Nehemià
Toko voalohany
1 Tantaranalahatr'i Nehemia zanakalahin'i Hakalia. Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakan'i Artakserksesa, volana Kisleo, raha tany an-dapa tao Sosany aho,2 dia tonga avy any Joda i Hanany, anankiray amin'ireo rahalahiko, miaraka amina lehilahy vitsivitsy. Nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izany hoe tafaverina avy any an-tsesitany, ary ny amin'i Jerosalema.
3 Ka izao no navaliny ahy: Ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany, ao amin'ny faritr'i Joda, dia mitondra latsa sy fahoriana be; ny mandan'i Jerosalema kosa voarodana, ary ny vavahadiny dia kilan'ny afo.
4 Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
5 ka nanao hoe: Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin'izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao;
6 koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman'alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;
7 efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, ka tsy nitandrina ny didy sy lalana amam-pitsipika nampitainao tamin'i Mosesy mpanomponao.
8 Tsarovy ilay teny nasainao nolazain'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin'ny firenen-kafa;
9 nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran'ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin'ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy.
10 Tompo o, mpanomponao sy vahoakanao izahay sady efa navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny fahefanao tsy hay tohaina.
11 Koa mitalaho aminao aho, Tompo o; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon'ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason'ny amperora! Mpandroso divay ho an'ny amperora aho tamin'izay.