Nehemià
Toko faha-6
1 Ren'i Sanebalato sy i Tobia ary i Gesema ilay Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa tafatsangako indray ny manda ka tsy misy banga intsony. Kanefa tamin'io fotoana io dia tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady.2 Koa nandefa iraka hankaty amiko i Sanebalato sy i Gesema hilaza hoe: Tongava mba hihaona ao Kefirima amin'ny tany lemak'i Onao isika! Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3 Dia nandefa iraka hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho; raha ilaozako midina any aminareo manko ny asa, dia hiato.
4 Mbola nandefa iraka tamiko inefatra miantoana araka izany ihany izy roa lahy; saingy izany ihany koa no navaliko azy hatrany.
5 Dia nirahin'i Sanebalato fanindiminy hankaty amiko ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany
6 ka izao no voasoratra tao: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro sady lazain'i Gesema koa fa hoe mikasa hikomy ianao sy ny Jiosy; ka izany no anangananao ny manda. Ary, araka izany siosio miely izany, dia maniry ho mpanjakanay ianao.
7 Efa nanendry mpaminany mihitsy aza ianao mba hanambara ao Jerosalema fa ianao no mpanjakan'i Joda. Ankehitriny dia ho ren'ny amperora izany raharaha izany; koa avia isika hiara-mikaon-doha.
8 Dia nandefa iraka ho any amin'i Sanebalato aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany fa noforoninao fotsiny.
9 Ny hampatahotra anay manko no kendren'izy rehetra, satria heveriny fa ho kivy amin'ny asa izahay ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny herezo aho, Andriamanitra o!
10 Indray andro aho dia nankao an-tranon'i Semahia zanakalahin'i Delata sy zafin'i Mehetabeela, satria nisy sampona tsy nahatongavany tany amiko. Ka hoy izy hoe: Ao an-tranon'Andriamanitra, ao anatin'ny Toeramasina, no ndeha isika hihaona; ary aoka hohidintsika ny varavarana fa ho avy hamono anao ireo mpanohitra anao; eny, ho avy alina hamono anao izy.
11 Fa novaliako hoe: Lehilahy toa ahy izao tsy tokony handositra. Ary olona tahaka ahy ve no hiditra ao amin'ny Toeramasina ka ho velonay Tsia, tsy hiditra ao aho!
12 Hitako manko fa tsy Andriamanitra no naniraka an'i Semahia, fa hamitahana ahy no nilazany tamiko izany hafatra izany, satria voakaraman'i Tobia sy i Sanebalato izy.
13 Ny nanakaramany azy dia mba hampitahotra ahy hanarahako ny toroheviny sy hanotako, ka hahazoany miteny ratsy ahy sy manala baraka ahy.
14 Ry Andriamanitra o, tsarovy i Tobia sy i Sanebalato araka izany asany izany, ary tsarovy koa i Nohadia mpaminanivavy sy ireo mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy.
15 Ny andro faha-25, tamin'ny volana Elola, no nahavitana ny manda, izany hoe 52 andro niasana.
16 Rehefa ren'ny fahavalonay tamin'ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinontsinona azy. Ary niaiky ireo fahavalonay fa ilay Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.
17 Tamin'izay ny loholona jiosy dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia; ary ny taratasy avy tamin'i Tobia kosa tonga aty amin'ireo loholona ireo.
18 Betsaka manko ny Jiosy efa nianiana niray tetika taminy, noho izy vinanton'i Sekania zanakalahin'i Ara; ary i Johanana zanakalahin'i Tobia koa efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama zanakalahin'i Berekia.
19 Nanao tsara laza an'i Tobia teo anatrehako ry zareo sady nitatitra ny teniko tany aminy; i Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.