Josoa
Toko voalohany
14 Ny vady aman-janakareo ary ny biby fiompinareo dia mahazo mijanona eto amin'ity tany izay nomen'i Mosesy anareo ity. Fa ianareo vatan-dehilahy matanjaka rehetra mirongo fiadiana kosa dia hiampita hialoha ny mpiray firenena aminareo; ary hanampy azy ianareo15 ambara-panomen'ny TOMPO azy toerana tahaka izay efa natao taminareo, ka hahazoan'ireo koa ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andrefan'i Jordana. Aorian'izany vao hiverina ianareo mba hizaka ny taninareo ety andafy atsinanan'i Jordana, tany izay nomen'i Mosesy mpanompon'ny Tompo anareo.
16 Dia namaly an'i Josoa ireo ka nanao hoe: Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.
17 Tsy misy hafa amin'izay hankatoavanay mandrakariva an'i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an'i Mosesy.
18 Ary na iza na iza mikomy aminao ka manda tsy hankato ny baikonao, dia hatao maty. Eny, aoka ho sahy sy hahery ianao!
Toko faha-2
1 Ary i Josoa, zanakalahin'i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin'i Sitima ka niteny taminy hoe: Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tananan'i Jerikao. Nony tonga tao an-tanana izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon'ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.2 Ary ren'ny mpanjakan'i Jerikao fa misy Israelita tonga io alina io mba hitsikilo ny tany.
3 Koa naniraka tany amin'i Rahaba izy hilaza hoe: Ireo lehilahy miantrano ao aminao ireo dia tonga mba hitsikilo ny tany manontolo. Koa atolory anay ireo!
4 Dia lasa i Rahaba nitondra azy roa lahy sy nanafina azy, vao namaly hoe: Nisy lehilahy tonga tokoa teto amiko, nefa tsy fantatro izay niaviany.
5 Saingy nony hariva ny andro ka hohidiana ny vavahadin'ny tanana, dia lasa ireo ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana izy fa ho tratranareo!
6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy roa lahy ary nafeniny tao anaty tahon-drongony izay efa nalahany teo.
7 Dia niainga ireo iraky ny mpanjaka hanenjika ny mpitsikilo teny an-dalana mankany Jordana ka hatrany amin'ny fitana. Ary raha vao lasa ireto mpanenjika, dia nohidiana ny vavahady.
8 Fa talohan'ny hatorian'ny mpitsikilo no niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano i Rahaba
9 ka niteny taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.
10 Efa renay ny fomba nataon'ny TOMPO hanamainana ny Ranomasin'ny Volotara teo anoloan'ny razanareo niala tany Ejipta. Efa renay koa fa novonoinareo i Sihona sy i Hoga izay mpanjaka amorita anankiroa tany andafy atsinanan'i Jordana ka nafoinareo ho an'ny TOMPO ny fananany rehetra.
11 Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy ety an-tany ambany.
12 Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin'ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho
13 fa havelanareo ho velona ny ray aman-dreniko sy ireo mpiray tampo amiko mbamin'ny ankohonany tsirairay avy ka hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14 Dia novalian'izy roa lahy hoe: Raha tahiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen'ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.
15 I Rahaba dia nipetraka tamina trano nanolotra ny mandan'ny tanana; koa naidiny tamin'ny tadimahazaka, avy teo am-baravarankely, izy roa lahy sady nilazany hoe:
16 Mandehana any an-tendrombohitra ianareo fandrao hifanena amin'ny mpanenjika, ary miafena any telo andro ambara-piveriny; aorian'izany, vao mandehana amin'ny lalanareo.
17 Dia hoy izy roa lahy tamin'i Rahaba: Ny amin'ny fianianana izay nasainao nataonay, dia izao no fomba hanatanterahany azy:
18 Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin'ny fianakavianao manontolo.
19 Raha misy olona mivoaka ho any ivelan'ny trano, dia izy ihany no tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany fa tsy izahay. Ireo rehetra miaraka aminao ao an-tranonao kosa, raha misy olona mamely azy, dia izahay no tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany.
20 Kanefa, raha tahiny ambaranao olona izao fandalovanay izao, dia afaka amin'ny fianianana izay nasainao nataonay izahay.
21 Dia nanaiky araka ny tenin'izy roa lahy i Rahaba, ka nandefa azy. Ary nony efa lasa ireo, dia nafatony teo amin'ny varavarankely ilay kofehy mena.
22 Izy roa lahy kosa nandeha nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany telo andro ambara-piverin'ireo mpanenjika. Ary nikaroka azy tany amin'ny lalana rehetra ireto mpanenjika nefa tsy nahita.
23 Dia niala ny fiereny izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia niampita an'i Jordana sy nankany amin'i Josoa, zanakalahin'i Nona.
24 Ary nitantarany ny zavatra rehetra nitranga i Josoa
25 sady nilazany hoe: Efa natolotry ny TOMPO antsika manontolo tokoa izany tany izany; ary rera-po eo anoloantsika mihitsy aza ny mponina rehetra ao.
Toko faha-3
1 Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin'ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin'i Sitima ary nankany amoron'i Jordana, dia nijanona teo alohan'ny hiampitany.2 Nony afaka telo andro, dia nitety ny toby ireo mpifehy vahoaka
3 ary nandidy azy hoe: Raha vao hitanareo fa entin'ny Levita mpisorona ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ialao ity toerana misy anareo ity ka mandehana manaraka azy.
4 Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan'izao. Kanefa aza manatona akaikin'ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.
5 Ary hoy i Josoa tamin'ny vahoaka: Diovy ny tenanareo fa rahampitso dia hanao zava-mahagaga eo anivonareo ny TOMPO.
6 Tamin'ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampita eo alohan'ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan'ny vahoaka.
7 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Josoa hoe: Anio no hanamafisako ny fahefanao eo imason'ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8 Ianao kosa mandidia ireo mpisorona mitondra ny Vatamasina mba hijanona ao anaty ranon'i Jordana raha vao tafaroboka.
9 Ary i Josoa nanao tamin'ny Israelita hoe: Manatona ety ka mihainoa izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo.
10 Ho fantatrareo amin'izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivita sy Perizita, ny Girgasita sy Amorita ary Jebosita.
11 Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay Tompon'ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jordana.
12 Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita.
13 Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon'i Jordana: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.
14 Dia nandao ny toby mba hiampita an'i Jordana ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany.
15 Fotoan'ny fararano tamin'izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordana. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano,
16 dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra tery lavitra tery, dia tery amin'ny tanana Adama izay takaikin'ny tanana Tsaratana; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin'ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka.
17 Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.
Toko faha-4
1 Rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny firenena manontolo, dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:2 Mifidiana 12 lahy, iray avy isaky ny foko,
3 ka omeo baiko hoe: Ndeha ianareo maka vato 12 eo afovoan'i Jordana, eo amin'ny toerana izay nijoroan'ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ny vato ka apetraho eo amin'ny toerana hitobianareo anio alina.