Deoterônômy

Toko faha-30

7 Ary hampiharin'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny fahavalo mpankahala sy mpanenjika anareo ireny ozona rehetra ireny.

8 Dia hanaiky ny TOMPO indray ianareo ka hanatanteraka ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio.

9 Ary hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian'ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa,

10 satria manaiky ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka mitandrina ny didy aman-dalany, izay voasoratra amin'ity bokin'ny Lalana ity, ary satria iverenanareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ny TOMPO Andriamanitrareo.

11 Fa izao didy ampitaiko aminareo izao dia tsy saro-pantarina aminareo na ivelan'ny takatrareo.

12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanareo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba hotanterahintsika?

13 Tsy any ampitan'ny ranomasina izany ka hanaovanareo hoe: Iza no hiampita ny ranomasina haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba harahintsika?

14 Fa eo akaikinareo tokoa ny teny, dia eo am-bavanareo sy ao am-ponareo, mba harahinareo.

15 Ry Israelita, indro ataoko eo anoloanareo anio ny fiainana sy ny soa ankilany ary ny fahafatesana sy ny loza andaniny.

16 Raha ankatoavinareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio, ka hotiavinareo Izy sy hizoranareo ny sori-dalany ary hotandremanareo ny didy aman-dalany mbamin'ny fitsipiny, dia ho velona ianareo ka hihamaro, ary hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana.

17 Fa raha mivily kosa ny fonareo, ka tsy mankato ny TOMPO ianareo fa voataona hiankohoka eo anatrehan'ny andriamani-kafa sy hanompo azy,

18 dia ambarako aminareo dieny izao fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, rehefa tafita ny ony Jordana ianareo.

19 Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo.

20 Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo fa homena azy.

Toko faha-31

1 Dia avy indray i Mosesy nampita ireto teny ireto tamin'ny Israelita ka nanao taminy hoe:

2 Feno 120 taona androany aho ka tsy afa-misahana ny andraikitra fitarihana anareo intsony; sady ny TOMPO efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao!

3 Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan'ny TOMPO.

4 Tahaka ny nataon'ny TOMPO tamin'i Sihona sy i Hoga, mpanjaka amorita, izay naringany mbamin'ny taniny, no hataony amin'ireo firenena ireo koa.

5 Hatolotry ny TOMPO eo anoloanareo ireo ka araka ny didy nampitaiko manontolo taminareo no hataonareo aminy.

6 Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an'ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.

7 Dia nantsoin'i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason'ny Israelita rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan'ity vahoaka ity.

8 Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

9 Dia nataon'i Mosesy an-tsoratra izany Lalanan'Andriamanitra izany, ka natolony tamin'ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia ireo mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan'ny TOMPO, ary koa tamin'ireo rehetra loholon'i Israely.

10 Dia nanome didy azy i Mosesy ka nanao hoe: Isaky ny fito taona, amin'ny taona famotsoran-trosa, mandritra ny fankalazana ny Tranotomboka, no hamakianareo ny teny raketin'ity Lalana ity.

11 Amin'izay ny Israelita rehetra ho tonga hiseho eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny toerana hofidiny, ka aoka ity Lalana ity hovakinareo aminy mba hohenoiny.

12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, ary na dia ny vahiny ao an-tanananareo aza, mba hihainoany sy hianarany izany ka hanajany ny TOMPO Andriamanitrareo sy himasoany hanatanteraka ny teny rehetra raketin'ity Lalana ity.

13 Ny zaza izay tsy mbola mahalala ity Lalana ity, dia mba handre izany ka hianatra hanaja ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana, rehefa tafita ny ony Jordana ianareo.

14 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan'ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa

15 ka nisehoan'ny TOMPO tamin'ny andry rahona; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay izany andry rahona izany.

16 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Indro hodimandry any amin'ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin'ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.

17 Dia hirehetan'ny fahatezerako amin'izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon'ny olona levona izy sady hianjadian'ny loza amam-pahoriana maro. Amin'izany andro izany no hitenenan'ny Israelita hoe: Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian'izao fahoriana izao!

18 Eny, hafeniko aminy tokoa ny tavako amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony tamin'ny niviliany hanaraka andriamani-kafa.

19 Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin'ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan'ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy.

20 Any amin'ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely, no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana.

21 Rehefa hianjadian'ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan'ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan'ny hitondrako azy any amin'ny tany izay nianianako homena azy izao aza.

22 Dia nataon'i Mosesy an-tsoratra androtrizay ihany izany tononkira izany ka nampianariny ny Israelita.

23 Avy eo dia nofeperan'ny TOMPO i Josoa, zanakalahin'i Nona, ka nilazany hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.

24 Rehefa voasoratr'i Mosesy tao anaty boky avokoa ny teny raketin'ity Lalana ity,

25 dia nofeperany ny Levita, izay mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nataony hoe:

26 Raiso ity bokin'ny Lalana ity, ka apetraho ao anilan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO Andriamanitrareo; ka ho eo hatrany izany boky izany mba ho vavolombelona hiampanga ny Israelita.

27 Fantatro fa maditra sy mafy hatoka ireo; izao ankehitriny mbola velona eto aminy izao aza aho, dia efa nikomy tamin'ny TOMPO ireo, ka mainka rehefa maty aho.

28 Vorio eto amiko ny loholona sy mpifehy rehetra isam-poko, mba hilazako mivantana izao teny izao; ary hantsoiko ny tany aman-danitra mba ho vavolombelona aminy.

29 Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin'ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin'ny asany.

30 Avy eo dia nolazain'i Mosesy mivantana tamin'ny Israelita rehetra tafavondrona teo izao tononkira manontolo izao:

Toko faha-32

1 Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho; ny tany mandrenesa ny lazain'ny vavako.

2 Ny anatro anie hitosaka toy ny orana, dia toy ny oram-batravatra amin'ny vilona; ny teniko anie hirotsaka toy ny ando, dia toy ny erikerika amin'ny ahi-maitso.

3 Miantso ny anaran'ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!

4 Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany; ny sori-dalany rehetra rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy: marina sy mahitsy Izy.

5 Nanjary simba ianareo, ka tsy zanany intsony fa feno tsiny; taranaka melo-tsaina sady mpivadibadika.

6 Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9331