Marka

Toko 1 Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra.
Toko 2 Tafaverina tao Kafarnahoma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy.
Toko 3 Niditra tao amin'ny sinagoga indray i Jesoa ary nisy lehilahy maty tanana anila tao.
Toko 4 Dia nampianatra teo moron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa tery an-tanety amoron'ny farihy.
Toko 5 Nandeha sambokely i Jesoa sy ny mpianany ka tonga teny ampitan'ny farihin'i Galilea, teo amin'ny faritanin'i Gergesa.
Toko 6 Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin'ny tanana nahabe Azy, ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany.
Toko 7 Dia tafavory teo amin'i Jesoa ny Farisianina sy ny sasantsasany tamin'ireo mpahay lalana avy any Jerosalema,
Toko 8 Tamin'izany andro izany, dia vahoaka be indray no teo amin'i Jesoa ary tsy nanan-kohanina; ka nantsoin'i Jesoa ny mpianany ary nilazany hoe:
Toko 9 Dia hoy koa i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakan'Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga.
Toko 10 Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin'ny faritra antsisin'i Jodea, eny andafin'ny ony Jordana. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.
Toko 11 Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka mby tao amin'ny faritr'i Betifage sy i Betania, teo akaikin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa
Toko 12 Ary dia fanoharana indray no nitenenan'i Jesoa tamin'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalana ary loholona, ka hoy Izy: Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Toko 13 Nony niala teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra o, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!
Toko 14 Indroa andro sisa tsy hahatongavan'ny fankalazana ny Paska sy ny azima, dia nitady izay hisamborana an'i Jesoa am-pitaka ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana hamonoany Azy.
Toko 15 Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin'ny loholona sy ny mpahay lalana, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an'i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an'i Pilato.
Toko 16 Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdala sy i Salome ary i Maria renin'i Joseta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an'i Jesoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0386