Josoa

Toko faha-4

4 Dia nantsoin'i Josoa izy 12 lahy voafidiny teo amin'ny Israelita

5 ka nilazany hoe: Mandalova eo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia mandehana eo afovoan'i Jordana ka samia manainga vato iray ho eny an-tsorony, araka ny isan'ireo foko israelita.

6 Ireo vato ireo dia ho famantarana eo anivonareo; koa any aoriana any ianareo, rehefa hanontanian'ny zanakareo ny anton'ireo vato,

7 dia hamaly hoe: Tapaka ny ranon'i Jordana noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO. Eny raha nita an'i Jordana ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin'ny Israelita.

8 Dia nanao araka izay nandidian'i Josoa azy ny olona voatendry ka naka vato 12 teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'i Josoa sy araka ny isan'ny foko israelita. Ireo vato ireo dia nentiny niaraka taminy ho eo amin'ny toerana izay nitobiany tamin'iny alina iny ka napetrany teo.

9 Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan'i Jordana, teo amin'ny toerana izay nijoroan'ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.

10 Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan'i Jordana ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian'ny TOMPO holazain'i Josoa amin'ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian'i Mosesy an'i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;

11 ary rehefa tafita avokoa ireo dia nandeha ho eny alohany indray ny mpisorona miaraka amin'ny Vatamasin'ny TOMPO.

12 Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase, dia nita teo alohan'ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.

13 Tokony ho efatra alina ireo miaramila vonon-kiady no nita an'i Jordana teo anatrehan'ny TOMPO ho any amin'ny tany lemak'i Jerikao.

14 Tamin'izany andro izany, dia nohamafisin'ny TOMPO teo imason'ny Israelita rehetra ny fahefan'i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an'i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany.

15 Taorian'izany, dia hoy ny Tompo tamin'i Josoa:

16 Omeo baiko ireo mpisorona mpitondra ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana mba hiakatra avy tao Jordana.

17 Dia nomen'i Josoa baiko ry zareo mba hiakatra avy tao.

18 Ary niakatra ireo mpisorona nitondra ny Vatamasina; ka raha vao nigadona teo an-tanety ny tongony, dia niverina tamin'ny laoniny indray ny ranon'i Jordana ary nihoatra ny morony rehetra toy ny teo aloha.

19 Ny andro fahafolon'ny volana voalohany no nitan'ny vahoaka israelita an'i Jordana, ary nitobiany tao Gilgala teo atsinanan'i Jerikao.

20 Dia nasain'i Josoa natsangana tao Gilgala ireo vato 12 nalaina tao Jordana;

21 avy eo dia hoy izy tamin'ny vahoaka israelita: Any aoriana any, rehefa hanontanian'ny zanakareo ny anton'ireto vato ireto ianareo,

22 dia izao no hampahafantarinareo azy: Nandia tany maina isika Israelita fahizany raha nita io Jordana io.

23 Eny, nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo maina ny falehan'ny ranon'i Jordana teo anoloantsika mandra-pitantsika, tahaka izay nataony tamin'ny Ranomasin'ny Volotara teo anoloan'ny razantsika mandra-pitany.

24 Izany no hahafantaran'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa lehibe ny herin'ny TOMPO, ary hanajanareo mandrakizay ny TOMPO Andriamanitrareo!

Toko faha-5

1 Ny mpanjaka rehetra, tamin'ny Amorita nonina teny andafy andrefan'i Jordana sy tamin'ny Kanahanita nonina tany amoron'ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon'ny TOMPO maina ny falehan'ny ranon'i Jordana teo anoloan'ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon'ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.

2 Tamin'izay koa dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Manaova antsy vato ho anao, ka forao ireto Israelita taranaka vaovao ireto.

3 Dia nanao antsy vato ho azy i Josoa ka namora ny Israelita. Teo amin'ny toerana izay nantsoina hoe Gibeha-Haralota na havoana famorana no nanaovana izany.

4 Fony niala tany Ejipta ny vahoaka Israelita, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana dia samy efa voafora avokoa; nefa maty teny an-dalana tany an-taniefitra avokoa ireo. Fa ny zazalahy teraka teny an-dalana tany an-taniefitra kosa dia tsy mbola nisy voafora: izany no anton'ny namoran'i Josoa azy.

