ireo taranak'i Joda, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arba, na hoe tananan'i Arba razamben'ny Hanakita; i Kiriata-Arba no natao hoe Hebrona taty aoriana.