Deoterônômy
Toko faha-23
15 Mandeha eo afovoan'ny tobinareo ilay TOMPO Andriamanitrareo mba hiaro anareo sy hampanaiky resy ny fahavalonareo; ka dia ho faritra masina ny tobinareo, ary tsy tokony hahita zava-maharikoriko eo aminareo ny Tompo mba tsy hialany aminareo.16 Aza atolotrareo ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mialoka eo aminareo.
17 Eo aminareo no honenany, dia eo amin'ny toerana izay fidiny ao amin'ny tanananareo mba hahafinaritra azy; fa aza mampahory azy ianareo.
18 Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19 Aza ekena hoentina eo an-tranon'ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanefana voady na ny tangim-behivavy janga na ny karaman'alikalahy: ireo zavatra anankiroa ireo manko dia samy zava-mahatsiravina eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo.
20 Aza mampanana zavatra amin'ny mpiray firenena ianareo, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananana.
21 Ny olona hafa firenena ihany no azonareo ampananan-javatra, fa ny mpiray firenena kosa tsy hanaovanareo izany; dia hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'ny zavatra rehetra hataonareo, any amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
22 Raha mivoady hanao sorona na fanatitra amin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, dia aza ela fanefa; raha tsy izany kosa dia hanadinany anareo tokoa ilay voady ka ho fahotana aminareo.
23 Fa raha tsy mivoady ianareo, dia tsy fahotana aminareo izany.
24 Izay aloaky ny vavanareo dia imasoy hotanterahina, araka ny voady an-tsitrapo notononin'ny vavanareo tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo.
25 Raha ianareo sendra mandalo ny tanimboaloboky ny namanareo, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky; fa aza mitondra mody.
26 Raha ianareo sendra mandalo ny tanimbarin'ny namanareo, dia mahazo mioty salohim-bary amin'ny tananareo; fa aza jinjanareo antsy ny variny.
Toko faha-24
1 Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.2 Rehefa niala ny trano ravehivavy, dia lasa nanambady olon-kafa.
3 Mety tsy tia an-dravehivavy intsony ilay lehilahy faharoa nanambady azy ka manoratra taratasy fanariam-bady sy manolotra izany eo an-tanany ary mampiala azy ao an-tranony; na koa mety maty izany lehilahy faharoa nanambady azy izany.
4 Ilay lehilahy voalohany nanambady azy ka nanary azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, satria efa voaloto ravehivavy ho azy sady zava-mahatsiravina eo imason'ny TOMPO izany. Aza atao tototra heloka ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
5 Rehefa misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handehandeha hiantafika izy ary tsy hampanaovina raharaham-bahoaka; fa havela izy hitoetra herintaona ao an-tranony ka hampifaly ny vady izay vao nampakariny.
6 Aza misy maka ny vato roa fikoseham-bary na ny vatony ambony ho antoka, fa maka aina ho antoka izany.
7 Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin'ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
8 Mitandrema ny amin'ny aretin-koditra isan-karazany, ka imasoy fatratra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona.
9 Tsarovy izay nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'i Miriama teny an-dalana, fony ianareo niala tany Ejipta.
10 Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11 Mijanona ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano.
12 Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo.
14 Aza ampahorinareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanananareo.
15 Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany.
16 Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona.
17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka.
18 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.
19 Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'ny asa rehetra ataonareo.
20 Rehefa ahintsanareo sy angoninareo ny olivanareo, dia aza miverina hioty izay oliva sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
21 Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
22 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.
Toko faha-25
1 Mety misy olona anankiroa manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana; dia tsaraina izy roroa ka homen-drariny izay manan-drariny ary hohelohina kosa izay meloka.2 Raha tokony hokapohina ny meloka, dia hasain'ny mpitsara hivalandotra amin'ny tany izy ka hokapohina eo anatrehan'ilay mpitsara; ary arakaraka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3 Hatramin'ny efapolo no kapoka azo amelezana azy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonareo ny mpiray firenena aminareo.
4 Aza akombonareo ny vavan'ny omby mively vary.
5 Mety misy mpirahalahy miara-monina, ka maty momba ny anankiray. Amin'izay, dia aoka ny vadin'ny maty tsy hanambady vahiny any ivelam-pianakaviana; fa ny zaodahiny ihany no aoka handeha hanambady azy, ka hitondra loloha azy.
6 Ary ny lahimatoa izay haterany no haka ny anaran'ilay rahalahy efa maty, mba tsy hahafaty anarana azy eo amin'i Israely.
7 Raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo amin'ny fitsarana ravehivavy ka hanao hoe: Tsy mety mamelona ny anaran'ny rahalahiny eo amin'i Israely ny zaodahiko, fa tsy te hitondra loloha ahy.
8 Dia hantsoin'ireo loholon'ny tanana ralehilahy ka hohadininy. Ary raha miteny izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy!,
9 dia hanatona azy eo anatrehan'ireo loholona ity vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy ary handrora amin'ny tavany sady hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'ny lehilahy tsy mety manome taranaka ny rahalahiny!
10 Ary ny fianakavian'izany lehilahy izany eo amin'i Israely dia hampiana anarana hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
11 Mety misy olona roa lahy miady, ary ny vadin'ny anankiray kosa manatona hanafaka ny vadiny eo an-tanan'ilay mamely azy; raha maninji-tanana ravehivavy ka mandray ny ankasarotan'ilay lehilahy mifamely amin'ny vadiny,
12 dia tsy hanananareo antra izany vehivavy izany fa hotapahinareo ny tanany.
13 Aoka tsy hisy vatomizana mahery lanja sy latsa-danja ao an-kitaponareo.
14 Aoka tsy hisy famarana lehibebe sy kelikely.
15 Vatomizana sy famarana tonga ohatra sy ara-dalana no aoka hotananareo mba ho maro andro iainana ianareo, any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
16 Satria izay rehetra manao zavatra tsy an-drariny toy ireny dia maharikoriko eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo.
17 Tsarovy izay nataon'ny Hamalekita taminareo teny an-dalana, taorian'ny nialanareo tany Ejipta.