Nehemià

Toko faha-12

1 Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin'i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela sy niaraka tamin'i Jesoa: I Seraia sy i Jeremia ary i Hezra,

2 i Amaria sy i Maloka ary i Hatosy,

3 i Sekania sy i Harima ary i Meremota,

4 i Hidao sy i Ginetona ary i Abia,

5 i Miamina sy i Mahadia ary i Bilga,

6 i Semahia sy i Joiariba ary i Jedahia,

7 i Salo sy i Hamoka ary i Hilkia sy i Jedahia. Tamin'ny andron'i Jesoa dia ireo no lohandoha-mpisorona sy mpiombom-panompoana aminy.

8 Ny levita kosa dia ireto avy: i Jesoa sy i Binoy ary i Kadmiela mbamin'i Serebia sy i Jehoda ary i Matania. Ity Matania ity sy ny havany no mpiventy hira fiderana,

9 izay novalian'i Bakbokia sy i Hony levita namany nipetraka tandrifiny.

10 I Jesoa no ray niteraka an'i Joiakima; i Joiakima no ray niteraka an'i Eliasiba; i Eliasiba no ray niteraka an'i Joiada;

11 i Joiada no ray niteraka an'i Johanana; ary i Johanana no ray niteraka an'i Jadoa.

12 Tamin'ny andro naha mpisorombe an'i Joiakima, dia ireto avy ny mpisorona loham-pianakaviana: i Meraia ho an'ny fianakavian'i Seraia; i Hanania ho an'ny fianakavian'i Jeremia;

13 i Mesolama ho an'ny fianakavian'i Hezra; i Johanana ho an'ny fianakavian'i Amaria;

14 i Jonatana ho an'ny fianakavian'i Maloka; i Josefa ho an'ny fianakavian'i Sekania;

15 i Hadna ho an'ny fianakavian'i Harima; i Helkay ho an'ny fianakavian'i Meremota;

16 i Zakaria ho an'ny fianakavian'i Hidao; i Mesolama ho an'ny fianakavian'i Ginetona;

17 i Zikry ho an'ny fianakavian'i Abia; i... ho an'ny fianakavian'i Miniamina; i Piltahy ho an'ny fianakavian'i Mahadia;

18 i Samoa ho an'ny fianakavian'i Bilga; i Jonatana ho an'ny fianakavian'i Semahia;

19 i Matenay ho an'ny fianakavian'i Joiariba; i Hozy ho an'ny fianakavian'i Jedahia;

20 i Kalay ho an'ny fianakavian'i Salo; i Hebera ho an'ny fianakavian'i Hamoka;

21 i Hasabia ho an'ny fianakavian'i Hilkia; i Natanaela ho an'ny fianakavian'i Jedahia.

22 Tamin'ny andro naha mpisorombe an'i Eliasiba sy i Joiada ary i Johanana sy i Jadoa, dia natao an-tsoratra ny levita izay loham-pianakaviana; ary toy izany koa ny mpisorona, ka nitohy hatramin'ny nanjakan'i Dariosa amperoran'i Persia izany.

23 Ny levita loham-pianakaviana dia natao an-tsoratra tanatin'ny boky firaketana ny zava-nitranga lehibe; saingy niafara tamin'ny andron'i Johanana zafin'i Eliasiba izany.

24 Ny lohandohan'ny levita, izany hoe i Hasabia sy i Serebia ary i Jesoa mbamin'ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin'ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an'Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon'i Davida olon'Andriamanitra no narahiny tamin'izany.

25 Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matania sy i Bakbokia, i Hobadia sy i Mesolama, ary i Talmona sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian'entana teo akaikin'ny vavahadin'ny tempoly.

26 Ireo no nisahana izany asa izany tamin'ny andron'i Joiakima zanakalahin'i Jesoa sy zafin'i Jotsadaka, ary tamin'ny andron'i Nehemia governora sy i Hezra mpisorona sady mpahay lalana.

27 Rehefa hotokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nantsoina avy tamin'ny toeram-ponenany rehetra ny levita; nasaina ho tonga any Jerosalema ry zareo mba hanao ny fitokanana amim-pifaliana, omban'ny hira fiderana arahin'ny kipantsona sy valiha ary lokanga.

