Deoterônômy
Toko faha-33
5 ary tonga mpanjakan'i Jesorona ny Tompo fony tafangona ny lehiben'ny vahoaka mbamin'ireo foko israelita rehetra.6 Ny amin'ny taranak'i Reobena, dia hoy i Mosesy hoe: Aoka ho velona ny fokon'i Reobena fa tsy ho faty, ary aoka ho tsy tambo isaina ny olony!
7 Ny amin'ny taranak'i Joda dia izao no voalazan'i Mosesy; TOMPO o, henoy antso ny fokon'i Joda! Ento izy hifandray amin'ireo mpiray firenena aminy; ny tanany no hiadiany ho an'ny fokony ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.
8 Ny amin'ny taranak'i Levy, dia hoy i Mosesy hoe: Tompo o, ny Orimanao sy Tomimanao dia nankininao amin'ireto olona mahatoky Anao ireto, izay efa nozahanao toetra tany Masa sy nanarinao mafy teo amin'ny ranon'i Meriba.
9 Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin'ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin'ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.
10 Ireo no mampianatra ny fitsipika aman-dalananao amin'ny Israelita namany sy manolotra vovo-javamanitra eo anatrehanao ary mitondra sorona dorana manontolo eo amin'ny alitaranao.
11 TOMPO o, tahio ny ezaka vitany ary aoka ho sitrakao ny asa ataony; folahy ny herin'izay mitsangan-kanohitra azy, ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
12 Ny amin'ny taranak'i Benjamina, dia hoy i Mosesy hoe: Foko malalan'ny TOMPO ianareo ka monina feizay eo akaikiny; miaro anao isan'andro vaky Izy sady monina eo anivon'ny havoanareo.
13 Ny amin'ny taranak'i Josefa, dia hoy i Mosesy hoe: Hotahin'ny TOMPO anie ny taninareo, ka hahazo ny ando fanomezan-tsoan'ny lanitra sy ny rano misoko avy any ambany lalina any,
14 handray ny zava-tsoa entin'ny masoandro sy ny zava-tsoa matoy isam-bolana,
15 ho rakotry ny voka-tsoan'ny tendrombohitra sy ny voka-tsoan'ny havoana hatrizay hatrizay!
16 Enga anie ny zava-tsoan'izany tany mahavokatra izany sy ny fanambinan'Ilay nitoetra tao amin'ny Roimemy hitosaka eo amin'ny taranak'i Josefa, dia ny taranak'ilay navahana tamin'ny rahalahiny!
17 Homem-boninahitra anie ny taranak'i Josefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin'ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin'ny fokon'i Efraima sy ny miaramila arivoarivon'ny fokon'i Manase.
18 Ny amin'ny taranak'i Zebolona sy i Jisakara, dia hoy i Mosesy hoe: Mifalia, ry fokon'i Zebolona, amin'ny varotra ataonao; mifalia, ry fokon'i Jisakara, ao an-dainao.
19 Firenena maro no antsoinareo hankeo an-tendrombohitra mba hanolotra sorona araka ny voalahatra, satria angoronanareo harena ny ranomasina sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.
20 Ny amin'ny taranak'i Gada, dia hoy i Mosesy hoe: Hankalazaina anie ny Tompo Izay manome faritra malalaka ho an'ny fokon'i Gada! Tahaka ny liona no amitsahan'ny fokon'i Gada, dia liona vonon-kamiravira ny sandrin'ny rembiny mbamin'ny lohany koa aza.
21 Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy, dia anjara voatokana ho an'ny mpifehy; avy eo niaraka tamin'ny lehiben'ny vahoaka izy ka nanao ny marina soritan'ny TOMPO sy ny fitsipiny hanasoavana an'i Israely.
22 Ny amin'ny taranak'i Dana, dia hoy i Mosesy hoe: Ny fokon'i Dana dia tahaka ny vanton-diona izay miantoraka avy ao Basana.
23 Ny amin'ny taranak'i Naftaly, dia hoy i Mosesy hoe: Ry fokon'i Naftaly, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian'ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!
24 Ny amin'ny taranak'i Asera, dia hoy i Mosesy hoe: Hotahina anie ny fokon'i Asera, eo amin'ny samy taranak'i Jakoba! Hotiavin'ny mpiray firenena aminy anie izy! Aoka hitobaka ny menak'olivany ka hisy hanobohany ny tongony!
25 Azo antoka ny varavaranao fa ho vy amam-barahina ny hidiny. Ny herinao anie haharitra toy ny androm-piainanao!
26 Dia hoy koa i Mosesy hoe: Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon'ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.
27 Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa ety ambany ety. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an'ireo.
28 Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak'i Jakoba eo amin'ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan'ny andon'ny lanitra.
29 Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin'ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.
Toko faha-34
1 Dia niainga avy teo amin'ny lemak'i Moaba i Mosesy ka niakatra nankany amin'ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jerikao. Ary nasehon'ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr'i Gilehada tafapaka hatrany Dana;2 ny faritr'i Naftaly manontolo; ny tanin-dry i Efraima sy i Manase; ny tanin'i Joda manontolo tafapaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea;
3 ny faritr'i Negeba; ary, ao amin'ny lohasahan'i Jordana, ny faritanin'i Jerikao (tanana be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsohara.
4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Io tany io no nampanantenaiko ombam-pianianana tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, fony ireo nilazako hoe: Homeko ny taranakareo ity tany ity. Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
5 Teo no nahafatesan'i Mosesy, ilay mpanompon'ny TOMPO, dia teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'ny TOMPO.
6 Ary nalevin'Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Bety-Pehora izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7 Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny.
8 Nitomanian'ny Israelita teo amin'ny lemak'i Moaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
9 I Josoa, zanakalahin'i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan'i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain'ny TOMPO tamin'i Mosesy.
10 Teo amin'i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an'i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.
11 Tsy manan-tsahala i Mosesy satria izy no nirahin'ny TOMPO tany Ejipta hanao famantarana sy zava-mahagaga isan-karazany teo anatrehan'ny Farao sy ny tandapany ary ny taniny manontolo;
12 ary tanana omban-kery no nanaovan'i Mosesy an'ireny zavatra goavana sy mampahatahotra isan-karazany ireny, teo imason'ny Israelita rehetra.
Josoa
Toko voalohany
1 Taorian'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO, dia nitenenan'ny TOMPO i Josoa zanakalahin'i Nona sady mpanampy an'i Mosesy nataony hoe:2 Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangana ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mita ity renirano Jordana ity mba hiditra ao amin'ny tany izay omeko ny Israelita.
3 Araka izay efa nampanantenaiko an'i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin'ny tongotrareo.
4 Ny taninareo dia manomboka eo amin'ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin'ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin'ny Hetita, ka mipaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
5 Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an'i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.
6 Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin'ny razambeny fa homeko azy.
7 Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalana manontolo izay nampitain'i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin'izay rehetra ataonao.
8 Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin'ny lalana ity ary handinika azy andro aman'alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin'izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.
9 Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin'izay rehetra alehanao.
10 Ary nandidy ireo mpifehy vahoaka i Josoa ka nanao hoe:
11 Ndeha mitety ny toby ka mandidia ny vahoaka hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa, raha afaka telo andro, dia hiampita an'ity Jordana ity ianareo mba hiditra haka ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
12 Avy eo dia ny lehilahy ao amin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase no nilazan'i Josoa hoe:
13 Tsarovy ny teny izany nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO anareo fony izy nanao hoe: Omen'ny TOMPO Andriamanitrareo toeram-ponenana eto ianareo ka tolorany ity tany andafy atsinanan'i Jordana ity.