NehemiĆ 

Toko 1 Tantaranalahatr'i Nehemia zanakalahin'i Hakalia. Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakan'i Artakserksesa, volana Kisleo, raha tany an-dapa tao Sosany aho,
Toko 2 Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakan'i Artakserksesa, volana Nisana, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperora, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan'ny amperora
Toko 3 Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin'ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin'ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin'ny tilikambon'ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela.
Toko 4 Rehefa ren'i Sanebalato sy i Tobia mbamin'ny Arabo sy ny Hamonita ary ny Asdodita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan'i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
Toko 5 Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon'ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 
Toko 6 Ren'i Sanebalato sy i Tobia ary i Gesema ilay Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa tafatsangako indray ny manda ka tsy misy banga intsony. Kanefa tamin'io fotoana io dia tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady.
Toko 7 Nony vita ny manda ka voalatsako ny lela-vavahady, dia napetraka tamin'ny fandraharahany avy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny levita.
Toko 8 Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano no nivoriany tamin'ny andro voalohan'io volana io. Nasain'ny vahoaka nalain'i Hezra mpahay Lalana ny bokin'ny Lalan'i Mosesy, izay nandidian'ny TOMPO an'ireo Israelita. Dia nentin'i Hezra mpisorona izany ho eo anatrehan'ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 
Toko 9 Ny andro faha-24 tamin'izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany.
Toko 10 Noho izany rehetra nanjo anay izany, dia fanomezan-toky mafy no nataonay sy naraikitray an-tsoratra. Taratasy nasiana tombokase izy io sady nosoniavin'ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay.
Toko 11 Niorim-ponenana tao Jerosalema ireo lehiben'ny vahoaka; ary nanaovana antsapaka ny vahoaka sisa mba hahatonga ny ampahafolony honina ao Jerosalema tanana masina, fa ny sivy toko kosa dia ho any amin'ny tanana hafa.
Toko 12 Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin'i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela sy niaraka tamin'i Jesoa: I Seraia sy i Jeremia ary i Hezra,
Toko 13 Tamin'izany fotoanandro izany, dia novakina ho ren'ny vahoaka ny teny raketin'ny bokin'i Mosesy; ka hita voasoratra tao fa ny Hamonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra na oviana na oviana. 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0434