Deoterônômy
Toko faha-25
18 Tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra ireo fa nanehatra anareo teny an-dalana sy namely izay trotraka teo amin'ny vodilaharanareo fony ianareo reraka sy sasatra.19 Hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo mahazo fitsaharana ianareo izao ka tsy ho voahelingelin'ny fahavalo rehetra manodidina anareo any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjara fanananareo; dia hovonoinareo ho faty ny Hamalekita amin'izay mba tsy hisy olona hahatsiaro azy intsony eto amin'izao tontolo izao. Aza hadinoinareo izany!
Toko faha-26
1 Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaranareo ka hahazo azy ho fanananareo sy hiorim-ponenana eo,2 dia maka ampahan'ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan'ny voninahiny;
3 ary samia ianareo manatona ny mpisorona mpanao raharaha amin'izany andro izany, ka milaza aminy hoe: Manambara amin'ny TOMPO Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambentsika homena antsika.
4 Dia horaisin'ilay mpisorona kosa ny sobika eny an-tananareo ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'ny TOMPO Andriamanitrareo.
5 Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6 Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.
7 Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorina izahay.
8 Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina omban'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta;
9 ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10 Koa ankehitriny, TOMPO o, inty aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy. Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.
11 Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.
12 Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanananareo;
13 ary samia ianareo miteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo hoe: Efa navoakako niala ny tranoko, TOMPO o, ny zavatra voatokana ho Anao ka nomeko ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena, araka ny didy manontolo izay nampitainao tamiko; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao ny amin'izany.
14 Ireo zavatra ireo tsy nisy nohaniko fony aho nisaona, na navoakako ny tranoko fony aho naloto ara-pivavahana, na nomeko hatao fanatitra noho ny maty; fa efa nihaino ny feonao aho, ry TOMPO Andriamanitro, ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15 Tsinjovy avy ao amin'ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ilay Israely vahoakanao sy ilay tany izay nomenao anay araka ny fianianana nataonao tamin'ny razambenay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16 Anio no andidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalana amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ireo.
17 Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dalany ka hitandrina ny lalanany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony.
18 Efa nampitenenin'ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo, sady hitandrina ny didiny rehetra.
19 Eny, tiany hasandratra ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony ianareo na amin'ny voninahitra na amin'ny laza na amin'ny famirapiratana; dia ho vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy.
Toko faha-27
1 Dia nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon'i Israely ka nanao hoe: Tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio.2 Amin'ny andro hitanareo ny ony Jordana ho any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia vato lehibe no hatsanganareo ka holaloranareo sokay;
3 ary hosoratanareo eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra momba ity Lalana ity, vantany vao tafita ny ony ianareo. Izany no hidiranareo ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
4 Any amin'ny tendrombohitra Hebala no hatsanganareo sy holaloranareo sokay ireo vato izay ameperako anareo anio ireo, rehefa tafita ny ony Jordana ianareo.
5 Eo koa no hanorenanareo alitara ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia alitara vato tsy voapai-by.
6 Vato tsy voavoatra no hanorenanareo io alitara io, ary eo amboniny dia hanoloranareo sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo.
7 Hanolotra sorom-pihavanana koa ianareo, ka hihinana eo an-toerana sady hifaly eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo.
8 Amin'ireo vato voatsangana ireo kosa no hanoratanareo ny teny rehetra momba ity Lalana ity ka hataonareo velona tsara ny soratra.
9 Dia niteny tamin'ny Israelita rehetra indray i Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangina ka mihainoa, ry Israelita. Izao anio izao ianareo no efa tonga vahoakan'ny TOMPO Andriamanitrareo.
10 Koa henoy ny feon'ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalany izay ampitaiko aminareo anio.
11 Androtrizay koa dia nandidy ny vahoaka i Mosesy ka nanao hoe:
12 Rehefa tafita ny ony Jordana ianareo, dia ireto foko ireto no ho eo amin'ny tendrombohitra Gerizima amin'ny fanononam-pitahiana ho an'ny vahoaka: dia i Simehona, i Levy, i Joda, i Jisakara, i Josefa ary i Benjamina.
13 Ireto foko ireto kosa no ho eo amin'ny tendrombohitra Hebala amin'ny fanononana ozona: dia i Reobena, i Gada, i Asera, i Zebolona, i Dana, ary i Naftaly.
14 Dia hiteny amin'ny Israelita rehetra ny Levita ka feo mahery no hilazany hoe:
15 Ho voaozona anie ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra ho sampiny na sarin-javatra amin'ny metaly nempoina ka mametraka azy hotsaohina an-takona, satria maharikoriko eo imason'ny TOMPO ny asan-tanan'ny mahay taozavatra toy ireny! Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amen!
16 Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
17 Ho voaozona anie izay mamindra ny orimbato faritry ny tanin'ny namany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
18 Ho voaozona anie izay mamery lalana ny jamba! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
19 Ho voaozona anie izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
20 Ho voaozona anie izay miray amin'ny vadin-drainy fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe; Amen!
21 Ho voaozona anie izay miray amin'ny biby! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
22 Ho voaozona anie izay miray amin'ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany na zanakavavin-dreniny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
23 Ho voaozona anie izay miray amin'ny rafozambaviny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
24 Ho voaozona anie izay mahafaty an-takona ny namany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
25 Ho voaozona anie izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!
26 Ho voaozona anie izay tsy mankato ireo teny momba ity Lalana ity sy tsy manatanteraka azy! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!.
Toko faha-28
1 Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo;2 eny, raha ekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ho tonga aminareo sy ho azonareo ireto fitahiana isan-karazany ireto:
3 Hotahina ianareo na ny ao an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra.