Nehemià

Toko faha-2

1 Tamin'ny taona faha-roapolo nanjakan'i Artakserksesa, volana Nisana, raha ilay nisakafo iny indrindra ny amperora, dia naka divay aho ka nandroso azy taminy. Vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehan'ny amperora

2 ka hoy izy tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra mafy aho

3 ka niteny tamin'ny amperora hoe: Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanana misy ny fasan-drazako sady levon'ny afo ny vavahadiny?

4 Dia hoy ny amperora tamiko: Inona ary no angatahinao? Nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha,

5 vao niteny tamin'ny amperora hoe: Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ilay tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

6 Ny amperora, izay nanana ny vadibeny nipetraka teo anilany, dia mbola nanontany ahy hoe: Haharitra fotoana firy any anefa ianao ary rahoviana no hiverinay Dia sitraky ny amperora ny handefa ahy, koa nilaza fetr'andro taminy aho

7 sady nanampy teny hoe: Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an'ireo governoran'ny faritra any andafy andrefan'ny ony Eofrata, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda.

8 Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an'i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin'ny varavaran'ny trano fiarovana manolotra ny tempoly sy amin'ny mandan'ny tanana ary amin'ny trano hitoerako. Dia nomen'ny amperora ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan'Andriamanitra ahy.

9 Nankany amin'ireo governora any andafy andrefan'ny ony Eofrata aho ka nanolotra azy ny taratasin'ny amperora. Nisy manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly rahateo nirahin'ny amperora mba hiaraka amiko.

10 Raha nahare izany i Sanebalato ilay Horonita sy i Tobia ilay Hamonita mpanampy azy, dia samy sosotra tokoa satria nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny Israelita.

11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nipetrapetraka tao telo andro;

12 nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko mba hatao ho an'i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nomban'olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany.

13 Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin'ny Lohasaha dia nandroso nankany amin'ilay loharanon'ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin'ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan'i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon'ny afo.

14 Dia nizotra nankany amin'ilay vavahadin'ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin'ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha.

15 Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron'ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin'ny Lohasaha ka tafaverina.

16 Tsy nahalala izay nalehako na izay nataoko ireo mpanapaka; fa, talohan'izao, dia tsy mbola nisy nilazako izany ireo Jiosy, na mpisorona na loholona na mpanapaka na olon-kafa mpiandraikitra ny asa.

17 Ary hoy aho taminy; Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan'i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!

18 Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan' Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain'ny amperora tamiko; ka hoy ireo hoe: Ndao ary isika hanorina ny tanana! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.

19 Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Horonita sy i Tobia ilay Hamonita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe: Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin'ny amperora angaha ianareo?

20 Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanana indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory aty Jerosalema!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581