Nehemià

Toko faha-8

1 Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano no nivoriany tamin'ny andro voalohan'io volana io. Nasain'ny vahoaka nalain'i Hezra mpahay Lalana ny bokin'ny Lalan'i Mosesy, izay nandidian'ny TOMPO an'ireo Israelita. Dia nentin'i Hezra mpisorona izany ho eo anatrehan'ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 

3 Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan'ny mitataovovonana, dia teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano i Hezra ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.

4 Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an'io fotoana io no nitsanganan'i Hezra mpahay lalana. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitia sy i Sema, i Hanaia sy i Oria ary i Hilkia sy i Mahaseia; teo ankaviany kosa ry i Pedaia sy i Misaela, i Malkia sy i Hasoma, i Hasbadana sy i Zakaria ary i Mesolama.

5 Dia nanokatra ny boky teo imason'ny vahoaka rehetra i Hezra, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra.

6 Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezra; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: Amen! Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan'ny TOMPO.

7 Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita, ry i Jesoa sy i Bany, i Serebia sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hodia sy i Mahaseia, i Kelita sy i Hazaria, i Jozabada sy i Hanana ary i Pelaia, dia nampianatra ny vahoaka ny lalana.

8 Novakin'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalanan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakina.

9 Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin'ny lalana. Noho izany i Nehemia governora sy i Hezra mpisorona sady mpahay lalana ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin'izy rehetra hoe: Voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!

10 Dia hoy indray i Hezra tamin'ny vahoaka: Ndeha mody ka manaova sakafo tsara sy misotroa zava-pisotro mamy, ary mba anatero anjara izay tsy nahavoatra; satria voatokana ho an'ny Tompontsika ity andro ity. Koa aza malahelo, fa ny hafaliana avy amin'ny TOMPO no herinareo.

11 Nampangina ny vahoaka rehetra koa ny levita ka nanao hoe: Mangina ianareo fa voatokana ho an'Andriamanitra ity andro ity!

12 Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an'ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.

13 Ny andro manaraka, dia nivory teo amin'i Hezra mpahay lalana ny loham-pianakaviana israelita rehetra sy ny mpisorona ary ny levita mba handinika bebe kokoa ny tenin'ny lalana.

14 Dia hitany voasoratra tao amin'io lalana izay nampitain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy io, fa tokony hitoetra amina tranotomboka ny Israelita mandritra ny fankalazana ny Tranotomboka amin'ny volana fahafito.

15 Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an'i Jerosalema sy ny tanana rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan'oliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.

16 Dia nandeha naka rantsan-kazo ny Israelita ka samy nanao tranotomboka ho azy teo an-tampon-tranony na teo an-tokotaniny na teo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra na teo an-kalalahana akaikin'ny Vavahadin'ny Rano, na teo an-kalalahana akaikin'ny Vavahadin'i Efraima.

17 Eny, nanao tranotomboka sy nipetraka tao anatiny avokoa ny Fiangonana tsivakivolo, dia ireo olona tafaverina avy any an-tsesitany. Ary nisy fifaliana lehibe tokoa tamin'izany, satria tsy mbola nanao toy izany ny Israelita hatramin'ny andron'i Jesoa no mankaty.

18 Isan'andro isan'andro, hatreo amin'ny andro voalohan'io fankalazana io ka hatrany amin'ny andro farany, dia novakina ny teny tao amin'ny boky mirakitra ny lalanan'Andriamanitra. Naharitra fito andro ny fety; ary tamin'ny andro fahavalo dia nisy fanompoam-pivavahana famaranana nivorian'ny vahoaka, araka ny fanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0547