Marka

Toko faha-6

1 Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin'ny tanana nahabe Azy, ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany.

2 Ary nony sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagoga i Jesoa; dia talanjona ireo olona maro nihaino Azy ka vaky vava hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilay io izany zavatra izany? Ary ahoana izato fahendrena nomena azy sy ireto asa mahagaga vitany?

3 Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria sady rahalahin'i Jakoba sy i Joseta ary i Joda sy i Simona? Ary tsy ireto miara-monina amintsika ireto ve ny anabaviny? Dia voasakana hino Azy ry zareo.

4 Fa hoy i Jesoa taminy: Mpaminany tsy hajaina eo amin'ny tanana nahabe azy sy eo amin'ny havany ary eo amin'ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!

5 Ary tsy afaka nanao asa mahagaga teo Izy, afa-tsy tamin'ny nanasitranany marary vitsivitsy nametrahany tanana.

6 Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo. Ary nitety ny tanana kely manodidina i Jesoa, ka nampianatra.

7 Dia nantsoiny hankeo aminy ny 12 lahy ary nirahiny tsiroaroa ka nomeny fahefana handroaka ny fanahy maloto.

8 Ary izao no hafatrafatra nataony taminy: Aza mitondra na inona na inona rehefa handeha, afa-tsy tehina; aza mitondra vatsy na kitapom-batsy na vola am-paosy;

9 manaova kapa ary aza mitondra akanjo hisoloana.

10 Dia hoy koa Izy taminy: Izay trano hampandrosoana anareo no itoero mandra-pialanareo ny tanana.

11 Ary izay toerana tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy.

12 Dia lasa izy 12 lahy ary nitory tamin'ny olona fa hoe tokony hiala amin'ny toe-dratsy.

13 Demony maro no noroahiny ary marary maro no nohosorany diloilo ka nositraniny.

14 Nandre ny resadresaka maro i Heroda mpanjaka satria efa niely ny lazan'i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: I Johany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

15 Hoy kosa ny sasany: I Elia io! Ary hoy indray ny hafa: Mpaminany io, tahaka ny anankiray tamin'ireo mpaminany fahizay.

16 Dia hoy i Heroda rehefa nandre izany: I Johany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!

17 Ny tenan'i Heroda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an'i Johany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin'i Herodiada, vadin'i Filipo rahalahiny, nefa nalain'i Heroda ho vady.

18 Fa hoy i Johany tamin'i Heroda: Tsy azonao atao ny maka ny vadin'ny rahalahinao.

19 Dia nanao otri-po tamin'i Johany i Herodiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra.

20 Natahotra an'i Johany i Heroda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Johany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Heroda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.

21 Kanjo tonga ny fotoana nifanojo indrindra tamin'izay nilan'i Herodiada azy, dia ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, ka nanaovan'ity mpanjaka fanasana ho an'ireo tandapany sy ireo komandin'ny tafiny ary ireo loholona tao Galilea.

22 Dia niditra ny zanakavavin'i Herodiada ary nandihy, ka nahafaly an'i Heroda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.

23 Ary niozona mafy tamin-drazazavavy ny mpanjaka nanao hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.

24 Dia lasa nivoaka ny efitrano fisakafoana razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy ireniny: Ny lohan'i Johany Mpanao batisa.

25 Dia niditra faingana niaraka tamin'izay razazavavy nankeo amin'ny mpanjaka ary niteny taminy hoe: Tiako homenao ahy izao dia izao an-dovia ny lohan'i Johany Mpanao batisa.

26 Nalahelo fatratra ny mpanjaka, saingy noho ilay fianianana efa nataony ary noho ireo olona niara-nisakafo taminy, dia tsy te handa ny fangatahan-drazazavavy izy.

27 Teo no ho eo ny mpanjaka dia naniraka mpiambina nomeny baiko hitondra ny lohan'i Johany. Dia lasa ilay io ka nanapa-doha azy tany am-ponja.

28 Nentiny an-dovia ny lohan'i Johany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa nanome azy an-dreniny.

29 Nandre izany ny mpianatr'i Johany, ka tonga naka ny fatiny ary nandevina azy.

30 Ary dia niverina teo amin'i Jesoa ireo apostoly nitantara taminy izay rehetra nataony sy nampianariny.

31 Fa hoy i Jesoa taminy: Ndao ianareo hitokana any an-taniefitra hiala sasatra kely. Maro loatra mantsy ireo olona nifamoivoy, ka tsy nisy fotoana hisakafoan'i Jesoa sy ny apostoly akory.

32 Dia niondrana an-tsambokely ry i Jesoa ka nandeha nitokana any an-taniefitra.

33 Hitan'ny olona fa niainga ry zareo ary maro no nahalala ny toerana halehany; dia nirohotra nandeha an-tongotra avy tany amin'ny tanana rehetra ny olona, ka tonga talohany teo.

34 Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.

35 Efa hariva ny andro vao nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva;

36 ka ravao ny olona mba handeha hividy sakafo eny amin'ny trano an-tsaha sy tanana kely manodidina.

37 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy. Dia hoy ny mpianatra taminy: Ka handeha ary ve izahay hividy mofo denary roanjato homena hohaniny?

38 Fa hoy i Jesoa taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ndeha hoe jereo. Ka nony fantatry ny mpianany, dia hoy ireo hoe: Mofo dimy, ary koa trondro roa!

39 Dia nomen'i Jesoa baiko ny mpianatra hampipetraka ny olona rehetra, ka hampitsitokotoko azy eny ambony ahi-maitso.

40 Dia nipetraka nitsitokotoko zato sy dimampolo avy ny olona.

41 Noraisin'i Jesoa tamin'izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony amin'ny olona; ary nozarain'i Jesoa tamin'ny olon-drehetra koa ny trondro anankiroa.

42 Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky.

43 Nangonin'ireo mpianatra ny tapa-mofo ambiny ka nahafeno sobika 12, ary nangoniny koa ny trondro sisa.

44 Nefa dia nisy dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana mofo teo.

45 Vetivety foana taorian'izay, dia noteren'i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaida; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.

46 Ary rehefa avy nanao veloma ny vahoaka i Jesoa, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.

47 Efa maizina ny andro no teo ampovoan'ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety;

48 hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain'ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin'ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy.

49 Nahatazana an'i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy.

50 Samy nahatazana an'i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra. Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe: Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056