28 Dia tafangona ny mpihira avy any ambanivohitr'i Jerosalema sy avy amin'ny tanana kely akaikin'i Netofa

29 sy avy any Bety-Gilgala ary avy amin'ny faritr'i Geba sy i Hazmavety; fa efa nanao tanana kely ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.

30 Samy nidio tena ny mpisorona sy ny levita; ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.

31 Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ireo mpanapaka an'i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin'ny manda, tamin'ny ilany ankavanana mankeny amin'ny Vavahadin'ny Fanariam-pako;

32 ka nandeha nanarakaraka azy ry i Hosahia, ny antsasak'ireo mpanapaka an'i Joda,

33 i Hazaria sy i Hezra ary i Mesolama,

34 i Joda sy i Benjamina ary i Semahia sy i Jeremia;

35 taorian'ireo ny sasany tamin'ny mpisorona mpitondra trompetra; avy eo i Zakaria, zanakalahin'i Jonatana sy zafin'i Semahia sy zafiafin'i Matania sy zafin-dohalik'i Mikaia sy zafin-kitrokelin'i Zakora ary zafim-paladian'i Asafa,

36 mbamin'ireo naman'i Zakaria, dia i Semahia sy i Hazarela, i Milalay sy i Gilalay; i Mahay sy i Netaneela, ary i Joda sy i Hanany, izay samy nitondra ny zava-maneno namboarin'i Davida olon'Andriamanitra. I Hezra mpahay lalana no nialoha ireo mpiray dia ireo.

37 Nony tonga teo amin'ny Vavahadin'ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan'ny Tananan'i Davida; teo amin'ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin'ny tranon'i Davida, ary tafapaka hatreny amin'ny Vavahadin-drano eo atsinanana.

38 Ny antoko-mpihira faharoa kosa dia nandeha tamin'ny ilany ankavia; ka ny tenako sy ny antsasak'ireo mpanapaka an'i Joda no nanaraka azy teny ambonin'ny manda. Nandalo teo akaikin'ny Tilikambon'ny Fatana izahay, dia nandroso hatreny amin'ny manda malalaka;

39 avy eo dia nitety ny vavahadin'i Efraima, sy ny vavahady tranainy ary ny vavahadin'ny Trondro. Nandalo teo akaikin'ny Tilikambo Hananela sy ny tilikambon'ny Zatolahy ary nihoatra ny vavahadin'ny Ondry izahay, vao nitsatoka teo amin'ny Vavahadin'ny fonja.

40 Dia samy nijanona tao an-tranon'Andriamanitra ny antoko-mpihira roa tonta, mbamin'ny tenako sy ireo mpanapaka tafaraka tamiko

41 ary ny mpisorona trompetra, dia ry i Eliakima sy i Mahaseia, i Miniamina sy i Mikaia, i Eliohenay sy i Zakaria ary i Hanania.

42 Nijanona tao ihany koa ry i Mahaseia sy i Semahia, i Elehazara sy i Hozy, i Johanana sy i Malkia, ary i Helama sy i Hezera. Dia nihira mafy ny mpihira teo ambany fitarihan'i Jizrahia.

43 Sorona maro no natolotra tamin'izany andro izany ary fifaliana no nanjaka, satria antom-pifaliana lehibe no efa nomen'Andriamanitra ny olona. Tao Jerosalema dia nifaly mbamin'ny zaza amam-behivavy, ka re lavitra ny hobin-kafaliana.

44 Tamin'izay koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitehirizana ny fanatitra avahana sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena. Ao no nasaina hangonin'ireo olona ireo ny anjara voadidin'ny lalana mba ho an'ny mpisorona sy ny levita, avy any amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; nifalian'ny vahoakan'i Joda manko ireo mpisorona sy levita izay samy teo amin'ny anjara toerany avy,

45 sady nisahana ny tokony hotandremany momba an'Andriamaniny sy momba ny fidiovana. Toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izay nanaraka ny fandaharana nataon'i Davida sy i Salomona zanany;

46 Tamin'ny andron'i Davida manko dia i Asafa no lehiben'ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin'ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an'Andriamanitra.

47 Ary tamin'ny andron'i Zerobabela sy i Nehemia, dia nomen'ny Israelita rehetra isan'andro ny anjaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana; nomeny koa ny fanatitra voatokana ho an'ny levita, ary ny levita kosa indray no nanome ny fanatitra voatokana ho an'ny mpisorona taranak'i Aharona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555