6 Efapolo taona no nandehanan'ny Israelita tany an-taniefitra. Lany ritra tamin'izany ny lehilahy afa-miantafika rehetra izay indray niala tany Ejipta, satria tsy nanaiky ny TOMPO ry zareo; ary efa nianianan'ny TOMPO ireo fa tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenainy tamin'ny razany fa homena antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

7 Ny zanakalahin'ireo no najoron'ny TOMPO handimby azy ka noforan'i Josoa, noho izy tsy mbola voafora mihitsy satria tsy noforana teny an-dalana.

8 Ary rehefa voafora avokoa izy rehetra, dia nijanona tao an-toby ihany aloha ambara-pahasitrany.

9 Avy eo dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Androany no nanesorako taminareo ny henatra izay nentinareo avy tany Ejipta. Izany no niantsoana an'io toerana io hoe Gilgala mandraka androany.

10 Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin'ny tany lemaka akaikin'i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan'ny andro faha-14 tamin'io volana io.

11 Ny ampitson'ny Paska dia nihinana mofo tsy misy leviora sy lango avy amin'ny vokatry ny tany izy.

12 Ny andro nihinanany ny vokatry ny tany dia nitsahatra ny mana ka tsy nisy mana ho an'ny Israelita intsony; satria izany taona izany no nihinanany ny vokatry ny tany Kanahana.

13 Iny teo akaikin'i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: Namanay ve ianao sa naman'ny fahavalonay?

14 Dia novaliany hoe: Tsia, fa lehiben'ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga aty ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?

15 Dia hoy ilay lehiben'ny tafiky ny TOMPO tamin'i Josoa: Esory eny an-tongotrao ny kapanao fa masina io toerana ijoroanao io. Dia nataon'i Josoa izany.

Toko faha-6

1 Tamin'izay ny vavahadin'i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan'ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanana ary tsy nisy afa-niditra.

2 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Indro fa atolotro eo an-tananao i Jerikao sy ny mpanjakany ary ny maherifony.

3 Koa mandehana manodidina ny tanana indray mandeha isan'andro ianao sy ny mpiantafikao rehetra; mandritra ny enina andro no hanaovanao izany

4 ka mpisorona fito samy mitondra trompetra iray avy no hialoha ny Vatamasina. Amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanana, ary mandritra izany aoka ny mpisorona hitsoka ny trompetrany.

5 Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin'izay ny mandan'ny tanana; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.

6 Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin'i Nona ka nanao taminy hoe: Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.

7 Avy teo dia nanome baiko ny vahoaka i Josoa mba hanodidina ny tanana, ka ny andian-tafika mpamaky lay no handeha mialoha ireo mpisorona fito mitondra trompetra eo alohan'ilay Vatamasin'ny TOMPO.

8 Dia araka izay baiko nomen'i Josoa no fizotran-javatra. Ny mpisorona fito mitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO.

9 Ny andian-tafika mpamaky lay no nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana, dia notsofina hatrany ny trompetra.

10 Ary Josoa efa nandidy ny vahoaka hoe: Aza manakora na manao izay andrenesam-peo na mamoaka teny akory aza; fa amin'ny andro hilazako aminareo hoe manaova akoran'ady, vao hanao akoran'ady ianareo.

11 Dia nentina nanodidina ny tanana indray mandeha ny Vatamasin'ny TOMPO; ary niverina tany an-toby ny Israelita ka nandry tao.

12 Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain'ny mpisorona indray ny Vatamasin'ny TOMPO.

13 Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan'ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra.

14 Tamin'io andro faharoa io dia nanodidina ny tanana indray mandeha koa ry zareo, vao niverina tany an-toby. Enina andro no nanaovany toy izany.

15 Fa tamin'ny andro fahafito dia nifoha mbola maizimaizina ny Israelita ka nanodidina ny tanana toy ny fanaony, saingy impito misesy; tamin'izany andro izany ihany anefa ry zareo no nanodidina ny tanana impito misesy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9444