Deoterônômy
Toko faha-28
54 Ny lehilahy faran'izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady andefimandriny mbamin'ny zanany sisa;55 tsy misy homeny amin'ny mofon-janany izay hohaniny manko ireo havany akaiky ireo; sao manko tsy hisy sakafo tavela ho an'ny tenany intsony mandritra ny fahirano, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin'ny tanana rehetra misy anareo any.
56 Ny vehivavy, faran'izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, ka tsy mbola nanandrana nandia tany, dia ho ratsy fijery ny vady andefimandriny sy ny zanakalahiny ary ny zanakavaviny;
57 eny, na hoe ny zazakely vao natera-dravehivavy sy ny tavony afaka taminy aza, dia hataony ratsy fijery; hohaniny mangingina manko ireny fa tsy manana na inona hatao sakafo izy mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin'ny tananareo any.
58 Imasoy hotanterahina ny didy rehetra amin'ity Lalana ity, dia ny didy rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity; ary hajao ilay mitondra ny anarana be voninahitra sady mendri-kohajaina hoe Ny TOMPO Andriamanitrareo. Raha tsy izany no tandrovinareo,
59 dia fery mahatsiravina, eny fery sy aretina samy mazana sy maharitra ela, no hataon'ny TOMPO mianjady aminareo sy amin'ny taranakareo.
60 Hataony mifotitra aminareo ny aretina rehetra nihatra tamin'ny Ejiptianina, aretina izay natahoranareo kanefa dia hiraikitra aminareo.
61 Na ny aretina sy fery isan-karazany tsy voasoratra amin'ity bokin'ny Lalana ity aza, dia hoentin'ny TOMPO hamelezana anareo mandra-paharinganareo.
62 Iny ianareo efa maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka iny, dia olona vitsy no ho sisa tavela aminareo, satria ianareo tsy nanaiky ny TOMPO Andriamanitrareo.
63 Araka izay nifalian'ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
64 Dia haelin'ny TOMPO any amin'ny firenena rehetra hatrany amin'ny faran'ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.
65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen'ny TOMPO anareo.
66 Ny ainareo hihevingevina eo anatrehanareo; dia hatahotra andro aman'alina ianareo ka tsy hanampo izay ho velona intsony.
67 Maraina ianareo hanao hoe: Malakia hariva!, hariva ianareo hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hangeja ny fonareo ary noho ny zavatra ho hitan'ny masonareo.
68 Dia hoentin'ny TOMPO hiverina an-tsambo any Ejipta ianareo ka hihazo ny lalana efa nolazaiko taminareo hoe tsy ho hitanareo intsony; any ianareo, na lahy na vavy, dia hivaro-tena ho mpanompon'ny fahavalonareo, nefa tsy hisy mpividy.
69 Ireto kosa no fepetra momba ny fanekempihavanana nodidian'ny TOMPO hataon'i Mosesy amin'ny Israelita tany Moaba. Izao fanekempihavanana izao dia ankoatra ilay natao tany amin'ny tendrombohitra Horeba.
Toko faha-29
1 Novorin'i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon'ny TOMPO teo imasonareo tamin'ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.2 Efa hitanareo maso ny fitsapana mafy nianjady taminy, dia ireny famantarana sy zava-mahagaga goavana ireny.
3 Nefa tsy nomen'ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
4 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.
5 Tsy mofo mba nohaninareo ary tsy divay na toaka mba nosotroinareo: niahy anareo ny TOMPO hahafantaranareo fa Izy no TOMPO Andriamanitrareo.
6 Nony tonga teto amin'ity toerana ity ianareo, dia niainga hifanehatra sy hiady amintsika i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy i Hoga mpanjakan'i Basana; kanefa resintsika izy roa lahy.
7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin'ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase.
8 Koa imasoy hotanterahina ny fepetra momba izao fanekempihavanana izao mba hambinina ianareo amin'izay rehetra hataonareo.
9 Ry Israelita, anio no miseho eto anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo rehetra, dia ny lehibenareo sy mpitsaranareo, ny loholonareo sy mpifehy anareo, ny vatan-dehilahy
10 sy zaza amam-behivavy, ary koa ny vahiny eo amin'ny tobinareo ka ampiasainareo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano.
11 Hidiranareo izao ny fanekempihavanana ataon'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ary hirosoanareo ny fianianana hankatoavana izany.
12 Dia hasandrany ho vahoakany ianareo ary Izy ho Andriamanitrareo, araka izay nampanantenainy taminareo sy nianianany tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo.
13 Tsy aminareo ihany no ataoko manankery izao fanekempihavanana arahim-pianianana izao;
14 eny, tsy an'izay olona tafaraka etoana manatrika ny TOMPO Andriamanitsika ihany izao fanekempihavanana izao fa ho an'izay taranaka amam-para tsy mbola tafaraka amintsika anio koa.
15 Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin'ireo hafa firenena;
16 ary efa hitanareo ny zava-maharikoriko misy eo aminy, dia ny sampy vita hazo na vato na volafotsy na volamena.
17 Koa aoka tsy hisy aminareo, lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily anio ka hiala amin'ny TOMPO Andriamanitsika mba handeha hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho tahaka ny fakan-javamaniry miteraka poizina mangidy.
18 Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony!,
19 dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran'ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'ny TOMPO tsy ho eo amin'izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.
20 Dia havahan'ny TOMPO tsy ho anisan'ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin'ny fanekempihavanana voasoratra amin'ity bokin'ny Lalana ity.
21 Rehefa mahita ny voina sy loza hamelezan'ny TOMPO ity taninareo ity ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay handimby anareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra, dia ho loa-bolana hoe:
22 Main'ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an'i Sodoma sy i Gomora ary i Adma sy i Tseboima, izay tanana noravan'ny TOMPO satria nirehetan'ny fahatezerany.
23 Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitr'izao fahatezerany mirehitra mafy izao?
24 Dia hovalian'ny olona hoe: Tonga izao satria nafoin'izany vahoaka izany ny fanekempihavanana nataon'ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta;
25 kanjo nandeha nanompo andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehan'ireny andriamanitra tsy fantany sady tsy navela hotompoiny ireny.
26 Dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'ny TOMPO, ka nataony tonga taminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity;
27 eny, fahatezerana mirehitra mafy tokoa no nandroahan'ny TOMPO azy sy nanilihany azy any an-tany hafa, tahaka ny misy azy ankehitriny izao.
28 Anjaran'ny TOMPO Andriamanitsika ny mahafantatra ny zava-miafina. Ny tenantsika sy ny taranatsika hatrany hatrany kosa no mahafantatra ny zavatra ambarany, mba hanatanterahantsika ny didy rehetra raketin'ity Lalana ity.
Toko faha-30
1 Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenam-pitahiana sy fanambaran-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin'ny firenena rehetra handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany,2 ka hiverina amin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio.
3 Dia haverin'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin'ny firenena rehetra nampielezany anareo.
4 Na misy voaroaka any am-paran'ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan'ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy
5 mba hampidiriny ao amin'ny tany izay fananan'ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin'ny razambenareo;
6 dia hodiovin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon'ny taranakareo hitiavanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.