Deoterônômy

Toko faha-19

7 Koa izany no andidiako anareo hoe: Manokana tanana telo ho fialofanareo!.

8 Raha imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao ka hotiavinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hizoranareo mandrakariva ny sori-dalany, dia hitarin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo, araka izay nampanantenainy ombam-pianianana tamin'ny razambenareo. Ary amin'izay, dia hampianareo tanana fialofana telo indray iretsy telo iretsy.

10 Izany no tsy hisian'ny famonoana olona tsy manan-tsiny eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo; ka tsy ho meloka amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny ianareo.

11 Fa mety misy olona mankahala ny namany ka manotrika hamely azy, dia miantoraka aminy sy mamono mahafaty azy, ary avy eo mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanana fialofana ireo.

12 Amin'izay kosa ny loholona amin'ny tanana fiaviany dia haniraka haka azy ao ary hanolotra azy eo an-tanan'ny mpamaly faty mba hovonoiny ho faty;

13 tsy hangorahanareo izy. Izany no hanesoranareo amin'i Israely ny famonoana olona tsy manan-tsiny ary izany koa no hahitanareo soa.

14 Ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia aza mamindra ny orim-bato mamaritra ny tanin'ny namanareo, orim-bato izay efa vitan'ny razana tamin'ny zaratany azonareo.

15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hitombenan'ny raharaha.

16 Raha misy vavolombelona mijoro hanendrikendrika olona ho nanao ratsy,

17 dia hankeo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO izy roa lahy miady ka hiseho eo anatrehan'ireo mpisorona sy ireo mpitsara tompon'anjara amin'izany andro izany.

18 Ary hanao famotorana lalina ny mpitsara; ka raha hitany fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona noho izy miampanga lainga ny namany,

19 dia araka izay nokasainy hatao amin'io namany io no hataonareo aminy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

20 Ary handre izany ny olona hafa rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.

21 Tsy hangorahanareo akory ilay mpanendrikendrika; fa aina no hataonareo solon'ny aina, maso no solon'ny maso, nify no solon'ny nify, tanana no solon'ny tanana, tongotra no solon'ny tongotra.

Toko faha-20

1 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.

2 Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe:

3 Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany.

4 Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.

5 Avy eo dia hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.

6 Ary iza aminareo no efa namboly voaloboka nefa tsy mbola nioty vokatra taminy? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hioty ny vokatra.

7 Ary iza aminareo no manana fofombady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.

8 Dia mbola hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany.

9 Rehefa tapi-niteny tamin'ny miaramila ireo manamboninahitra ireo, dia hanendry mpifehy hitarika antoko miaramila.

10 Rehefa mby akaikin'ny tanana hiadiana ianareo, dia taomy hanao raharaham-pihavanana ny mponina.

11 Raha manaiky ireo ka mampandroso anareo, dia ho mpandoa hetra ho anareo sy ho mpanomponareo ny olona rehetra ao.

12 Raha tsy manaiky hanao raharaham-pihavanana kosa ireo, fa hiady aminareo, dia ataovy fahirano.

13 Ary rehefa atolotry ny TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo ilay tanana, dia hovonoinareo amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.

14 Fa hoentinareo ho anareo kosa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra ao an-tanana; ary hitompoanareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo, satria omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo.

15 Toy izany no hataonareo amin'ny tanana rehetra tena lavitra anareo, ka tsy tananan'ireto firenena ho lasanareo tany ireto.

16 Fa ny tananan'ireto firenena ireto, tanana izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia tsy havelanareo hisy miangana izay olona sy mananaina rehetra ao.

17 Hataonareo ringana tanteraka ireto firenena ireto, dia ny Hetita sy ny Amorita ary ny Kanahanita mbamin'ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita; hataonareo ringana tanteraka ireo, araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo,

18 mba tsy hampianarany anareo hanao ny zavatra mahatsiravina rehetra fanaony amin'ny andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

19 Raha ela no hanaovanareo fahirano ny tanana izay tafihinareo halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo fihinam-boa eny manodidina, fa hisy voany hohaninareo; koa aza kapaina, fa tsy olona natao hiadiana tsy akory ny hazo fihinam-boa any an-tsaha.

20 Saingy ny hazo izay fantatrareo fa tsy fihinam-boa dia ho azonareo kapaina ihany ka hanamboaranareo fitaovana hamelezana ny tanana izay miady aminareo, mandra-paharesiny.

Toko faha-21

1 Eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia mety hisy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha saingy tsy fantatra izay namely nahafaty azy.

2 Amin'izay, dia hiainga ny loholona ama-mpitsaranareo ka handrefy ny elanelan'ireo tanana manodidina sy ilay toerana misy ny faty,

3 mba hahafantarana ny tanana izay akaikin'ny faty indrindra. Ary ny loholon'io tanana io dia haka vantotr'ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina na novesaran-jioga hitarihany;

4 ka ireo ihany no hitondra azy midina amina-lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy ritra; ary ao anatin'io renirano io no hamolahan'ireto loholona ny vozon'ilay vantotr'ombivavy.

5 Dia hanatona eo ny mpisorona taranak'i Levy, satria izy no voafidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hanompo AZY sy hitsodrano amin'ny anarany; koa araka ny tenin'ny mpisorona no handaminana ny ady sy vonoana isan-karazany.

6 Ny loholona rehetra amin'izany tanana tena akaikin'ny faty izany kosa dia hanasa ny tanany amin'ny renirano, eo ambonin'ilay vantotr'ombivavy izay efa voafolaka ny vozony;

7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Ny tananay tsy nandatsaka aina an'io olona io, ary ny masonay tsy nahita ny zava-nitranga.

8 TOMPO o, afaho andraikitra amin'izany ilay Israely vahoaka navotanao, ary aoka ny famonoana olona tsy manan-tsiny mba tsy havelanao hanjaka eo anivony. Dia ho afaka andraikitra amin'izany famonoana olona izany ireo.

9 Izany no hialanareo andraikitra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny, satria nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO ianareo.

10 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo ary atolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo an-tananareo izy ka voababonareo,

11 dia mety hisy aminareo hahita vehivavy anankiray tsara tarehy amin'ireo babo ka ho raiki-pitia azy sy haniry hanambady azy.

12 Hoentin'io lehilahy io ho ao an-trano ravehivavy, ka hiharatra volon-doha sy hanala hoho,

13 hanaisotra ny fitafiany tamin'ny nahababo azy sy hiova akanjo, ary hitoetra ao amin-dralehilahy. Mandritra ny iray volana dia hisaona ny ray aman-dreniny ravehivavy; aorian'izany ralehilahy vao hahazo manatona azy sy hampakatra azy ary hanana azy ho vady.

14 Fa raha avy izay tsy itiavany an-dravehivavy intsony dia halefany handeha araka izay sitrapony izy; fa tsy azony amidy hatao vola aman-karena izy na andevoziny, satria efa novinadiny.

15 Mety hisy lehilahy mampirafy roa, ka ny iray tiany bebe kokoa ary ny iray tiany kelikely kokoa. Samy niteraka zazalahy aminy izy roa vavy; ary ny zanak'ilay vehivavy tiany kelikely kokoa no lahimatoa.

16 Amin'ny andro handidiany fananana ho an'ireo zanany lahy, dia tsy azon-dralehilahy atao lahimatoa ny zanak'ilay vehivavy tiany bebe kokoa, raha mbola eo ihany ny zanak'ilay vehivavy tiany kelikely kokoa, satria io no tena lahimatoany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9462