Nehemià
Toko faha-4
1 Rehefa ren'i Sanebalato sy i Tobia mbamin'ny Arabo sy ny Hamonita ary ny Asdodita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan'i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema sy hanimba ny asa.
3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitray izahay sady nametraka mpiambina andro aman'alina hiatrehana sy hanoherana an-dry zareo.
4 Saingy hoy ny lehilahin'i Joda hoe: Mihena hery ny mpitondra entana ary be ny korontan-javatra ka dia tsy ho vitanay mihitsy ny handrafitra ny manda!
5 Ny fahavalonay kosa nihevitra fa tsy hahalala na hahita izahay, raha tsy tonga eo afovoanay izy ka mahafaty anay ary mampitsahatra ny asa.
6 Ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo fahavalonay ireo dia tonga nampandre anay impolo kely hoe: Hatraiza hatraiza no iavian-dry zareo hamely antsika!
7 Dia nasiako miaramila tamina toerana iva saingy voaaro, teo ivelan'ny manda; araka ny tarika nipoirany avy no nandaharako azy, samy nitana sabatra sy lefona ary tsipika.
8 Rehefa nijery izany aho, dia niainga nilaza tamin'ny loholona sy mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza atahorana ny fahavalonareo! Tsarovy fa ny Tompo no lehibe sy mahatahotra; ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny tranonareo.
9 Nony ren'ny fahavalonay fa efa fantatray sady efa nofoanan'Andriamanitra ny tetik'adiny, dia niverina ho any amin'ny manda izahay rehetra, samy nandray ny asany avy.
10 Saingy nanomboka tamin'io andro io, dia ny antsasaky ny oloko no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsipika aman'akanjo fiarovan-tratra; ireo filoha dia samy teo ivohon'ny olona rehetra amin'i Joda
11 izay namboatra ny manda. Ny mpitondra entana dia samy niasa tamin'ny tanany anankiray ary nitan-defona kosa ny tanany an'ila;
12 ny mpandrafitra rehetra, teo am-pandrafetana, dia samy nanan-tsabatra anankiray voafehy teo amin'ny etrany avy; ary ny mpitsoka anjomara dia teo anilako.
13 Dia hoy aho tamin'ny loholona sy mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa: Be sady midadasika ny asa; ka dia voazarazara eny amin'ny manda sy mifanalavitra isika!
14 Na aiza na aiza ianareo no mandre ny feon'anjomara, dia mivoria aty aminay; fa Andriamanitra no hiady ho antsika!
15 Dia nanao ny asa izahay manomboka ny mazava atsinanana ka mandra-piposaky ny kintana; ary ny antsasakay kosa nitan-defona.
16 Tamin'izany andro izany, dia hoy koa aho tamin'ny vahoaka: Samia mitoetra eto Jerosalema ianareo mbamin'ny mpanomponareo mba hiambina antsika raha alina ary hiasa raha antoandro.
17 Fa na izaho, na ny havako na ny mpanompoko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo mihitsy afa-tsy raha handro.